Tokantandroka Tafandositra Nampisahotaka Tsena tao Nepal

Image tweeted by Nepali blogger @janakdangol

Sary avy amin'ny blaogera Nepali @janakdangol

Tamin'ny marainan'ny 30 marsa, nisy tokantandroka iray nihazakazaka nanavatsava tsena iray be olona sady manakaiky hopitaly, nahafaty vehivavy iray 61 taona sy nandratra olona hafa maro, tao amin'ny tanàna iray 75 kilometatra atsimon'ny renivohitr'i Nepal, Kathmandu.

Nepal dia mampiatrano ny 534 amin'ny lalomena tokantandroka 3000 manerantany ahiana ho lany taranaka. Ny Valan-javaboarim-Pirenena Chitwan, 45 kilometatra miala io toerana nahitana ny trangan-javatra io dia ahitana tokantandroka 503.

Nahazo ny fankatoavana iraisampirenena i Nepal tamin'ny ezaka fitehirizana nataony sy ny fomba vaovao nampiharina hampihena ny famonoana ireo biby mpirenireny. ny valan'i Chitwan no ahitana ny faharoa betsaka indrindra ahitana ireo biby marefo an'isa indrindra manerantany izay manana lanja eoho eo amin'ny 2 ka hatramin'ny 3 taonina eo amin'ny ankapobeny. Ny fihazana no nampihena isa indrindra ny lalomena tokantandroka saiky nahalany tamingana azy tamin'ny fiandohan'ny taonjato faharoapolo. Ezaka fitehirizana henjana dia henjana no nampiakatrany isany tao anatin'ny taompolo vitsivitsy. Nanana anjara toerana goavana tamin'ny fitehirizana ny biby mpirenireny i Nepal. Tanelanelan'ny taona 2011 sy 2013, dia tsy nisy fihazana tsy ara-dalàna tao Nepal; tsy nisy tigra na lalomena maty novonoina na dia iray aza. 

Ny tranonkalam-baovao Nepali Pahilopost no nitatitra fa nirodorodo nanavatsava an'i Hetauda, tanàna iray ahitana mponina tokotokony ho 85000 eo ilay biby. Tsikaritra nanakaiky ny hopitalin'i Hetauda ilay biby ary nalaza tao anatin'ny fotoana fohy tao amin'ny media sosialy. Nisioka ny sary sy ny lahatsarin'ilay lalomena nihazakazaka manodidina ny tsena ny mponina tao an-toerana nialoha ny nitateran'ny gazety be mpanaraka ny fandosiran'ilay lalomena.

Lalomena mandositra hita ao amin'ny lahatsarin'i Kishan Poudel avy ao Hetauda

Nisioka i Kumar Paudel:

Lalomena nitrifatrifana nampihorohoro ny mponina nandritra ny nihazakazahany nanavatsava ny tanànan'i Hetauda

NIsioka ny mpanao gazety Ujjwal Acharya:

Lalomena tokantandroka iray niteraka sahotaka tao Hetauda, Nepal nipoitra tao amin'ny faritra iray be mponina.

Sarin'ny lalomenan'i Hetauda hita ao amin'ny Twitter

Ao Nepal; mpitranga ny fanafihan'ny biby mpirenireny mety mahafaty amin'ny toerana manakaiky ny valan-javaboary sy fitehirizana ny biby mpirenireny. Araka ny fanadihadiana tamin'ny 2008, dia nisy tigra 36 nahafaty olona 88 tanelanelan'ny taona 1979 ka hatramin'ny 2006 nanodidina ny Valan-Javaboarim-Pirenena tao Chitwan.

Ho fisorohana fanafihana toy izany, dia efa nanao fanentanana tamin'ireo vondrom-piaraha-monina manakaiky ireo tobim-pitehirizam-biby mpirenireny ireo ny governemanta sy ny fikambanana misahana ny fitehirizana. Misy ireo fepetram-piarovana manokana tahaka ny fefy ara-masoandro [?], andry sy lavaka namboarina manodidina ireo vondrom-piarahamonina marefo. 

Efa nanomboka namboly solila, zavamaniry mamokatra menaka menthol, sy chamomile [karazan-javamaniry vahiny azo atao dite na fanafody], amin'ny taniny ihany koa ireovondrom-piarahamonina manakaiky ireo tobim-pitehirizam-biby ireo.Tsikaritra manko fa tsy tian'ny biby mpirenireny ny fofon'ireo zavamaniry ireo, ary ny fambolena an-tsaha ireo vokatra ireo dia efa karazana fefy fiarovana sahady. Ny hevitra ambolena ireo zavamaniry ireo dia nekena ho iray amin'ireo fanatsaran-javatra 12 tsara indrindra manerantany nandritra ny Fizaran-Dokan'ny BBC International World Challenge tamin'ny 2011.

Raha mbola sahirana tamin'ny famerenana ilay lalomena ho an'ny amin'ny toby ny tompon'andraikitry ny toby sy ny manampahefana tao an-toerana ary ireo mpanolo-tena, dia heniky ny hanihany tamin'ny dian'ilay lalomenany media sosialy.

Olona iray manao kibokibo amin'ny fandosiran'ilay lalomena nisioka hoe:

Fa maninona ilay lalomena no tsy maintsy miditra ny hopitaly tahaka ny hoe dokotera.

Nisioka ny mpanao gazety hafa Kriti Bhuju:

[Hita] ho niantsena tao amin'ny Bazarin'i Hetauda ilay lalomena, hody izy rehefa mikatona avokoa ny fivarotana rehetra?

eto

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.