Rivo-bovoka Namely An'i Arabia Saodita sy ny Faritra Madinika Manodidina

Dust storm in Bahrain. Photograph shared on Twitter by Manama Voice

Tadiom-bovoka ao Bahrain. Sary nozarain'i Manama Voice tao amin'ny Twitter

Hikatona ny sekoly sy oniversite sasany ao Arabia Saodita rahampitso satria hamely ny firenena ny tadiom-pasika goavana. Hamely ny faritra mifanolo-bodirindrina toa an'i Bahrain, Qatar ary Koety ihany koa ny tadiom-pasika, izay mampidina ny fahitana ateraky ny fitsokan'ny fasika sy ny loto mankeny amin'ny lanitra .

Nizara sary sy lahatsary misy ny rivo-doza – fahita mahazatra ao amin'ny faritra maina sy maina ampahany tahaka izao ny mpiserasera.

Arabia Saodita:

Nizara ity sary malazan'ny renivohitra Saodiana, Kingdom Centre (Foibem-panjakana) maizin'ny vovoka ity ilay Bilaogera Saodiana, Ahmed Al Omran:                                              

Ambany dia ambany ny fahafaha-mijery ao Riyadh

Mohamed Al Saadoon, avy ao Riyadh nisioka hoe:

Tahaka ny diky avy ao amin'ny Vohitry ny Fahanginana i Riyad androany

Koety:

Avy ao Koety, nizara lahatsarin'ny tafio-drivotra nanatona an'i Koety i Faisal Al Fadhle:

Bahrain:

Nizara ireto sary ireto tao amin'ny Twitter  i Bu Isa, sary nalaina tamin'ny 9 ora alina tao an-toerana:

Fara-tazamaso tamin'ny 9 ora hariva: 100 metatra
Fara-tazamaso tamin'ny 9.10 hariva: 50 metatra sisa

Qatar:

Ary namoaka ity fampitandremana manaraka ity tao amin'ny Twitter ny Minisiteran'ny Atitany Qatariana:

Niharan'ny tadiom-bovoka mahery vaika ny ankamaroan'ny faritra ao amin'ny firenena. Azafady mitandrema tsara rehefa mitondra fiara na any an-trano koa.

Dr Almasri Ibrahim kosa nizara ity sary avy ao Doha ity:

Voalohany izao….tadiom-bovoka matanjaka indrindra tsy mbola nisy tao an-tanànan'i doha

Nilaza ny mponina iray ao Qatar, Michael Walker fa ity no tena ratsy indrindra tsy mbola fahitany tao anatin'ny folo taona :

Tadiom-bovoka mahery vaika indrindra tsy mbola fahitako tao Qatar tao anatin'ny folo taona

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.