Mpanjakan'ny Lagos ao Nizeria: Norahonany Hifidy Ny Làlany – Na Ho Faty Ireo Vahoaka Igbo

640px-Oba_Lagos060602-N-8637R-006

HRH Rilwan Akiolu, Oba an'i Lagos (2 Jona 2006). Sarin'ny U.S. Navy, avy tamin'ny mpanao gazety miaramilaKilasy Voalohany, Kurt Riggs, nomena ny Wikimedia Commons

Nanao hadisoana be ny Mpanjaka Ambony Oba Rilwan Babatunde Osuolale Aremu Akiolu I, ny Oba (Mpanjaka) an'i Lagos. Tamin'ny fihaonan'ireo filoha Igbo tao amin'ny firenena, tsy ela akory izay no nandrahona izy fa “ho faty an-drano” ireo vahoaka Igbo rehetra izay tsy mifidy ho an'i Akinwumi Ambode (mpirotsaka ho governora avy amin'ny “All Progressive Congress” – APC) :

Amin'ny Sabotsy, mianiana amin'Andriamanitra aho, fa raha misy iray aminareo, mandeha tsy araka ny sitrapoko, ny mba haha-governoran'ny Fanjakana Lagos an'i Ambode, ho faty ato anatin'ity rano ity ilay olona. Tsy vonona ny hitalaho aminareo aho. Tsy misy mahalala ny nakako an'i Ambode. Mpifamato-drà amiko i Jimi (Agbaje) ary nolazaiko taminy fa tsy mbola afaka ho governora aloha izy amin'izao. An'Andriamanitra ny ho avy. Tsy mitalaho na amin'iza na iza aho, fa ny zavatra tsy afaka ataonareo vahoaka any Onitsha, Aba na any an-kafa rehetra any, aza atao eto. Raha ataonareo izay tiako, hitohy hiroborobo ho anareo i Lagos. Raha mandeha mifanohitra amin'ny faniriako ianareo, ho faty ao anatin'ny rano ianareo.

Ito ny fandraisam-peo tamin'izay nolazainy ary nozaraina tao amin'ny Twitter:

Ho an'ireo nangataka izany, ity ilay Oba Rilwan Akiolu nandrahona ny Igbo ho alefa any an-dranomasina raha tsy mifidy an'i Agbaje

Na dia rafitra fitantanan'ny filoham-pirenena aza no ampiharin'i Nizeria, mbola ireo lehiben'ireo vondrona foko samihafa no mandrafitra ny firenena. Tsy mampihatra ny fiandrianana intsony ireo filoha nentim-paharazana fa manao fombafomba mampiseho ny fahefàny fotsiny. Kanefa, mbola mijanona ho ampinga maoraly lehibe manan-kery eo anivon'ireo mpanaraka azy izy ireo.

Iray amin'ireo fitondrana nentim-paharazana lolohavina an-tampon'ny loha any Nizeria ny Oba an'i Lagos, ary renivohitr'i Nizeria teo aloha i Lagos, toerana ivon'ny toekarena ary fihaonan'ny kolontsaina — izay ahitàna olona avy amin'ireo foko maro samihafa monina ao.

Nifidy ireo governoram-panjakana ny Nizeriana tamin'ny faran'ny herinandro 11 Aprily teo. Ireo roa lehibe mifaninana ho governoram-Panjakana an'i Lagos dia i Akinwumi Ambode an'ny APC (All Progressive Congress) ary i Jimi Agbaje an'ny “Peoples Democratic Party” (PDP).

Ny Jeneraly Muhannadu Buhari an'ny All Progressive Congress (APC) no nivoaka nandresy ny tompon-toerana teo aloha, Dr Goodluck Jonathan an'ny Peoples Democratic Party (PDP), tamin'ny fifidianana filoham-pirenena natao ny 28 Martsa.

Na dia nizotra am-pilaminana aza, ilay fifidianana dia nomarihan'ny fiandaniana politika ara-poko, nifidy ny Filoha Jonathan ireo avy any amin'ny faritra Atsimo-Atsinanana sy ny Atsimo, raha nifidy ny Jeneraly Buhari kosa ireo avy any amin'ny faritra Avaratra sy Atsimo-Andrefana. Mety hihatra ihany koa io fizarazaràna ara-poko io amin'ireo fifidianana amin'ny hatao ny Sabotsy 11 Aprily. Nanolotra safidy tokana ho an'ny Filoha Goodluck Jonathan ny Igbos an'ny Atsimo-Atsinanan'i Nizeria.

Mazava ho azy fa tezitra mafy tamin'ny “kabary fankahalàna” sy ny fandrahonan'ny Oba-n'i Lagos ireo mpisera amin'ny Aterineto.

Nilaza i Chxta fa antso ho famahàna ny famonoana faobe an'ireo Igbos iny:

 Nieritreritra momba an'iny aho. Izao no zava-misy: Gazety nasionaly telo, This Day, Independent & PM News no niresaka azy. Nandrahona hanao famonoana faobe ny Oba Akiolu

Nieritreritra ny Filohan'ny Kaomisônan'ny Zon'Olombelona any Nizeria fa:

Amin'ny maha mpisolovava  azy, AIG teo aloha sady nitazona ny toerana 1 tamin'ireo fitoerana saiky manan-kaja indrindra tamintsika, afaka mba mitodika amin'ny lasa ny Oba Akiolu ary miaiky fa tsy tenim-pahendrena avy aminy ireny #Apologise (Mialatsiny)— RightsAfrica (Zon'iAfrika)(@chairmanNHRC)

Menatra noho ny amin'i Kabiyesi (Mpanjaka) i Adekunle ka niala tsiny tamin'ireo Ndigbo (ireo vahoaka Igbo):

Tena nanao @realFFK i Kabiyesi ary toa hita ho mpianatra koa ny Dame Peshe! Miala tsiny indray aminareo Ndigbo rehetra amin'ny TL.

Mangataka ny governoram-Panjakana, Tunde Fashola, hanasazy ny Oba, iTunde Leye  mpanoratra :

Nanoratra ho an'ny Fitsarana Heloka Bevava Iraisampirenena ny antokonao tamin'ny kabary feno fankahalàna nataon'i Patience Jonathan. Matoky aho fa hanao zavatra ihany koa ianao amin'ny kabary feno fankahalàna nataon'ny Oba Akiolu @tundefashola — Tunde Leye (@tundeleye)

Tokony hiala ny Oba, hoy ny bitsik'i Foghi Batarhe:

Tsy tia hizara ito horonam-peo ito akory aho. Tokony halàna izany Oba Akiolu izany. Avy hatrany. Nianiana tamin'ny Allah mihitsy aza izy.

Nitsikera ilay fihetseham-po niandany araka ny foko izay nanamarika ilay fotoanan'ny fifidianana i Nze Slyva:

Hitako eny rehetra eny ireo fihetseham-po tsy tia Igbo. Manomboka amin'ny Oba izao ‘tompon'i’ Lagos ka hatramin'i Mr Afolayan izay misy fotoana tiako tokoa ny asany. Dalu nu o!

Kanefa, tsy ny rehetra no nanohana:

Raha izaho no mpitarika Igbo, lazaiko ireo ray aman-dreniko hoe ao anatin'ny tombotsoantsika manokana ny milahatra amin'ny Oba. Manome sy mandray

Nanesoeso ireo miaro ny Oba i Obinze:

Lasa nangina teo ireo tsy misy saina izay niaro ny Oba niaraka tamin'ireo rainy, nametraka hoe tsy hanao ireny fanehoan-kevitra ireny izy. Adala! — OBINZE (@UzoUriel)

Araka ny mahazatra, nanao hanihany tamin'ilay adihevitra ireo sasany tamin'ny mpampiasa Twitter .

Vao niantso ny dadatoako mihitsy aho, izay tao ambavan'ny Oba Akiolu ireo iray tampo aminy fony izy niteny. TSY niteny izany IZY. ABIA.

Ireo hafa nanao kisary fanalàna azy:

 Raha te-hifidy ny PDP ianao, kanefa miahiahy sy matahotra ny hiditra ao amin'ny Ranobe: pic.twitter.com/6tPagEU4BP — Code Architect (@codeArchie)

“Tsy misy Rano afaka manakana fitiavana…”

13 Aprily 2015: ankizilahy Yoruba nitsidika ny sipany igbo. Tsy misy ranobe mahasakana fitiavana… pic.twitter.com/9xYYF4P4R2

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.