Hoan'ireo Mararin'ny Ebola Ao Liberia, Fomba Iray Hahitana Ny Endrik'ireo Mikarakara

Jianjay Potter and Grace Zardon in Monrovia, Liberia. Credit: Marc Campos. Published with PRI's permission.

Jianjay Potter sy Grace Zardon ao Monrovia, Liberia. Sary: Marc Campos. Nahazoan-dalana.

Navoaka voalohany tao amin'ny PRI.org tamin'ny 7 Aprily 2015 ity lahatsoratra sy tatitra amin'ny onjam-peo avy amin'i  Andrea Crossan hoan'ny The World ity ary havoaka indray ato amin'ny Global Voices noho ny fifanekena fizarana vontoaty.

Ravaravan'ny otrikaretina Ebola ny firenena Afrikana Tandrefana ao Liberia tamin'ny herintaona izay namoizan'ain'olona an'arivony.

Hoan'ireo mijaly any amin'ny hopitaly, ny hany hitan'izy ireo dia sarontava sy fitafy miendrika raboton'ireo dokotera sy mpanampy mpitsabo mikarakara azy ireo. Tsy maintsy manao ireo fanamiana fiarovana ireo ny dokotera hisorohana ny fifindran'ny aretina. Saingy tsy ahitana izany kosa ny endrika maha-olona sasany.

Hatramin'izao

Nahita ny fanamiana ampiasaina hitsaboana ny Ebola tamin'ny fampahalam-baovao ilay mpanakanto iray monina ao Los Angeles Mary Beth Heffernan. Nieritreritra izy fa toy ny irery mitoka-monina ny marary amin'izany. Ka nitsiry taminy ny hevitra haka ny sarin'ireo mpiasan'ny fahasalamana izay mety miraikitra amin'ny fitafiana fiarovan'izy ireo.

Tamin'ny volana Febroary lasa teo, nitsidika an'i Monrovia, Liberia i Heffernan mba haka izany sary izany fotsiny.

Nitondra fakàntsary, fanaovana pirinty enina ary ranomainty sy etikety apetaka mba hanaovana pirinty ireo sary izy

Mary Beth Heffernan taking photograph of health worker Morris Zolu. Credit: Marc Campos. Published with PRI's permission

Mary Beth Heffernan maka sary an'ilay mpiasan'ny fahasalamana Morris Zolu. Sary: Marc Campos. Nahazoana alalana

“Nanasa ireo mpiasan'ny fahasalamana mba haneho ny fihetsika irin'izy ireo azo omena ireo marary raha tsy mirakotra ireo fanamiana ireo izy ireo”, hoy i Heffernan. “Nisafidy ny hitsiky tamim-pitiavana tao anatin'ny fakàn-tsary ny ankamaroan'izy ireo ary izany no hitan'ny marary amin'ny tifitra sary voalohany amin'ity fakàna-tsary ity.”

Health workers Morris Zolu, Kaifouba Kamara, and Joseph Walatee wearing their portraits. Credit: Marco Campos. Published with PRI's permission

Mpiasan'ny fahasalamana: Morris Zolu, Kaifouba Kamara, sy Joseph Walatee miaraka amin'ny sarin'izy ireo. Sary: Marco Campos. Nahazoan-dalana

Naraikitra tamin'ny fanamiana fiarovan'izy ireo ny sary ary ariana isaky ny vita ny asa mandritry ny tontolo andro.

Iray tamin'ireo fanamby ny fahasarotan'ny tontolon'ny sary ao Liberia ary lafobe ny fanontàna azy.” Ka nanome ny kopian'ny sarin'izy ireo hoan'ireo mpiasa i Heffernan mba hotehirizin'izy ireo.

A photo label on the back of an iPad Credit: Marc Campos. Published with PRI's permission

Sary ao ambadiky ny iPad. Sary: Marc Campos. Nahazoan-dalana

Nilaza i Heffernan fa tsara kokoa izany noho ny fitondran'ireo mpiasan'ny fitsaboana ny mariky ny anarany fotsiny

«Kely loatra ny karapanondro, no mifanosontsona ary mifandraika kokoa amin'ny fitondram-panjakana. Manavaka ny sarangan'olona manana fahefana ihany koa izany, ary ny notadiaviko dia ny hampahery kokoa ny marary. “

Selina, a Monrovia healthcare worker, wearing her portrait. Credit: Marc Campos. Published with PRI's permission

Selina, mpiasan'ny fahasalamana ao Monrovia, mitondra ny sariny. Sary: Marc Campos. Nahazoan-dalana

Manampy ireo mpiasa mba hifandray tsara kokoa amin'ny hafa sy ny mararin'izy ireo izany

Nilaza tamin'i Heffernan ireo mpiasan'ny fahasalamana fa “tsy toy ny ninja mampatahotra intsony izy ireo”

Health worker in Monrovia donning gloves. Credit: Marc Campos. Published with PRI's permission

Mpiasan'ny fahasalamana ao Monrovia mampiditra fonon-tanana. Sary: Marc Campos. Nahazoan-dalana

Raha mandeha tsara ny zava-drehetra, angamba tsy voatery mitondra ny sary eo amin'ny fitafian'izy ireo intsony ny dokotera. Nahitana fihenana ny otrikaretina Ebola tao anatin'zay volana vitsy izay ary misy ny fanantenana fa ho firenena lavitry ny aretina ny firenena atsy ho atsy.

 

Morris Zolu, Hygienist, entering Red Zone. Credit: Marc Campos. Published with PRI's permission

Morris Zolu, mpikarakara ny fahasalamana (Hygieniste), miditra amin'ny Faritra Mena. Sary: Marc Campos. Nahazoan-dalana avy amin'ny PRI

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.