Ao Anatin'ny Fibodoan'ireo Mpianatra ‘New University’ Ao Amsterdam

fandraisam-pitenenan'i Jacques Rancière tao Maagdenhuis voabodo, ny 24 Martsa 2015. Sary avy tamin'i Nicola Zolin. Nahazoana alalana

Avy tamin'ireo mpanao gazety sy mpaka sary Roberto Pizzato sy Nicola Zolin.

Hita manerana an'i Eorôpa ireo onjanà hetsika anà mpianatra sy fibodoana ireo tranoben'ny anjerimanontolo. Any Amsterdam, ny 25 Marsta 2015, nanamarika ny volana voalohan'ny fibodoana ny Maagdenhuis, tranobe fanaovana ny raharaham-pitantanan'ny anjerimanontolon'i Amsterdam (UvA), izay ao Spui ao afovoan'ny tanàn-dehibe, ny hetsika Nieuwe Universiteit (Anjerimanontolo Vaovao).

Hatramin'ny 11 Aprily, fony izy ireo noroahan'ny mpitandro filaminana mpandrava korontana, nibodo ilay tranobe ny vondron'ireo mpianatra, nikarakara hetsika karazany maro toy ny fivoriana, atrikasa sy fampahafantarana ary notohanan'ireo manam-pahaizana eo an-toerana sy any ivelany. Mangataka ny hisian'ny demôkrasia mivantana ireo mpianatra, ny fandraisana anjara amin'ireo fizotry ny fitantanana ny anjerimanontolo, ary ny fanajanonana ny fampidinana ny fanampiana ara-bola sy ny fanovàna tsikelikely ny anjerimanontolo ho lasa toy ny orinasa.

Porofon'ny kirizy lehibe indrindra amin'izao fotoanantsika izao ny hetsik'ireo mpianatra eny amin'ny anjerimanontolo manerana an'i Eorôpa: ny kirizin'ny fahalalàna. Io dia rehefa lasa tsy azo ihodivirana sy iadian-kevitra ny fahalalàna, fa mahatsapa ireo vahoaka fa tapaka fifandraisana amin'ny toerana izay iainan'izy ireo, ary amin'ny fitondràna anjara biriky kendren'izy ireo ho entiny ho an'ny fiarahamonina.

Varavarankely misokatra mankany amin'izao tontolo izao ny fampianarana ny olona. Tokony hanaitra ny toetra tia karokaroka io ary hanome fanalahidy ho an'ny olona mba hanonofy sy hahay hamorona ary hanana aingam-panahy mba haminavina ny tontolo tiany hiainana. Kanefa, raha hita ho voaozona hisaina ireo firafitry ny fomba fitantànana ara-bola sy ara-toekarena ankehitriny ary ny fomba fiasa an-databatra fotsiny ireo anjerimanontolo, kely ihany ny toerana ho an'ny fifampiresahana mahitsy sy ny fifampitovian-kevitra, ary ny fitrandrahana am-pahendrena ireo tantara sy zavatra azo ampiasaina ao anatin'izao vanim-potoanan'ny tantaran'ny olombelona izao. Ao anatin'ity seho maizimaizina ity, nisafidy ny hihetsika amin'ny fibodoana ireo tranoben'ny anjerimanontolo ireo vondrona mpianatra diso fanantenana amin'ny fisehon'ny ankehitriny ary tsofin'ireo idealy vaovao.

Ny 13 Febroary, ho valin'ireo fanovàna nolazain'ny UvA, nibodo ny tranobe Bungehuis ireo eny amin'ny anjerimanontolo sy ireo mpianatra ao amin'ny Nieuwe Universiteit. Taorian'ny tsy fahombiazan'ny fifampiraharahàna niaraka tamin'ny Filankevitry ny Fitantanana, noroahan'ireo mpitandro filaminana ireo mpibodo, izay tsy nety niala tao amin'ilay tranobe. Ny alin'iny ihany, nisy vondrona mpianatra nanapitsoka ny varavaran'ny Maagdenhuis, tranobe ivon'ny fitantanan'ny UvA, ary nanomboka ny fibodoana izay nitohy hatramin'ny 11 Aprily .

Arahana ao anatin'ny zotranà demôkrasia mivantana sy fikarakaràn'ny tena ihany, avy amin'ireo voakasika marina, ny tanjon'ilay hetsika. Ao aminà taratasy kely mitondra ny lohateny hoe “Antithese”, manamafy ireo mpianatra sy mpiasan'ny anjerimanontolo ao ambadik'ilay hetsika “Nieuwe Universiteit” fa “niala tamin'izy ireo nony farany ny karazana toetra tsy mety mifampiraharaha taorian'ny fivoarana”. Amin'ny lafiny iray, ho azy ireo ilay hetsika fibodoana dia fihetsika nateraky ny fikobonana mitombo hatrany manjo ireo tanora ankehitriny izay nikotrika tao anatiny ny fihetseham-po ho tsy afa-manoatra. “Ny làlan-kevitr'ilay rafitra dia ny famokarana olona tsy afaka manao zavatra sy mahatsapa fa tsy afaka manao zavatra tokoa ary miaiky fa tsy afaka manao zavatra,” hoy i Jacques Rancière, Filôzôfy Frantsay izay niteny tao amin'ny Maagdenhuis nandritra ilay fibodoana.

Tamin'io volana voalohan'ireo hetsika tao amin'ny Maagdenhuis io, nampiantrano atrikasa ny mpanao fihetsiketsehana, nandefa horonantsary lava sy fanadihadiana, nanao kaonseritra mozika ary fivoriana matetika miaraka amin'ireo mpampianatra sy ireo manampahaizana toy ilay Amerikana mpikatroka mafana fo David Graeber, olona malaza mpitarika ny Hetsika “Occupy” (Bodoy).

Nandritra izay herinandro maromaro izay, matetika novaina hoe “fanafahana” ilay teny hoe “fibodoana”. Ao amin'ny taratasy kely “Onruststoker”, miaiky ny tsy fahampian'ny drafitra mivaingana ho an'ny ho avy ny mpikambana iray ao anatin'ilay hetsika. “Tsytanjona farany hotratrarina ny fandàvana ny efa misy,” hoy ny mpikambana nanoratra, mety afaka tohizana amin'ny fahalalahana mamorona izay “manaitaitra ireo idealy arahantsika, mikintaontaona, mbola mijery tavan'olona sy ny hafa koa, araka izay mety mbola misy azy hatrany, ao anatinà fianarana daholo.”

Fandraisam-pitenenan'i Jacques Rancière tao amin'ny Maagdenhuis voabodo, ny 24 Martsa 2015. Sary avy tamin'i Nicola Zolin. Nahazoana alalana

“Tsy mibodo fotsiny ity toerana ity izahay,” hoy i Michiel, mpianatra iray izay nanjohy ilay hetsika taorian'ny nanombohana ny fibodoana ny Maagdenhuis. “Nanomboka nahatsapa ho anisan'ny fianakaviana iray lehibe izahay, satria misy fibodoana vaovao manomboka any an-kafa rehetra any.”

Nitondra fahatokisana ho an'ireo mpianatra ao Amsterdam ireo vaovaon'ny fibodoana ny tranobe fanaovana ny raharaham-pitantanana ao amin'ny London School of Economics (LSE) (Fianarana ny Toekarena) ao Londona ny 18 Marsta. Satria niteny ny mpisolo tena ny hetsika fibodoana LSE hoe: “ny herin'ireo hetsika fibodoana dia noho izy mahatonga vokany sahala amin'ny daomy alahatra: vao fanombohany fotsiny io.”

Vao herinandro vitsivitsy lasa izay tao Canada, nanomboka fitokonana tao amin'ny Anjerimanontolon'i New York sy ny Anjerimanontolon'i Toronto ireo mpianatra, mitaraina ny tsy fahampiana sy tsy fitovian'ny fanampiana ara-bola ho an'ireo mpampianatra mpiandraikitra ny fampianarana sy ireo mpampianatra mpanampy.

Amin'izao fotoanan'ny fibodoana izao, mino ireo mpianatra ao Amsterdam fa ho henoina ny fangatahan‘izy ireo. “Iray amin'ireo fangatahana ireo ny fanajanonana ny fitànana ireo vola izay tokony hampiasaina amin'ny fikarohana sy fampianarana,” hoy i Joyce Pijnenburg, mpianatra fahiny tao amin'ny UvA, izay niala tamin'ny asany tao amin'ny anjerimanontolo noho ny tsy fandehan'ny asa izay ampangainy ankehitriny.

Fandraisam-pitenenan'i Jacques Rancière ao Maagdenhuis voabodo, ny 24 Martsa 2015. Sary avy tamin'i Nicola Zolin. Nahazoana alalana

Nampahatsiahy i Michele Mugia, mpianatra taranja filôzofia sy mpikatroka mafana fo, fa “tamin'ny taona 1969, nihaino ireo mpianatra ny governemanta ary nanova ny fitantanana ny anjerimanontolo tamin'ny alalan'ny lalàna”. Iray amin'ireo mpitarika sy mpikarakara ireo hetsika sy ireo fivoriana nandritra ny volan'ny fibodoana i Mugia, ary faly izy nitatitra fa “samy mino ny tsirairay ato fa nanoratra tantara no sady manoratra ny hoavy koa.”

Bertie Kaal, mpampianatra ao amin'ny UvA izay manohana ny tolon'ny Nieuwe Universiteit, dia nampahatsiahy fa “very tao anatin'ireo taompolo nanaraka io ny zavabitan'ny hetsika fibodoana tamin'ny taona 1969, satria lasa nanomboka nibahana ny rafitra fiasa teny-midina”. Nilaza i Kaal fa matahotra ny hanao hetsi-panoherana ankehitriny ny ankamaroan'ireo mpampianatra, matahotra ny ho very asa. “Faly aho hoe manao hetsi-panoherana ihany koa ireo mpianatra satria tsy manao izany ireo mpampianatra,” hoy i Kaal.

Miray ary milaza ho tsy manan-tahotra ireo mpianatra ao ambadiky ny Nieuwe Universiteit. “Nahazo aingam-panahy taminay ireo hetsika hafa sy antoko pôlitika,” hoy i Michiel, “ary ny dikan'ny hoe misy ny zavatra afaka atao rehefa manomboka manao zavatra sy mamorona ny zavatra inoanao sy hitsangananao ianao. Izany no zavatra hitantsika mitranga eto.”

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.