Lalàna Vaovao Momba Ny Fandriampahalemana ao Thailand: ‘Manao Ho Toy Ny Tsy Misy Ny Fahalalahana Maneho Hevitra’

File photo of General Prayuth Chan-ocha (right), the incumbent Prime Minister of Thailand. Prayuth signed a new security law to replace martial law in the country. Photo by Vichan Poti, Copyright @Demotix (9/4/2014)

Sary tahirin'ny Jeneraly Prayuth Chan-ocha, praiminisitra amperinasa ao Thailand. Nanasonia ilay lalàna vaovao iray momba ny fandriampahalemana hasolo ny lalàna fanao amin'ny tany misy hotakotaka ao amin'ny fireneny i Prayuth. Sary avy amin'i Vichan Poti, Fizakàmanana @Demotix (9/4/2014)

Taorian'ny iraikambinifolo volana, ela ny ela ka nesorin'ny governemanta ao Thailand tamin'ny 1 Aprily 2015 ilay lalàna amin'ny tany misy sahotaka; saingy tsy ela koa dia nosoniaviny ny lalàna iray vaovao izay nofaritan'ireo mpikatroka mafàna fo mpiaro zon'olombelona ho vao mainka aza mamoritra kokoa.

Tamin'ny volana May lasa iny no nanao fanonganam-panjakana ny tafika tao Thailand, n olazaina fa hampitsaharana ny fifandonana eny an'arabe teo amin'ireo hery mpanohitra sy mpomba ny fitondrana. Nametraka lalàna miaramila izy, nanara-maso ireo toerana famoahana vaovao tany amin'ireo foiben-toeran'ireo fampielezam-peo samihafa, ary nandrara ny fivorivoriana politika. Narafitra ny lalàm-panorenana vonjimaika iray mba hitarika ho any amin'ny fametrahana governemanta sivily notohanan'ny tafika, notarihan'ny Jeneraly Prayuth Chan-ocha. Filankevi-pirenena Ho an'ny Fandriampahalemana sy ny Filaminana no nahafantarana ilay governemanta vaovao. Saingy nitoetra ho nanan-kery hatrany ny lalàna miaramila na teo aza ny fanendrena ireo manmpahefana sivily.

Tamin'ny fitanisàna ny artikla 44 ao amin'ilay lalàm-panorenana vonjimaika, nosoniavin'i Prayuth ny Didy laharana 3/2558 (3/2015) izay manafoana ny lalàna miaramila saingy hametraka kosa fepetra faran'izay henjana amin'ny fitandroana ny filaminana manerana ny firenena. Ilay didy vaovao dia mitondra amin'ny fanendrena “ireo manampahefana hitantana  ny fandriampahalemana sy ny filaminana”, avy amin'ny laharan'ny tafika, izay olona omena fahefana midadasika be hiaro ny filaminam-panjakana. Ireny olon'ny tafika ireny dia afaka misava trano, mampiantso sy misambotra ireo mpanakorontana, mangihy fanànana, ary mitàna hatramin'ny fito andro ireo olona ahiahiana, any amin'ny toerana voatokana, na dia tsy misy manampahefana ara-pitsaràna aza.

Mbola voafehifehy hatrany ny fahafahana manao fivoriana, araka ny voalazan'ny artikla 12 ao amin'ilay didy izay mandrara ny “fivorivoriana ara-politika ataon'olona dimy na mihoatra”.

Ireto sariitatra nataon'i ‏@stephffart ireto no itarafana ny fihetsehampon'ireo marobe mpikatroka sy mpisolovava ny demaokrasia ao Thailand, mifanaraka amin'ilay artikla 44 :

MAD JUNTAX – Làlan'ny hatezerana mankany amin'ny demaokrasia (na tsiat ) – sarimiaina 2

Sarimiaina ho an'ny Alatsinain'iny Firenena – Prayut Max 3

Loza mitatao ho an'ny fahalalahana miteny ihany koa ilay didy. Ny artikla 5 ao amin'ilay didy dia mety ho azo ampiasaina hanampenana ny vavan'ny mapnohitra. Mivaky toy izao:

Omena fahefana ireo mpiandraikitra fandriampahalemana mba hamoaka didy mandrara ny fanelezana izay mety ho ampaham-baovao rehetra na fivarotana na fanapariahana karazana boky na famoahana na fitaovana tahaka izany izay mety hiteraka ahiahy amin'ny vahoaka ka hanohintohina ny filaminam-pirenena ny filaminan'ny vahoaka. (dikanteny tsy ofisialy nataon'i iLaw, ny Ivontoerana Firaketana momba ny Fahalalahana Maneho Hevitra)

Raha naneho hevitra momba io andalana io, nifamory ireo goavan'ny asa fanapariahana vaovao ao amin'ny firenena nahitana n y solontenan'ny Fikambanan'ny Thai mpanao gazety, ny Filankevi-Pirenena momba ny asa fanaovana gazety ao Thailand, ny fikambanan'ireo Thai mpanao gazety mpilaza vaovao am-bava ary ny Filankevitry ny Fanapariahana Vaovao amin'ny onjampeo ao Thailand ka namoaka fanambaràna iray izay nitsikera ilay artikla ho toy ny “loza goavana indrindra mitatao ho an'ny fahalalahana sy ny fahalalahana maneho hevitra raha mitaha amin'ilay Lalàna Miaramila vao nofoanana.”

Antsoin'izy ireo ny NCPO mba hitondra fanazavana momba izay zava-kendren'ilay artikla sy hanome famaritana tsara kokoa momba ny atao hoe “loza mitatao ho an'ny filaminam-pirenena” sy ny “fanapariahana vaovao tsy marina.”

Raha tsy misyt famaritana mazava tsara ny atao hoe filaminam-pirenena, miteraka ahiahy amin'ny vahoaka sy ny fanapariahana vaovao tsy marina, dia mety hanao fanamparana fahefana ireo manampahefana na hanararaotra ny fahefan'izy ireo, izay tena mifanohitra tanteraka amin'ny didin'ny NCPO.

Nampitandrina ihany koa ry zareo hoe mety hanohintohina ireo mpisera an-tapitrisa ety anaty aterineto ity andalana manokana ity :

Tandindonin-doza ihany koa ny sivily, satria izay olona mifandray sy  miresaka lohahevitra amin'ny alàlan'ireo media sosialy, izay miaty vaovao heverin'ny manampahefana ho toy ny loza mitatao ho an'ny filaminam-pirenena, miteraka ahiahy amin'ny vahoaka, manaparitaka vaovao tsy marina na miteraka tsy fahatakarana ho an'ny vahoaka dia ho voasazy toy izany ihany koa.

Manondro hatrany io artikla io ihany, ny “Southeast Asian Press Alliance” nanontany hoe :

Inona no mason-tsivana hamaritana raha toa ny votoaty iray ka ‘miteraka ahiahy’ na ‘vaovao tsy marina mety hiteraka tsy fahatakarana eny amin'ny vahoaka'? Raha toa ilay votoaty fototry ny resaka ka marina sy tena zava-nisy, mety ho fiarovana iray hanoherana ny fandraràna tahaka izany ve ny fahamarinana?

Nivantana kokoa ny kaomisera ambony avy amin'ny Firenena Mikambana momba ny Zon'olombelona, Zeid Ra'ad Al Hussein,  rehefa namely ilay didy vaovao navoakan'ny NCPO izy, ho toy ny fepetra iray mety ‘hanao ho toy ny tsy misy ny fahalalahana maneho hevitra’ ao Thailand.Nanampy izy :

Raha ny tokony ho izy, tokony ho tamin-kafanam-po no niarahabako ny nanafoanana ilay lalàna miaramila, saingy taitra aho tamin'ny fanapahan-kevitra hanolo ilay lalàna miaramila taminà zavatra iray mbola faran'izay henjana kokoa, izay manome fahefana tsy hita fetra ho an'ny Praiminisitra ankehitriny, tsy misy fanarahamason'ny lalàna na kely aza.

Tany am-boalohany dia somary tsy naha-be fanantenana ihany ny nandraisana ilay vaovao momba ny fanesorana ny lalàna miaramila tao Thailand hatramin'ny 1 Aprily nanambaràna azy (Andron'ny Lainga). Saingy nazava be fa tsy nivazivazy ny tafika Thai rehefa rehefa nandany lalàna iray henjana kokoa mba hanoloana ilay lalàna miaramila.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.