Yemen, Vietnam-an'i Ejipta Fanindroany indray ve ?

Decisive Storm artillery rocks a Yemeni neighbourhood in the capital Sanaa. Photograph shared by Alaa Al-Eryani on Facebook. "This was in Faj Attan near our house. Can't imagine the terror my family and friends are going through right now.." she explains.

Tifitra balafomanga ao amin'ny hetsika Tadio Mahatpaka ao an-drenivohitr'i Yemen ao Sanaa. Sary nozarain'i Alaa Al-Eryani ao amin'ny Facebook. “Tao Faj Attan tao akaikin'ny tranonay io. Tsy haiko saintsainina ny horohoro mahazo ny fianakaviako sy ny namako amin'izao fotoana izao..” hoy ny fanazavany.

Ambaran'ny Ejipsiana ao amin'ny tambajotra sosialy ny fitsipahan-dry zareo ny fidirana an-tanety amin'ny ady ifanaovana amin'i Yemen.

Ejipta, ao anatin'ny vondrona mpiara-dia amin'i Saodia izay midaroka baomba an'i Yemen hatramin'ny 26 marsa, no nanambara fa vonona handefa tafika an-tanety ao amin'io firenena ravan'ny ady io. Noho ny fanampian'ny mpiara-dia aminy dia i Emirà ao amin'ny Helodrano, Ejipta, Jordania, Maraoka, Sodàna ary Pakistan no nanetsehan'i Arabia Saodita hetsika an'habakabaka fandarohana baomba, nomena anarana hoe Tadio Mahatapaka, iadiana amin'ireo mpiady hothista izay nahazo ny faritra maro ao Yemen hatramin'ny volana janoary teo.

Maro ireo mpiserasera ejipsiana no niresaka ilay fandraisam-peo tafaporitsaka, izay nandrenesana ny filoha ejipsiana Abdel Fattah Al Sissi niteny tamin'ny Arabon'ny Helodrano ho “manambola sy vary” — izany hoe, betsaka — toy ny mametraka fa niditra tao amin'ny ady noho ny vola i Ejipta.

Nalefan-dry zareo lavidavitra kokoa ny fampitahana, tamin'ny filazana fa atao sorona amin'ny adin'i Arabia Saodita noho ny vary ny miaramila ejipsiana.

Natsatok'ilay blaogera ejipsiana Nawara Nagm tao amin'ny ratra ny antsy tamin'ny fanoratana ho an'ny mpanjohiny 759.000:

Raha tsy manana olana ara-maoraly amin'ny ady sy ny famonoan-jaza ianao dia tsy tokony hanana olana raha maty notakalozana vary ny miaramilanareo

Nampiany :

Handeha ho faty any isika ary hoesoiny amin'ny vary izay tsy hiditra am-paosin'ny zanatsika izay ho tafiditra amin'ny ady an-tanety

Ao amin'ny sioka iray hafa, manontany tena i Negm hoe maninona no tsy nakana hevitra ny Parlemanta :

Raha mbola tsy maintsy atao ny fanompoana miaramila ary tafiditra amin'izany amin'ny alalan'ny zanany ny olona, dia manan-jò ry zareo haneho hevitra amin'ny alalan'ny Parlemanta ry zareo rehefa miankina aman'ain'ny zanany izany na farafaharatsiny asiana referendum

Avy eo nofariparitany ny sehatra ao Ejipta, ahitana ny dridran'Ingilo ho fanakasitrahana ny ady amin'ny alalan'ny fampitam-baovao tohanan'ny governemanta :

Efa hay ny fomba fanaony : fampiomanan-tsaina amin'ny alalan'ny fampitam-baovao, ary izay tsy manaiky dia marihana ho mpamadika, mpiasa na mpitsikilon'ny vahiny. Hisambotra olona vitsivitsy izy ary hanao izay tiany atao

Sissi io tsy notononin'i Negm anarana io, araka ny fanondroana tamin'ny siokany manaraka :

Namoaka didy hitsivolana izy ary nanao findramam-bola izay tsy maintsy aloantsik aorian'ny fahafatesany ; ary niditra tao anaty ady tsy naka torohevitra na tamin'iza na tamin'iza ; ary ankehitriny izy mandefa olona any amin'ny fahafatesana tsy niera tamin'izy ireo akory

Alohan'ny fehin-teny :

Tsy mana-jò izy hanaisotra ny zanaky ny olona ka hanipy azy any Yemen tsy misy fankatoavan'ny parlemanta na referendum

Adel Zidane manondro ny fidiran'i Ejipta an-tsehatra ao Yemen ho “solika atakalo ra”. Nisioka izy :

Tsia amin'ny ady noetsehina noho ny solika atakalo fandatsahan-dra

Mampitamberina tsiahy ratsy tamin'ny ady an-trano tao Yemen Avaratra, (1962 -1970), ny fisian'ny andian-tafika ejipsiana ao yemen. Tamin'izany fotoana izany no nanohanan'i Ejipta sy ny Firaisana Sovietika ilay Repoblika Arabon'i Yemen vao teraka, raha niara-niady teo anilan'ny Imam Muhammed Al Badr, izay voaroaka sy nandositra tany Arabia Saodita nitady vonjy kosa i Arabia Saodita sy Jordania, izay notohanan'i Angletera. An'arivony ny miaramila ejipsiana maty tamin'izany ady izany.

Nampahatsiahy antsika ilay Yemenita Ammar Al Aulaqi :

“Yemen no Vietnam-ko, nandefa andian-tafika iray tany aho izay niafara tamin'ny fandefasana miaramila 70.000 fanampiny” Gamal Abdel Nasser 1967

Namerina izany tsiahy izany ihany koa i Negm :

Yemen dia efa fantatra ao amin'ny tantara ho Vietnam-an'i Ejipta. Inona no hataontsika ao Yemen raha tsy fantatsika akory izay hanaovantsika an'i Sinaï ?

Tsy afa-bela ao Sinai amin'ny ady ifanaovana amin'ny “mpampihorohoro” ny tafika ejipsiana, ary anisan'izany ny Fanjakan'i Sinaï, vondrona jihadista telo aloha nantsoina hoe Ansar Bayt Al-Maqdis (ABM) talohan'ny nanaovany fankatoavana ny vondrona hiringiriny Fanjakana Islamika.

Ao Ejipta, manontany tena i Carmen hoe maninona no misy vava ady misokatra indray ao amin'ny faritra :

Tsia amin'ny fananiham-bohitra an-tanety ao Yemen. Feno mpampihorohoro ao Sinaï ary ao Libya ny fanjakana Islamika. Nahoana ry zareo no manokatra vava ady vaovao izay tsy ho voafehiny ?

Nampiany :

Aza vesaran-drà fanampiny intsony ny faktiora efa aloan'ity firenena ity isan'andro. Manan-jò hiahy ny tafikay izahay.

Nanampy ilay Ejipsiana Hamdy Mansour :

Milaza ry zareo fa manohitra ny fananiham-bohitra an-tanety ao Yemen mba tsy hahafaty ireo miaramila ejipsiana mampalahelo kely ireo ! Ary ahoana ireo fandarohana baomba an'habakabaka mahazo ireo sivily  yemenita maty ? Miharihary izany ary nôrmaly izany ary tsy olona raha maty na velona ny firenena iray.

Hatrao Libanona, Riena Jalal, namehy amim-panesoana ny toe-draharaha tahaka izany ihany koa. Nisioka tamin'ireo 13.100 mpanjohy azy izy :

Nôrmaly ny fitsabahana an'habakabaka
Ary ireo olona maty noho ny daroka baomba an'habakabaka koa ve nôrmaly ?
Fa ny fananiham-bohitra an-tanety kosa midika fahafatesan'ny miaramila ejipsiana. Mahamenatra !

Ary avy ao Bahraïn, @lbanna74 nampahatsiahy ireo mpanjohy azy 2.000 :

Rehefa miverina ao anaty vatam-paty ny Ejipsiana dia aza antsoina hoe maritiora. Nandeha niady ho takalon'ny volan'ny Helodrano ireo.

Mbola maro ireo fihetseham-po hita amin'ny alalan'ny fanarahana ny diezy #لا_لتدخل_مصر_البري_في_اليمن izay midika hoe tsipahina ny fananiham-bohitra ataon'i Ejipta ao Yemen.


  Vakio ihany koa (amin'ny teny anglisy) :

Egypt's Vietnam: Lessons from the last time Cairo waded into war in Yemen

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.