Bilaogera Iray Hafa Maty Voatsindrona Antsy: Manjary Mahafaty Ao Bangladesh Ve Ny Fihevitra Afaka ?

Bangladeshi police have arrested two men, allegedly to be religious students for the stabbing murder of blogger Washiqur Rahman aged 27 in Dhaka, Bangladesh. Image by Sony Ramany. Copyright Demotix

Nosamborin'ny polisy Bangladeshita ireo lehilahy roa voalaza fa mpianatry ny fivavahana nanindrona antsy nahafaty ilay bilaogera 27 taona, Washiqur Rahman tao Dhaka, Bangladesh. Sary avy amin'i Sony Ramany. Fizaka-manana: Demotix

Tovolahy iray antsoina hoe Oyasiqur Rahman Babu no maty voatsindrona antsy ny marainan'ny 30 Martsa 2015 tao Bangladesh, voalaza fa mpianatra mpivavaka hiringiriny no nahavanon-doza. Famonoana olona fanindroany mitovy endrika tao anatin'ny iray volana izy ity.

Voalaza fa namoy ny ainy fotoana fohy taorian'ny nanafihan'ireo jiolahy telo azy teny an-dalana i Rahman, norasarain'izy ireo tamin'ny antsibe ny tarehiny ka potika tanteraka. Na dia tamina sampam-pikarakarana dia aza no tena niasàny, dia hita matetika antserasera izy, manoratra amin'ny solonanarana Washiqur Babu ao amin'ny Facebook sy sehatra hafa. Hatramin'ny nahafatesany dia tsy fantatry ny ankamaroan'ireo mpiserasera ny tena mombamomba azy sy ny fiarahamonina niaviany.

Efa nanoratra lahatsoratra maromaro manohitra ny finoana ara-pivavahana tsy manana fanazavana ara-tsaina i Rahman ary mpikambana ao amin'ny vondrona iray antsoina hoe Atheist Bangladesh (Bangladesh tsy mino an'Andriamanitra) tao amin'ny Facebook. Navitrika tamin'ireo sehatra  fibilaogina samihafa izy, anisan'izany ny dhormockery.com, habaka mpanesoeso avy amin'ny tsy mino an'Andriamanitra mitsikera ny fivavahana rehetra, ka tafiditra amin'izany ny Islam. Efa voasakana ao Bangladesh ny Dhormockery. Efa mpikambana tao amin'ny Logical Forum, fifanakalozan-kevitra an-tserasera ihany koa izy ary efa nanoratra tao amin'ny sehatra somewhereinblog ao an-toerana.

Nitranga iray volana monja taorian'ny famonoana ilay bilaogera Bangladeshita-Amerikana laïka sady mpanoratra ara-tsiansa antsoina hoe Avijit Roy (jereo eto ny tatitry ny Global Voices momba izany) ny famonoana an'i Rahman. Taorian'ny famonoana an'i Avjit, nanatevin-daharana ireo fihetsiketsehana i Rahman, nanameloka ny famonoana ary nanome voninahitra an'i Roy tamin'ny fanoloana ny sariny sy ny rako-tsariny tamin'ny Facebook tamin'ny soratra hoe: #iamavijit sy “words cannot be killed” [“tsy tokony hovonoina ny teny”] (jereo eo ambany).

Screenshot of the Facebook page of Rahman.

Pikantsary tao amin'ny pejy Facebookn'i Rahman.

Ny lohany sy ny tendany no tena nokendren'ireo mpanafika an'i Rahman, mitovy ny fomba namonoana ireo bilaogera Ahmed Rajib Haider sy Avijit Roy. Niezaka nandositra ireo mpanafika saingy voasambotry ny mpandalo sy ny polisy ny roa tamin'izy ireo. Araka ny voalazan'ny BDNews24,  mpianatra madrassa avy ao amin'ny faritra Hathazari ao Chittagong ny iray ary mpianatra madrassa ao amin'ny faritra Mirpur ao Dhaka kosa ny iray hafa. Ahitana mpikambana maro avy ao amin'ny vondrona fondamentalista Hefazat e Islam ao Chittagong.

Toa hita fa tsara-rindra sy voaomana ny famonoana. Niaiky toy izao ny iray tamin'ireo voampanga:

ব্লগ কি বুঝি না, আর তার লেখাও আমরা দেখিনি। হুজুরের পরামর্শ, সে ইসলামবিরোধী। তাকে হত্যা করা ঈমানি দায়িত্ব। আর সেই ঈমানি দায়িত্ব পালন করতে ওয়াশিকুরকে হত্যা করেছি।

Tsy fantatray ny atao hoe bilaogy. Mbola tsy namaky izay zavatra nosoratany izahay. Nilaza ny lehiben'ny fivavahanay fa Anti-Islamika izy. Ka adidy ny mamono azy. Ka notanterahinay izany adidy famonoana azy izany.

Naneho ny alahelony sy ny hakaviany manoloana ny fiverimberenan'ny loza ireo mpikatroka sy mpanoratra antserasera. Mpanoratra an-tsesitany Taslima Nashrin nisioka hoe:

Bilaogera iray hafa Washikur Rahman Babu no maty notsatotsatohan'ireo fanatika Miozolomana tamin'ny antsy androany tao Bangladesh

Naneho ny ahiahiny manoloana ny zava-nitranga ny Amnesty International:

Tsy maintsy ho “antso fanairana” ny famonoana mampivarahontsana an'ilay bilaogera tao Bangladesh.

Nisy ny fihetsiketsehana nataon'i Gonojagaran Mancha (Dingam-Pifohazam-pirenena ) teny an-dalambe:

“Diabe Fihetsiketsehana” manohitra ny famonoana an'i Rahman. Maty notsindromin'ny vondrona extremista tamin'ny antsy androany i Rahman

Nandeha ny tsaho fa i Rahman dia efa nanoratra andian-tantara misy fizarana 52 tao amin'ny Dhormockery.com tamin'ny alalan'ny solonanarana Obishyashi (tsy mpino) antsoina hoe “(Valinteny mafonja hoan'ireo fanehoan-kevitra maniratsira ny tsy mpino) i Rahman. Nitanisa ireo fanontaniana napetraka momba ny Islamo izy, miaraka amin'ny valinteny mahazatra momba izany, saingy natao tsiroaroa ny fanontaniana mba hanasongadinana fa matetika tsy mitombina mihitsy ireo valinteny, na mifanipaka tanteraka.

Ity ohatra iray nalefan'ny Fikambanana iraisam-pirenena momba ny etika sy ny maha-olombelona:

Insulting comment 21: Islam is claimed to be ‘the best and the complete way of life’. Does that mean that slavery is valid for eternity?
Jaw-crushing answer: See, Islam is a humane religion. Slavery was not forbidden because of the situation of that time. But there is scope for ‘qiyas and ijma’ (consensus and reconsideration) in Islam. That means any custom can be abolished.

Is free thinking becoming fatal in Bangladesh?

Manjary mahafaty ve ny fihevitra malalaka ao Bangladesh?  Is free thinking becoming fatal in Bangladesh?

Fanehoan-kevitra maniratsira 21:  Voalaza fa ‘fomba fiainana feno sy tsara indrindra ny Islamo’. Midika ve izany fa manankery mandrakizay ny fanandevozana?
Valinteny mafonja: Jereo, fivavahana vanona ny Islamo. Tsy voaràra ny fanandevozana noho ny toe-javatra tamin'izany fotoana izany. Saingy misy koa ny ‘qiyas sy ijma’ (marimaritra iraisana sy ny fanomezan-danja indray) ao amin'ny Islamo. Midika izany fa azo foanana izay fomba amam-panao rehetra.

Tamin'ny 2013, vondrona mpitondra fivavahana avy ao Chittagong, tarihin'ny Hefazate e Islam namoaka lisitra misy ireo bilaogera miisa 84 izay nampangain'izy ireo fa mpanoratra vontoaty mpanevateva antserasera. Nilaza ny tatitra vao haingana tao amin'ny gazety antserasera fa bilaogera valo tao anatin'ny lisitra no efa namoy ny ainy noho ny antony miharihary na mifono misitery. Tsy fantatra raha anisany tao anaty lisitra ny anaran'i Rahman na tsia.

Demaokrasia Parlemantera tsy ara-pivavahana i Bangladesh, izay midika fa tsy misy ny lalàna sharia na lalàna fanevatevana. Manan-jò tahaka ny olom-pirenena hafa ny olona milaza tena fa tsy mpino an'Andriamanitra. Na izany aza, araka ny voalazan'ny Fehezan-dalàna Famaizana Sampana 295A ao Bangladesh (1860), azo saziana an-tranomaizina izay olona “minia” na “tia sotasota” ka “mandratra ny fihetseham-po ara-pivavahana”. Nahatonga ireo vondrona Islamista ho tsimatimanota hatrany tao anatin'izay taona vitsy lasa izay ny tsy fandraisan'andraikitry ny fitondram-panjakana sy ny tsy fahombiazan'ny polisy. Nilaza ny vaovao omaly fa lasa toerana mampidi-doza ho an'ny malalaka fomba fiheverana ny firenena.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.