Iza No Tsara Harahina Ao Amin'ny Twitter Hanao Tatitra Mivaingana Amin'ny #IranTalks

Those reporting and following the nuclear negotiations in Lausanne have some good coverage on twitter. Sometimes even humorous.

Ahitana fitantarana tsara avy amin'ireo mpitatitra sy mpanaraka ny fifampiraharahana ara-nokleary ao Lausanne ao amin'ny Twitter, matetika aza misy ny mahatsikaiky.

Misy ny milaza fa mbola eo an-dalana ny tantara. Misy ny milaza fa lalao diplaomatika goavana indrindra eo amin'ny raharaha iraisam-pirenena izy ity. Na izany na tsy izany, fifampiresahana goavana indrindra miaraka amin'ny tsirim-panantenana, ahiahy sy fanakianana miseho eo amin'i Iran sy Etazonia nanomboka tamin'ny Revolisiona Islamika 1979 izy ity.

Raha mbola mifamingampingana amin'ny vondrom-pirenena P5 + 1 (vondrona ahitana an'i Etazonia, Angletera, Rosia, Shina, Frantsa ampiana an'i Alemaina) amin'ny natioran'ny fandaharan'asa nokleariny sy ny fanesorana ny sazy iraisampirenena ireo mpifampiraharaha avy amin'ny Iraniana, dia mitafa an-tsioka izao tontolo izao. Raha mirongatra ny fandrakofana ny vaovao momba izany, dia efa mihoatra ny fe-potoana farany 31 Martsa ny fifampiresahana, indreto ny kaonty tsara arahina ary indraindray ahitana fitantarana manesoeso amin'izay mitranga ao ifotony ao Lausanne, Soisa.

Amin Khosroshahi, mpaka sary fanao an-gazety avy ao amin'ny Sampam-baovaon'ny Mpianatra Iraniana (ISNA) namoaka sary mahafinaritra ahitana matetika ny mpifampiraharaha Iraniana ao Lausanne. Hoy ny voalazan'ity sioka amin'ny sary ity ” fotoam-piasana mandritra ny andro fahafiton'ny fifampiraharahana ataon'ny delegasionina Iraniana.”

Mpanoratra gazety ara-politika ivelany ao amin'ny Bloomberg i Indira Lakshmanan. Mnana loharanom-baovao tsara isa-minitra izy, ary manana fehezanteny mampihomehy koa indraindray.

Mijery ny lalan-tsetroka ao amin'ny Beau Rivage ao Lausanne na setroka fotsy na setroka mainty. Hatramin'izao, setroka fotsiny sy fitaratra

Vaovao farany: #IranTalks Androany miaraka amin'ny Lavrov Milaza Fifampiraharahana eo am-pelatanana. Nilaza i Aragichi fa mila “rafitra” amin'ny sazin'ny Firenena Mikambana

Arash Azizi, mpanoratra gazety amin'ny teny Persiana ao amin'ny fahitalavitra Iraniana mandeha amin'ny zanabolana Manoto, nanome vaovao tamin'ny teny Persiana sy Anglisy. Nahitana vaovao mahatsikaiky koa tamin'izany.

Nilaza taminay fotsiny ny sekretera Ernest Moniz fa “mizotra tsara” ny #IranTalks raha nanontaniana mikasika ny fandehan'izany izy. Tsy nihaino ny fanambin'ny voloko izy, hoy ny eritreritro

Laura Rozen, mpanoratra gazety ao Afovoany Atsinanana ao amin'ny Al Monitor nanome vaovao mafonja tao amin'ny  “Fantsona Mainty” Al Monitor amin'izay zava-mitranga nandritra ny fifampiraharahana. Mahafinaritra ny siokany amin'ny fandravahany izany hoe ahoana ny ao Lausanne:

Mitampify ao anatin'ny hotely mihaja mangatsiatsiaka ao Lausanne, mihevitra fa mety hiraikitra ao mandrakizay izahay

Sanam Shantyaei, mpanoratra gazety Britanika-Iraniana ao amin'ny France 24 nisioka sary kely mahafinaritra misy ireo diplaomaty nandeha teo alohany tao Lausanne, amin'ny fotoana “tsy takatry ny loha ao Lausanne” ity:

Nanontany ny minisitra Steinmeier raha mbola hiverina ao Lausanne izy. Tsy nisalasala izy namaly hoe “ja” [eny]

Mpitondra tenin'ny Departemantam-panjakana [Amerikana] amin'ny teny Persiana i Alan Eyre izay fantatra amin'ny famoahana fanadihadiana  mikasika izay zava-mitranga ao amin'ny media Iraniana hoan'ny ekipa mpifampiraharaha Amerikana. Matetika ny Twitterany feno “retweet” [fampitana] izay fitantaran'ny olon-kafa, saingy misy ihany koa ny siokany manokana tahaka ity sary nalefany vao marainan'ny 31 Mars ity (manamarika ny tsy fahitana tory amin'ny alina iainan'ny maro mandritra ny fifampiresahana).

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.