Fantaro Ny Iray Amin'ireo Vehivavy Amerikana Vitsy Nanambady Lehilahy Japoney

Sary avy amin'ny “Antontan'isan'ny fanambadiana ao JAPAN -Fironana farany fantatra,” avy amin'ny Minisiteran'ny Fahasalamana, ny Asa ary ny Fampandrosoana ny mahaolona, tao amin'i Tracy Slater.

Ao Japàna, ny ankamaroan'ny “mariazy iraisampirenena” ( tsy avy ao Japàna ny iray amin'ny mpivady) dia manasongadina ny fahamaroan'ny lehilahy tsy Japoney manambady vehivavy Japoney. Vitsy dia vitsy ny olondroa izay Japoney ny lehilahy ary tsy Japoney ny vehivavy.

Amin'ireo Amerikana mponina ao Japana (aorian'i Shina sy Korea, dia avy ao Etazonia ny ankamaroan'ny mponina vahiny ao Japàna) izay natao mariazy [tamin'ny Japoney] ao Japàna, maro kokoa ny lehilahy Amerikana noho ny vehivavy Amerikana (6-1), araka ny filazan'ny Minisiteran'ny Fahasalamana.

Nanoratra boky momba ny niainany hatramin'izao ny vehivavy iray avy ao Boston izay miadana am-panambadiana lehilahy Japoney iray.

TracyMiyajimaIsland

Tracy Slater.

Ho avoakan'ny Penguin Random House amin'ny volana Jiona 2015 ny “Good Shufu: Finding Love, Self, & Home on the Far Side of the World (Shufu Tsara: Mahita Fitiavana, ny Tena sy Tokantrano any ambadik'izao Tontolo izao“. Nandao asa nahomby sy matihanina tao Boston amin'ny maha mpanoratra mavitrika azy i Tracy Slater ary mpampianatra amin'ny oniversite sady mpianatra nahazo PhD manambady lehilahy Japoney.

Monina ao Osaka ankehitriny i Slater ary hoy izy :

In 2005, within a matter of months, I went from being a highly independent woman in Boston with a Ph.D., a job teaching writing to graduate students, and a great circle of like-minded friends, to a woman who couldn’t read, write, have a conversation with the neighbors, drive a car, or go to the bank myself.

In other words, I became a foreign wife in Japan: a gaijin shufu.

Tamin'ny taona 2005, tao anatin'ny volana vitsy monja aho izay vehivavy mahaleotena tao Boston aho miaraka amin'ny Ph.D, manao asa mampianatra manoratra ireo mpianatra ambony, miaraka amin'ny faribolan'ny mpinamana mitovy fomba  fisainana, no lasa vehivavy tsy afaka mamaky, manoratra, miresaka amin'ireo mpiara-monina, mitondra fiara, na mankany amin'ny banky samireryt.

Amin'ny fiteny hafa, nanjary vehivavy vahiny manambady ao Japàna aho: gaijin shufu.

Tao amin'ny bilaoginy malaza miaraka amin'ny fampiroboroboana ny “The Good Shufu” [ny Shufu Tsara], nilaza i Slater fa “mahagaga fa tsy nampaninona ahy ny andraikitritro amin'ny maha mpikarakara tokantrano ara-pomban-drazana ahy, na dia eo aza ny tantarako tia manindrahindra ny vehivavy. “

A few months after our marriage, I sat one night on the floor of my father-in-law’s living room, the worn but tidy rug rough under my limbs. I’d begun to call my father-in-law Otōsan, “respected father,” bowing low when he came for dinner three times a week, serving tea to him and Toru on the nights we ate at his house, just down the road from ours. Strangely, my new role as shufu, or “traditional Japanese housewife,” didn’t bother me, despite my history of feminism. This is not my culture, I thought. This is something I just do out of respect to Otōsan, when we’re with him. I surprised even myself by how easily I could play the part, as long as it was only for a few hours a week, in a country and language I knew I’d never call my own.

Volana vitsy taorian'ny fanambadianay, nipetraka indray alina teo amin'ny gorodon'ny efi-trano fandraisam-bahinin'ny rafozan-dahiko aho, teo amin'ny karipetra rovitra saingy madio. Nanomboka niantso ny rafozan-dahiko ho Otosan, “ray hajaina” aho, miondrika ambany dia ambany rehefa tonga hisakafo hariva in-telo isan-kerinandro izy, mikarakara dite ho azy sy Toru amin'ny alina hisakafoananay rehetra ao an-tranony, miala  kely ny trano misy anay. Mahagaga fa tsy nanahirana ahy ny andraikitro vaovao amin'ny maha Shufu na “vehivavy Japoney mikarakara tokantrano ara-pomban-drazana” ahy na dia eo aza ny tantarako tia manindrahindra ny vehivavy. Tsy kolontsaiko ity, hoy ny eritreritro. Zavatra ataoko ho fanajana fotsiny ny Otosan rehefa tafaraka aminy izahay. Gaga ny tenako ihany koa aho nahita fa mora dia mora ny nanatanterahako ny anjara lalaoko, satria ora vitsy dia vitsy ao anatin'ny herinandro ihany no anaovana izany, ao amin'ny firenena sy teny fantatro fa tsy ahy

Ankoatra ny fizarany ny fijeriny amin'ny fanambadiana manavatsava kolontsaina, nandrakitra an-tantara ny zava-niainany miaraka amin'ny korei-shussan, na fiterahana aorian'ny 40 taona ihany koa i Slater.

Taorian'ny taona maro niezahana, niteraka zazavavy salama tsara i Slater teo amin'ny faha-46 taonany. Mahatsiahy anaty vazivazy ny fizahana any amin'ny mpanampy mpitsabo mpanampy mikarakara azy alohan'ny fiterahana tao amin'ny bilaoginy ihany koa i Slater izay nanambara fa “tsy tsara ny lehilahy Japoney” na dia nilaza aza i Slater fa manampy amin'ny raharaha ao an-tokantrano ny vadiny.

Namaritra izany atao hoe vehivavy bevohoka ao Japàna izany ihany koa i Slater. Marobe, ohatra, ireo fanehoan-kevitra momba ny refin'ny kibony.

Satria efa miha-antomotra ny daty hamoahana ny boky , manohy manavao hatrany ny bilaoginy i Slater ary azo arahina ato amin'ny Twitter izany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.