Toby Yarmouk : Eo Anelanelan'ny Maritoan'ny Hanoanana Sy Ny Riandrianan'ny Mahery Fihetsika

Syrian-Palestinians are eating from the garbage.

Syriana-Palestiniana mihinana avy ao anaty fitoeram-pako. Sary nalaina ny 03/03/2015 tao amin'ny Tumblr an'i LensDimashqi. Nampiasaina ambany fahazoan-dalana CC.BY. 2.0

Palestiniana mpitsoa-ponenana mitotaly 18.000 miaina “ao anatin'ireo fepetra tsy araka ny maha olona” ao amin'ny Tobin'ny Mpitsoa-ponenana Yarmouk any Damaskaosy, Syria, no voafandrika eo anelanelan'ny maritoan'ny hanoanana sy ny riandrian'ny mahery fihetsika.

Nandatsahan'ny fitondrana Syriana baomba, ary izao indray eo ambany fanafihan'ny ISIS hatry ny 1 Aprily, efa tao anatin'ny roa taona nipetrahany tamin'ny fahirano izao ireo Paletsiniana mpitsoa-ponenana no tsy nisy rano ary nisakafo ambany foitra. Eo ho eo amin'ny 15 kilaometatra miala ny tranoben'ny filoham-pirenena no misy ilay toby, fa tsy mahasakana ny fitondran'ny filoham-pirenena Syriana Bashar Al Assad handatsaka barikanà baomba eo an-dohan'ireo vahoaka izany, izay lasa niafina any amin'ireo trano fonenany tsy misy sakafo, matahotra ny handehandeha eny amin'ireo làlana feno mahery fihetsika mirongo fiadiana. Araka ireo vaovao mandehandeha any amin'ny media sosialy, ny ISIS dia misambotra, mamono ary manapa-doha ireo olona ao an-toby sy mifanandrina amin'ireo vondrona hafa mpanohitra mitam-piadiana mitam-piadiana.

Mpikatroka mafana fo maro no miampanga ny miaramilan'ny fitondràna Assad noho ny fananiham-bohitra ataon'ireo ISIS, amin'ny fanomezana azy ireo fahafahana hanao toy izao. Hitan'izy ireo fa mipoitra tampoka any amin'ny toby ireo milisy ISIS amin'izao fotoana tsy ahafahana mampiditra fanampiana ara-tsakafo sy fanafody any amin'ny tobin'ny mpitsoa-ponenana Palestiniana izao.

Ny Maritoa, Hanoanana Mahafaty

“Mba hahalalanào hoe toy ny ahoana ny ao Yarmouk, vonoy ny herinaratrao, ny rano, ny fitaovana manome hafanàna, mihinana in-dray mandeha isan'andro, miveloma anaty haizina, miveloma amin'ny fampiasàna kitay arehitra.” – Anas, mponina ao Yarmouk.

Araka ny Masoivohon'ny  Firenena Mikambana Mamonjy sy Miasa ho an'ireo Palestiniana Mpitsoa-ponenana any Proches-Orient (UNRWA), izany no iainan'ireo Palestiniana mpitsoa-ponenana miisa 18.000 amin'ireo 160.000 izay miaina ao amin'ny toby. Mbola voahidy ao amin'ny Toby Yarmouk izy ireo, ary tsy misy fomba mahomby hizaràna sakafo na fanampiana hafa ho famonjena azo natao nanomboka ny 6 Desambra 2014. Na dia nidina an-dalambe aza ireo vahoaka ny 18 Janoary 2015 mba hanoherana ny fahirano ataon'ny fitondrana Assad nanomboka ny volana Jolay 2013, namela olona 200 matin'ny hanohanana farafahakeliny ilay kirizy. Herintaona taorian'ny nandefasana lahatsary iray mampiseho ny fahakiviana amin'ny famatsiana sakafo ao amin'ny Toby Yarmouk,  nisy fanadihadiana iray hafa, mitondra ny lohateny hoe Fahirano, nipoitra avy ao anatin'ny toby ny 03 Aprily. Ahitàna ny fiainana andavanandro atao anaty seho an-tsehatra karazany efatra, izay mampiseho hoe ahoana ny fijalian'ireo olona amin'ny tsy fahampian'ny sakafo sy ireo fitaovana ilaina, ilay horonantsary fohy.

Lahatsary iray hafa nalefan'i Sami Alselwad tamin'ny 6 Febroary 2015 no mampiseho Palestiniana iray mpitsoa-ponenana miampanga ny governemantany noho ny famelàny ny toby ho faty noana ary tsy mandray fepetra manohitra ny fitondrana Assad akory. Avy eo ilay horonantsary niova ho sahala amin'ny kamiao feno mofo atsipitsipy eny fotsiny zarazaraina amin'ny vahoaka, ka  izay tsara vintana no mahazo. Tamin'ny zavatra nolazainy, miampanga an'i Mahmood Abbas, filoham-pirenena Palestiniana, ilay lehilahy:

Hanoanana daholo ireo rehetra ireo, ry Abbas. Any Ramalla ianao, ary tsy fantatrao hoe ahoana ny fijalian'ireo vahoakanao Palestiniana aty. Olona an'arivony no noana aty. Aiza ianao amin'izany rehetra izany? Henatra ho anao.

ISIS claims it is there to help the besieged refugees of Yarmouk Camp. But this is what they do.

Milaza ny ISIS fa eo izy ireo hanampy ireo mpitsoa-ponenana atao fahirano ao amin'ny Toby Yarmouk. Izao anefa no ataon'izy ireo. Sary avy tamin'ny @AlaaAllagta. Nampiasaina ambany CC. BY 2.0

Ny Riandriana, Mahery Fihetsika Mandra-pahafaty

Nanomboka ny 1 Aprily, manamarina ireo tatitra amin'ny media sosialy fa niditra tao amin'ilay toby atao fahirano ny tafiky ny ISIS, ary mifehy ny 90% n'ny toby ankehitriny. Manaraka akaiky ireo vaovao miboiboika an'io fivoarana mahatsiravina io ireo mpisera amin'ny Aterineto, raha nitatitra kosa ireo mpampiasa Twitter fa niditra ny toby ny ISIS taorian'ny nanamoràn'ny mandatehezana Al Nusra, sampan'ny Al Qaeda any amin'ny “Levant”, ny fidirany avy tao Hajar Aswad, ilay tanàna mifanila aminy.

#Syria –  Mifehy ny Ankamaroan'ireo Fonenan'ny Mpitsoa-ponenana #Palestina ao amin'ny toby #Yarmouk  any #Damaskaosy #Syria ny #ISIS: Mifanaraka ny PLO

.

Herintaona taorian'ny tsy nihetsehan'izao tontolo izao ho an'ireo an'arivony noana ao Yarmouk tratran'ny fahirano, niditra tao an-toby ny Isis. #Syria

Tom Finn sy Linah Alsaafin, manazava ny fipoiran'ny ISIS tampoka sy ny fomba nanatonany ny toby avy tao amin'ny tanàna iray mifanila aminy:

Manontany ny mpanao gazety ao anatin'ny toby #Yarmouk izahay sy @LinahAlsaafin: ahoana ny fomba nahatafidiran'ny ISIS tao Damascus?

Raha i Talal Alyan kosa mizara sary avy ao anatin'ny toby:

Sarin'ireo mpiady Akhnaf, izay niatrika ny adin'ny ISIS isan'andro #syria, nalefan'ny namana iray ao #yarmouk

Saritanin'ireo antoko mifehy ny toby, nozarain'i Rami Allolah tamin'ireo mpanjohy azy miisa 16.000 ao amin'ny Twitter, mampiseho ireo toerana mizarazara fehezin'ny ISIS, ny vondrona Palestiniana mitam-piadiana, ny FSA (Free Syrian Army) (Miaramila Syriana Malalaka), ny miaramila Assad ary ny Al Nusrah.

#Saritanin'ny toe-draharaha miaramila ao amin'ny toby  #Yarmouk atsimon'i #Damascus avy tamin'i @uygaraktas#Syria

Tsy niandry ela ireo mpikatroka mafana fo nitatitra ny fampitahorana sy famonoana mahatsiravina ataon'ny ISIS, vaovao izay nanomboka niparitaka tamin'ireo tambajotran-tserasera tahàka izay nanamarinan'i Raqqa_SI azy ho an'ireo mpanjohy azy miisa maherin'ny 21.000:

Nanapa-doha tanora maro tao amin'ny #TobyYarmouk ny #ISIS ary tsy nalefan'ny Mpiandraikitra ao amin'ny tànanan'i #Yarmouk ireo sary satria tena nahatsiravina tokoa

Vakio ihany koa:

Tonga Amin'ny Ambaratonga Ratsy Indrindra ny Fandehan-javatra ao Amin'ny Tobin'ny Mpitsoam-ponenana Yarmouk (Anglisy)

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.