Mbola Any Am-pialokalofana Ilay Pakistaney Mpanoratra Gazety sady Bilaogera, Herintaona Taorian'ny Fanafihana Mahery Setra

Raza Rumi (far right) at a demonstration in Washington DC, following the slaying of Bangladeshi blogger Avijit Roy. Photo posted on Twitter by Raza Rumi.

Raza Rumi (farany havanana) nandritra ny hetsika tao Washington DC, taorian'ny famonoana ilay bilaogera Bangladeshita Avijit Roy. Sary navoakan'i Raza Rumi tao amin'ny Twitter.

Manamarihana ny tsingerintaona voalohany nanafihana ilay bilaogera Pakistaney sady mpaneho hevitra ara-politika malaza Raza Rumi ny 28 Martsa. Efa mpkambana tato amin'ny Global Voices i Rumi, nampidirina tao anatin'ny lisitra maintin'ny Talibana izy taorian'ny fanoherany ny firesahan'ny governemanta filaminana tamin'ny vodrona mpikomy tamin'ny taona 2014. Noraisin'ny hafa ho toy ny manohitra ny Islama ny fomba fijeriny mahay mandanjalanja. Raha nanomboka nitifitra ny fiaran'i Rumi tao amin'ny tsenan'i Lahore ireo lehilahy roa nitam-piadiana, namoy ny ainy ny mpamiliny 25 taona sady filazàny ny tsiambaratelony. Nankany Etazonia avy eo i Rumi fotoana fohy taorian'izay, noho ny fandrisihan'ny fianakaviany sy ny namany.

Nisambotra olona enina voarohirohy  tamin'ny fanafihana avy eo ny polisy ao Lahore. Nitatitra ny manampahefana fa niaiky sy nanao fanambarana milaza fa mpikambana ao amin'ny sekta voarara Lashkar e Jhangavi na LeJ, iray amin'ireo fikambanana mpikomy Sonita maherisetra indrindra ao Pakistan izay efa nandray anjara tamin'ny famonoana sektariana isan-karazany ireo olona voarohirohy enina ireo. Mialokaloka any Etazonia amin'izao fotoana izao, niresaka tamin'ny Global Voices i Rumi:

I believe that these men are unlikely to be convicted or to serve significant jail time. But no matter the outcome of the case, I believe that I am likely to be attacked by these terrorist organizations as they are operating with impunity and have thousands of members across the country.

Mino aho fa mety tsy ho voaheloka na hahazo sazy an-tranomaizina henjana akory ireo lehilahy ireo. Saingy tsy maninona izay hitranga eo, mino aho fa mety hotafihan'ireo fikambanana mpampihorohoro aho satria tsimatimanota sy manana mpikambana an'arivony manerana ny firenena izy ireo.

Mihevitra izy fa mbola marefo (mora iharan'ny fisamborana): “Raha tsy manomboka manafoana ny foto-drafitrasan'ny mpampihorohoro ny governemantan’ ny Pakistana, mino aho fa hijanona ho ambony sy atahorana hatrany ny mahamampidi-doza ahy.”

Araka ny tatitry ny media, tsy voampanga noho ilay raharaha fanafihana ny lehiben'ny LeJ, Malik Ishaq, ary navotsotry ny polisy tamin'ny fitànana azy. Hoy i Rumi tamin'ny Global Voices:

Given Malik Ishaq’s connection to my case, knowing that Ishaq has been able to orchestrate assassinations and terrorist attacks—even from behind bars, and hearing that Ishaq has recently been bailed out/released, I am extremely fearful for my safety in the event I were to return to Pakistan.

Mikasika ny fifandraisan'i Malik Ishaq amin'ny raharaha mahakasika ahy, fantaro fa nahavita nanatontosa famonoana olona sy fanafihan'ny mpampihoroho i Ishaq – na dia niakatra fitsarana aza, ary ny fandrenesana fa navotsotra vao haingana i Ishaq, dia tena matahotra mafy amin'ny fiarovana ahy rehefa hiverina any Pakistana aho.

Fandrahonana avy amin'ny Vondrona Media Sosialy Talibana
Na dia efa mialokaloka any Etazonia aza i Rumi, mbola mahazo fandrahonana an-tserasera foana izy. Taorian'ny fanafihana tamin'ny Novambra 2014 tao amin'ny sisintany andrefan'i Pakistana Wagah miaraka amin'i India izay namoizana ain'olona 50 sy naratra maherin'ny 100, nilaza fa tompon'andraikitra tamin'ny fanafihana i Jamat ul Ahrar avy ao amin'ny Taliban. Raha nahare izany i Rumi, dia nisioka momba izany. Nahita ny siokan'i Rumi ny mpitondratenin'i Jamat ul Ahrar, Ehsanullah Ehsan, mpitondratenin'ny Talibana teo aloha fantatra amin'ny fahavitrihany ao amin'ny media sosialiny ka namaly hoe:

Screenshot by Raza Rumi

pikantsarin'i Raza Rumi

@Razarumi, raha mbola velona ianao, dia fantaro fa mbola tadidinay tsara ianao”. Hoy i Rumi tamin'ny Global Voices, “nanamafy ny tahotro izany fa mbola mikasa hamono ahy ny vondrona mpikomy raha miverina any Pakistan aho.”

Nahazo hafatra hafa milaza ny fihetseham-pon'i Ehsan ihany koa i Rumi. Tamin'ny volana Septambra lasa, mpisera Twitter* iray nampitandrina an'i Rumi: “Tsy ho adino satria nahoana, notafihana [izy]  ary noho izany tsy hamindra fo izy ireo amin'ny manaraka”

Voampanga ho Mpiasan'ny RAW

Voampanga matetika ao amin'ny media sosialy ho mpitsikilon'ny sampam-pitsikilovan'ny governemanta Indiana fantatra amin'ny hoe Research and Analysis Wing (RAW) i Rumi. Ao Pakistan, mitovy amin'ny fiampangana ho mpamadika izay mety hanamarinana vono olona ny fiantsoana olona ho mpiasan'ny “RAW” 

Tamin'ny 29 Aogositra 2014, nahazo hafatra tao amin'ny Twitter i Rumi * izay nilaza fa tokony hahantona (hovonoina ho faty) izy. Hoy ny vakin'ny sioka:

U SON OF A WHORE, I KNOW UR SON OF WHORE STOP SERVING UR $$ MASTERS, BASTARD U SHOULD B HANGED TRAITORS LIKE U WILL B SOON.

IANAO RY ZANAKA LAHIN NY MPIVARO-TENA, FANTATRO FA NIJANONA TSY NANOMPO NY TOMPONAO $$ INTSONY IANAO ZANAKALAHIN'NY MPIVARO-TENA. TOKONY HAHANTONA NY MPAMADIKA TAHAKA ANAO, ANJARANAO NY ATSY HO ATSY.

Nitatitra i Rumi fa mpisera Twitter* iray hafa koa nilaza fa “nanantena izy fa mety hovonoina amin'ny fanafihana famonoan-tena ataon'ny Al Qaeda aho” rehefa nilaza izy fa tsy India izany, fa vondrona telo miaraka amin'ny Taliban izay tompon'andraikitra tamina fanafihana iray.

Maniry mafy isan'andro hiverina sy handehandeha an-kalalahana ao an-dalamben'i Lahore i Rumi, saingy ao anatin'izany, raiki-tahotra amin'izay mety hitranga aminy raha miverina izy. Ary ampahatsiahivina azy foana ireo fandrahonana ao Pakistan. “Nampitandrina ahy daholo na mpanoratra gazety sasany, ny namako, sy ny fianakaviako fa mino izy ireo ho hampijaliana sy hovonoina ho faty aho raha miverina.” Na dia lavitra aza, manohy ny tolony manohitra ny extremisma sy mampiroborobo ny fiarahamonina misokatra sy mahalefitra i Rumi.

* Fanamarihan'ny mpamoaka lahatsoratra: Nozarain'i Raza Rumi tamin'ny Global Voices ny pikantsarin'ireo sioka voalaza ireo. Noho ny antony fiarovana azy, tsy havoakanay ireo sary na ny anaran'ireo mpandefa izany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.