Rosiana Enimpolo Tapitrisa Isan'andro No Miditra Aterineto

In 2014, Internet audience and penetration in Russia continued to grow. Image from Wikimedia Commons.

Tamin'ny 2014, niha-nitombo ny fijerena sy ny fidirana aterineto ao Rosia. Sary tao amin'ny Wikimedia Commons.

Manambara ny voka-pikarohana vaovao ara-tahirinkevitra momba ny mpijery nangonin'ny goavan'ny RuNet, Yandex fa afa-mirehareha amin'ny haavon'ny taham-pidirana aterineto mihoatra noho ireo firenen'ny BRICS na CIS i Rosia, mbola saingy ambany noho ny an'ireo firenena Baltika izany, mihoatra ny 60 isanjato ny olondehibe Rosiana misera aterineto tsy tapaka.

Araka ny angon'ny Yandex (azo tamin'ny fikambanana “Hevi-Bahoaka” ), hatramin'ny fararano 2014, Rosiana 72,3 tapitrisa (62% n'ny olon-dehibe ao amin'ny firenena) no nampiasa aterineto farafahakeliny indray mandeha isam-bolana, ary mihoatra ny 60 tapitrisa kosa no miditra aterineto isan'andro. Raha oharina tamin'ny fararanon'ny taona 2013, dia efa mananika ny 6 tapitrisa ireo mpisera aterineto vaovao ao amin'ny RuNet tamin'ny fararanon'ny 2014.

Namoaka tahiry isam-paritry ny tatitra ara-pivoaran'ny aterineto,ihany koa ny Yandex, manasongadina ireo singa toy ny taham-pidirana aterineto sy ny salam-pikorian'ny aterineto, ny vidin'ny fidirana amin'ny aterineto haingam-pandeha sy aterineto finday, ary ny isan'ireo orinasa sy fikambanana voasoratra anarana ao amin'ny lisitry ny fikarohan'i  Yandex. Tondron-tsarintany mametraka anaty lisitra ny tranonkalan'izy ireo. Araka ny efa nampoizina, ao amin'ny ankamaroan'ireo sokajy ireo, dia mitari-dalana lavitra dia lavitra mihoatra noho ireo faritra hafa ao Rosia i Moskoa sy Saint Petersburg.

Internet penetration levels in various Russian regions: Moscow and Saint Petersburg top the list with close to 80% of adults regularly going online. Image from Yandex.ru.

Tahan'ny fidirana aterineto ao amin'ny faritra samihafa ao Rosia (mampiseho ny fivoarana nandritra ny 2014 ny loko mena). Loha-lisitra amin'ny fisian'ny olon-dehibe mananika ny 80 isanjato miditra mahazatra ao amin'ny aterinato i Moskoa sy Saint Petersburg. Sary avy amin'ny Yandex.ru.

Mifanipaka amin'izany, sambany nampiditra an'i Krimea ho ao anatin'ny iray amin'ireo “faritra Rosiana” tao anatin'ny tatitra nataony ny Yandex tamin'ity taona ity hatramin'ny nakàn'ny vondro-tafika Rosiana azy. Nanamarika ny T.Journal fa ny karazan-tondro rehetra ho an'i Krimea dia saika ny ratsy indrindra avokoa miohatra amin'ny faritra rehetra, ankoatra ny vidin'ny fidirana aterineto tsy finday (fixe): 261 RUB ($ 4.75) isam-bolana raha oharina amin'ny sala ankapoben'ny sanda Rosiana izay mahatratra 362 RUB ($ 6.60) isam-bolana raha raisina ny tamin'ny Febroary 2015. Saingy eo amin'ny resaka fidirana aterineto sy ny hafainganam-pandeha dia tratra aoriana noho ireo faritra sisa ao Rosia i Krimea, ary anisan'ny mahantra indrindra ao amin'ny faritra rehetra ny aterineto findainy (angamba noho ny fifandirana onjam-peo satria mbola ny servisy okrainiana no tompon'ny sasantsasany amin'izany). Mbola sahirana dia sahirana ihany koa ny orinasan'ny teknolojia vaovao Krimeana noho ny sazin'ny Tandrefana, satria maro ny orinasa no tsy afa-mifandray amin'ny servisiny ao amin'ny saikinosy.

Number of online media websites by region (purple shows growth, grey shows decline). Moscow at the top, Crimea at the bottom and the only "region" showing a decline. Image from Yandex.ru.

Isan'ny tranonkala mpampita vaovao isa-paritra (mampiseho fitomboana ny loko volomparasy, ary fihenana kosa ny loko manja). Lohalisitra i Moskoa, ary mitana ny rambony i Krimea, faritra tokana nahitana fihemorana. Sary avy amin'ny Yandex.ru.

I Krimea ihany koa no faritra tokana ao Rosia nahitana fihenana amin'ny fahavitrihan'ny haino aman-jery antserasera nandritra ny taona, angamba noho ny famoretana ny Tatar Krimeana sy ny haino aman-jery hafa ao an-toerana, izay noterena hisoratra anarana indray toy ny sampana haino aman-jery Rosiana, ka efa maro sahady ireo nikatona sy miatrika fanakatonana.

Amin'ny ankapobeny, habaka haino aman-jery mavitrika eo amin'ny 4.500 ao Rosia no hitan'ny Yandex tamin'ny Febroary 2015, ary miasa ao Moskoa ny ampahefatr'izany. Raha atambatra dia mamoaka vaovao manakaiky ny iray hetsy isan'andro ireo habaka ireo.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.