Ejipta: Lalàna Manavakavaka Momba Ny zom-pirenena. Afaka Manome Izany Ho an'ny Vadiny Ny Lehilahy Ejiptiana, Fa Tsy Afaka Ataon'ireo Vehivavy Kosa Izany

Salma El-Daly  with her husband on a vacation in Upper Egypt

Salma El-Daly sy ramatoa vadiny, miala sasatra any Ejipta Ambony

Hatairana tsy nisy toa azy ny an'ilay Ejiptiana vavy Salma El-Daly rehefa nandeha hanmeno taratasy fahazoan-dàlana mitoetra ho an”ny vadinyizay Britanika izy, tao Ejipta. Teo am-pamenoana ny taratasiny, nahatsikaritra izy fa raha toa ireo lehilahy Ejiptiana afaka mamindra ny zom-pireneny ho an'ny vadiny, tsy afaka manana zo hanao tahaka izany kosa ireo vehivavy Ejiptiana.

Nanefotefoka ny hatezerany tao amin'ny Twitter ity mpanolotra fandaharana amin'ny fahitalavitra sady mpampiasa Twitter ity, nivoady fa hitolna mamdra-piovan'io.

Ao anatin'ny tontolo ankehitriny, misy eo amin'ny 230 tapitrisa eo ireo mpifindramonina iraisam-pirenena na olona mandeha mipetraka any ivelan'nyfirenena niaviany. Ny Toko faha-13 ao amin'ny Fanambarana Erantany momba ny Zon'Olombelona etsy ankilany dia manambara fa ny olona tsirairay dia manana zo hivezivezy malalaka sy honina ao anatin'ny faritry ny sisintanin'ny firenena tsirairay, ary etsy andaniny dia miteny fa zon'izy ireny ny miala aminà firenena, na dia izay niaviany aza. Kanefa, Teresa Hayter nanao fanamarihana hoe tsy miteny na inona na inona momba ny zon'ny tsirairay hiditra any amin'ny firenena hafa ilay fanambaràna. Ary io no manokana varavarana ho an'ireo governemanta hametrahany fepetra vaovao isanandro hanakatonana ny sisintanin-dry zareo manoloana ireo olona maniry ny hifindra any.

Na izany aza, tsy manome afa-tsy ny 10 isanjaton'ny mpifindra monina erantany ireo mpitsoa-ponenana, Tsy mahomby hatrany ireo famoaham-baovao mba hanavaka tsara ny atao hoe mpifindra monina noho ny antony ara-toekarena sy ny mpikatsaka fialokalofana na mpitsoa-ponenana. Efa mahazatra ny rehetra ihany koa ny mihevitra ny fifindrà-monina ho toy ny fomba iray ataon'ireo tany an-dalam-pandrosoana hankanesana any amin'ny tany mandroso, ary zara raha misy fijery hafa noho izay, noho ny ataon'ireo media.

Zarain'i El-Daly ao amin'ny Twitter ny tantarany :

Lalàna tsy azo itokiana, tsy rariny ary mpanavakavaka ny lalàna Ejiptiana izay manome alàlana ny lehilahy hanome ny zom-pireneny ho an'ny vadiny, ary mandà io zoio ihany tsy ho an'ny vehivavy Ejiptiana.

Nitohy niresaka hatrany io olana io tao amin'ny Twitter nandritry ny andro maro i Salma, ary nivoady tao anaty bitsika iray hafa, fa tsy hitsahatra ny hitolona izy mandra-mpanova io lalàna io.

Nanapa-kevitra ny hanontany azy misimisy kokoa izahay ary hanome vintana azy hiatrehana io olana io any an-toerana hafa ivelan'ny Twitter izay voafetra ny voan-tsoratra azo alefa.

Global Voices Online: Hitanao ve hoe ho mora kokoa ny fiainanao sy ny vadinao ao Ejipta raha toa mahazo ny zom-pirenena Ejiptiana izy?

Salma: Nanapa-kevitra ny hijanona aty Ejipta izaho sy ny vadiko izay Britanika amin'izao fotoana izao satria tsy tiako ny handao ny firenena niaviako. Mihevitra aho fa ho mora kokoa ny fiainanay mivady raha azoko atao ny manome azy ny zom-pirenena Ejiptiana ho azy. Sady koa, ho mora kokoa ny fiainana ho an'ireo zanakay ho avy ary ho afaka ny hahazo zo bebe kokoa ry zareo!

GVO: Raha toa ka tsy afaka koa nanome zom-pirenena ho an'ny vadiny ry zareo lehilahy ao Ejipta, mety mbolanitolona ho an'izay fitovian-jo izay ho an'ny roa tonta ve ianao? Na hoe, ho an'ny fitoviana ve ny tena tolona ataonao?

Salma: Izao e, aleo entintsika milamina ilay izy. Resaka tsy fitoviana mazava be izy ity izao, fanomezana zo ny lehilahy fa fanesorana izany koa amin'ireo vehivavy. Ireo lalàna momba ny zom-pirenena eto amin'ny firenena dia manavakavaka! Raha toany roa tonta ka samy omena alàlana hanome ny zom-pireneny diamety ho tolona hafa izay, tolona ho amin'ireo  lalàna momba ny fahadiovana!

El-Daly nanampy hoe iray monja amin'ireo lalàna maroao Ejipta io, izay tsy manana zo mitovy mihitsy ny vehivavy. Nomeny ho ohatra ny Lalàna Khula, izay milaza fa afaka mangataka fisarahana ny vehivavy rehefa tsy mitaky onitra ara-bola amin'ny vadiny sy zo momba ny trano fonenan'ny mpivady. Hoy izy : “Taona marobe no laninao any amin'ny fitsaràna fisarahana am-panambadiana ary mampitsahatra ny fiainanao,na omenay safidy ianao amin'ny famotsorana ny ZAVATRA REHETRA saingy afaka hahazo fahalalahana! Tena raharahan'adala!” Etsy ankilany, misy lalàna iray hafa izay manome alàlana ny renim-pianakaviana iray nisara-bady hitaiza ny zanany mandra-pahatongany aminà taona iray voafaritra, ary mahazo alàlana hamangy azy ireo fotsiny ny rainy mandritry ny fotoana voafetra. Nanontany tena izy : “Ahoana moa izany no mahatsara azy io eo amin'ny fananganana fifandraisana ara-dalàna eo amin'ilay ankizy sy ny rainy?”

Farany, nanontany azy izahay mikasika izay tontolo nofinofisiny ary rha ta nisy zavatra hafa tiany hanampy izay voalaza. Taorian'ny vazivaziny dia nambarany fa tontolo nofinofisiny ny fisian'ny fahazoan-dàlana mora kokoa. Nanampy izy hoe :

Manana olana iray hafa mihitsy aho izay tiako ho atrehana,mifototra aminà valinteny an-jatony maro voaraiko tao amin'ny Twitter. Maro amin'izy ireny ny mitsara izay ho fankatoavana hasehon'ny taranako any aoriana! Maro tamin'ireo valinteny no nilaza fa matetika dia mirona kokoa amin'ny fankatoavana ny firenena niavian'ny rainy ny ankizy, ary nahazendana ahy marina toka io fomba fisainantsika io hoe tokony hifandovàna ny fankatoavana! Sady koa, tena nampalahelo ny nahita fa marobe ireo olona mahita ny tsy fitoviana ho toy ny zavatra mandeha ho azy, ary toy ny manohana izany aza ry zareo! Ho gaga ianao mahita ireo fialantsiny mety hatolotr'izy ireo anao.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.