Mihoatra Lavitra Noho Ny Resaka Antontanisa Ireo Olona 147 Maty Nandritry Ny Fanafihana Tao Garissa

Photos of Garissa shooting victims being shared under the 147notjustanumber hashtag on Twitter.

Dikasary avy amin'ny gazety tsy miankina – Daily Nation (@DailyNation) manasongadina sarin'ireo niharan-doza tamin'ny tifitra tao Garissa, nozaraina tao amin'nyTwitter.

Voakiana be mihitsy ny fandrakofan'ny fampahalalam-baovao avy any ivelany sy avy any an-toerana an'ilay fanafihana nataon'ny milisin'ny Al-.Shabaaab ny Anjerimanontolon'i Garissa, izay nahafatesana olona 147 raha kely indrindra. Raha toa ny anaran'ireo nanao fanafihana ka naely be, nampidinina ho tarehimarika fotsiny kosa ireo niharan-doza: 147.

Ho setrin'izany, ireo Kenyana ety anaty aterineto dia nanao ezaka hanomezana anarana sy endrika ireo niharan-doza tamin'ilay herisetra feno habibiana.

Manoratra ho an'ny bilaogy “Africa is a Country” (Firenena iray i Afrika), niteny i Binyavanga Wainaina, Kenyana mpanoratra, fa “tsy firenena i Kenya raha tsy vitantska ny mahatsiaro araka ny tokony ho izy ireo olom-pirenena tsirairay nafointsika”:

Tiako ny hahita ny anarana, taona ary ny sarin'ireo izay namoy ny ainy tao Mpeketoni. Ireo maty nandritry ny PEV. Tantara. Tsy tsara ny manadino. Ao anatin'ireny fihetsika ireny, mifoha ny fahatsiarovana iraisantsika. Ny politikan'ny filazàna hoe tsy mbola vonona hiatrika ny maha-isika antsika isika, ny fahafenoan'ny hirifirintsika, dia tsy misy hafa amin'ny politika izay manome fahafahana antsika hinia tsy hijery azy io rehefa misy Kenyana iray manao tantely afa-drakotra ny andrim-panjakana iray nomena ho tantanany, mitsentsitra azy ho maina, maina, ary miverina toy ny faty mitsangana avy eo, faty mitsangana toy ny fingotra mievotra amin'ny endrika vaovao, mba hitantana any an-toerana hafa indray avy eo.

Tohizany:

Tiako ny hahita ireo telo tapitrisa ao Nairobi hameno ny arabe hikiakiaka, sy hihira, ary hifamihina satria novonoina ny zanatsika. Tiako ny hitsahatra tsy hahatsapa fa hoe miaina loatra ho an'ny tena manokana isika. Tsy tiako ho re velively ny teny hoe fampandrosoana miainga avy amin'ny tena indray.

Ao amin'ny Twitter, nohaazavain'i Ory Okolloh Mwangi ny antony maha-zava-dehibe ho an'ny kolontsaina Afrikana ny fanomezana ny anaran'ireo niharan-doza :

Zava-dehibe ho an'ny kolontsaina Afrikana ny fanononana ny anarana sy ny lanonana fanomezana anarana. Midika fiainana lasa, ankehitriny ary hoavy. Ary noho izany dia homentsika ny anarana tsirairain'izy ireo

Ho enti-maneho ny maha-olona ireo niharan-doza, ny sasany amin'ny mpampiasa Twitter dia nibitsika tamin'ny tenifototra #147notjustanumber (tsyisafotsinyny147) mba hizaràna ny anarana sy ny sarin-dry zareo:

M.A.P ry Elizabeth Nyangarora. Nahazo diplaoma tamin'ny  2012 tao amin'ny Sekolin-jazavavay St Andrews Kanga

Tobias ity, maty tamin'ny #fanafihanaTaoGarissa; tsy tarehimarika izy ho anay, zanakalahy izy ary rahalahy, namana.

M.A.P ry Ivy Betty Wanjiku (Shiko) mpianatra taona voalohany

Angela ‘Ka/Jojo’ Kimata Githakwa #147notjustanumber #mananaAnaranaIreo Mpianatra fahiny tao amin'ny Sekoly ambony Karima tamin'ny 2011

Ho tsaroana ao am-ponay mandrakizay ny fahatsiarovana azy ireo. Miangavy, aelezo ny momba azy ireo sy ny sariny

Raha nahazo lohateny vaventy ireo mpanafika ary hiaina tsy ho faty ny anarany, ireo niharan'ny vono nataony kosa adino sy lasa antontanisa fotsiny

@Reclvse nanoratra fa resaka aina ity fa tsy antontanisa fotsiny:

Tiako ny fomba anamarihan'ireo Kenyana ny anarana & ny filazàny ny tantara momba ireo niharan-doza tamin'ny fanafihana tao Garissa mba hiantohana fa tsy #tsyisafotsinyny147. Aina, fa tsy antontanisa

@lunarnomad niteny momba ny tiana hahatongavana amin'ilay tenifototra:

Reraka mahita vatana mangatsiaka mihoson-drà aho eny anaty fampahalalam-baovao momba ny  #Garissa Jereo ny #147notjustanumber hahitàna ireo olona nolalovam-bàla.

Mary Njeri Mburu nibitsika hoe:

Antenaiko fa mba hanome toerana maimaim-poana ho filazana manjo ho an'ireo niharan-doza tamin'ny fanafihana tao Garissa ireo gazety an-tsoratra, toy izay nataony taorian'ny Westgate.

Eunice nizara ohabolana Kenyana iray, teo ambany tenifototra iray hafa mihitsy — #KenyanLivesMatter, tsilalaonteny avy amin'ny hetsika  #BlackLivesMatter tany Etazonia:

Ny olona mampiasa hery dia matahotra ny fampisàna saina… Any aminareo ny saiko manontolo.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.