Ela Ny Ela, Navotsotr'i Shina Ireo Dimy Mpiaro Vehivavy

Image from Facebook Group Free Chinese Feminists.

Sary avy amin'ny pejy Facebook-n'ny vondrona “Free Chinese Feminists” – Avotsory ireo Shinoa mpiaro ny vehivavy.

Ny 13 Aprily teo, nahazo taratasy filazana ny onitra aloa momba ny raharaham-pitsarana miandry azy ny fianakavian'ireo dimy mpiaro ny vehivavy.

Araka ny nolazain'ny iray tamin'ny mpisolovava azy ireo, Liang Xiaojun, izy dimy, amin'ny maha-samy enjehina ho nanao heloka bevava azy ireo, dia ho arahana maso mandritry ny herintaona, ary hoferana ny zon'izy ireo, toy ny tsy fahafahany mandeha any ivelany. Afaka mitàna indray na maka am-bavany misimisy kokoa azy ireo ny polisy, na rahoviana, na rahoviana.

Zheng Churan, Wang Man, Li Tingting, Wei Tingting sy Wu Rongrong dia nosamborina talohan'ny fankalazana ny Andro Erantany ho an'ny Vehivavy fa hoe nanomana hetsika hanairana ny sain'ny olona momba ny sotasota ara-nofo atao amin'ny vehivavy any anaty fiara fitaterana iraisan'ny daholobe.

Nezahan'ny polisy ny nanao tsindry mba hampiakarana ny vesatra hoe “fihantsiana ady sy famoronana korontana”, izay ny sazy be indrindra azo amin'izany dia famonjàna dimy taona. Nanao fanentanana efa ho iray volana mahery hamotsorana azy dimy ny faribolan'ireo mpiaro  ny maha-vehivavy manerana ny tany.

Tsy mbola nisy toa azy ity fifanarahana ankehitriny ity no sady manondro fifandroritana eo amin'ireo manampahefana ao amin'ny polisy sy ireo mpampanoa lalàna. Profesora ao amin'ny Anjerimanontolon'i Michigan ny Profesora Wang Zheng, mpikambana iray mavitrika nasongadina tao anatin'ilay fanentanana (tamin'ny alàlan'ny pejy Facebook Free Chinese Feminists):

Ao anatin'ity raharaha Shinoa ity, izao no voalohany nisian'izany andianà mpikatroka mafàna fo ara-tsosialy izany ka hoe notànana ary niaraka navotsotra daholo avy eo. Fanapahankevitra toy ny manao hoe: voalohany, mahomby ireo fanetsehana goavana sy fanohanana tsy mbola nisy toa azy nataon'ireo mpiaro ny maha-vehivavy erantany sy ireo fikambanana hafa tsy miankina amin'ny fanjakana. Ilay fanangonan-tsonia faobe niainga avy eny ifotony, tsy hoe fotsiny nanosika ireo politisiana tany amin'ny fanjakana isanisany nisy azy avy mba hamaly, fa koa nampiseho mazava tsara ho an'ny governemanta Shinoa hoe io fanangonan-tsonia io dia tsy fahavalo politika ao anatin'ny firenena akory no nanao azy, fa hery politika manerantany – fikambanana mpiaro ny vehivavy mihoatra ny faritry ny firenena ary fikambanana sosialy hafa avy eny ifotony mikatsaka ny rariny sy ny hitsiny ara-tsosialy. Io hery politika erantany io tsy afaka ny ho foanan'ny fanjakana Shinoa, na firenana hafa. Ary tsy misy firenena tokony handray io hery politika erantany io ho toy ny fahavalony. Hadalàna izany raha izany.

Faharoa, tsy fanjakana tokana tsy misy fangarony akory ny governemanta Shinoa ary ilay fanapahankevitra dia marimaritra niraisana teo amin'ireo rantsana politika isan-karazany na ireo rantsam-panjakana. Azo alaina sary an-tsaina ny endrika masiakan'ny fifanasàna vangy tany ambadiky ny sehatra tany momba ny fomba handraisana ity raharaha mahamay ity (vomanga mampitsovaka eny an-tànan-dry zareo). Ny marimaritra niraisana farany dia mampiseho mazava tsara hoe nisy manampahefana tao anaty rafitra izay nanosika mafy dia mafy ny hahitàna vahaolana miabo.

Notsindriany fa:

Raha mbola ho faritana foana ho toy ny mpanao heloka bevava ireo fikambanana tsy miankina amin'ny fanjakana, misolo vava sy mitolona an-kafanam-po ho fampiharana ireo lalàna mifandray amin'ny fitoviana lenta na olana hafa, dia tsy hisy faritra azo antoka ho an'ireo mpandàla ny maha-vavy ary hatramin'ireo mpikatroka mafàna fo miasa ho an'ny sehatra hafa mba hisian'ny rariny ara-tsosialy. Araka izany, tsy hitsahatra eto ny ezakay ho famotsorana azy dimy.

Satria efa miha-manakaiky ny Vovonana Erantany ho an'ny Vehivavy, miantso ny Firenena Mikambana ilay Profesora mba hanao dingana ary hanafaka azy dimy amin'ny fanenjehana noho ny resaka politika.

Tsy mbola vita ny tolona, raha ny voalazan'ilay tambajotran'ireo mpikatroka mafàna fo, Free Chinese Feminists. Ireto no tenifototra ampiasain'ny tambajotra sosialy ho an'ilay fanentanana: ‪#‎FreeTheFive‬ ‪#‎FreeChineseFeminists‬ ‪#‎FreeBeijing20Five‬

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.