Niaiky Ny Hadisoany Tao Amin'ny Aterineto Ireo Teratany Japoney ‘Netto-Uyo’ Mpanavakava-Bolon-Koditra Teo Aloha

1280px-Zaitokukai_rally_at_Shinjuku_on_24_January_2010

Diaben'ireo Japoney avy amin'ny elatra farany havanana tao Tokyo. Sary nalaina tao amin'ny: Wikipedia.

Ny fanavakavahana ny firenena hafa sy ny kolontsaina hafa matetika no tena fototry ny fifandirana sy ny fifankahalana manerana an'izao tontolo izao.

Raha izay no izy, tena fantatsika tokoa ve ny antony voalohany nahatonga ny fanavakavaham-bolonkoditra ary ahoana no afaka ataontsika mba hanakanana azy tsy hiparitaka? Afaka hanakarantsika ny momba io resaka io ireto fiaiken-kelokatamin-pahasahiana manaraka ireto, nataon'ireo mpanohana fahiny ny lahateny misoritra fanavakavaham-bolonkoditra tao Japana.

Lazain'ilay mpampiasa Twitter @New-OC-MAN fa noho izy mahatsiaro tena ho manirery sy nohon'ny faniriany mafy ny hanamaivana ny fahanginany no nahatonga azy nanatevin-daharana ireo mpankahala ny Sinoa sy ny Korea Atsimo ary nivondrona tamin'ireo mpanao hetsika tao amin'ny aterineto tao Japana antsoina hoe netto-uyo (ネット右翼)  — izay mpaneho hevitra manohana sy mandrisika ny fomba fijerin'ny elatrafarany havanana mpanavakava-bolonkoditra.

Rehefa mijery fahitalavitra aho any an-trano, dia mahatsapa fa miha-malaza hatrany ankehitriny ny karazam-pandaharana izay ahitana ireo vahiny maneho ny fitsiriritana an'i Japana. Izaho manokana dia mieritreritra fa mampatahotra ihany izany satria tamin'ny mbola hikikomori aho fahiny [nihatakataka be tamin'ny fiarahamonina], dia lasa zatra mamaky betsaka amin'ireny vohikala izay manangona ireo teny maneho fitsiriritan'ireo teratany vahiny an'i Japana, ary izay no nahatonga ahy saika lasa akaiky be an'ireo netto-uyo [mpaneho hevitra amin'ny aterineto imanohana sy mandrisika ny fomba fijerin'ny elatrafarany havanana mpanavakava-bolonkoditra]…

Tamin'izaho mbola hikikomori fahiny ary nijaly mafy tamin'ny aretin-tsaina nandritra ny folo taona , dia ny namaky ny zavatra voalaza tao amin'ireny vohikala izay manangona teny maneho fitsiriritana an'i Japana nataon'ireo teratany vahiny ireny no hany nataoko ary nahatsapa  ho toy ny nahazo teny fampaherezana avy amin'izy ireny aho.  Tamin'izany fotoana izany aho dia nieritreritra ho tafasara-bazana tanteraka tamin'ny fiaraha-monina mihitsy eo amin'ny lafiny rehetra. Ny hany sisa voatazona dia ny zom-pirenena maha teratany “Japoney” aho.

Ka rehefa mahita olona mampiseho ny fitiavany an'i Japana aho dia nahatsapa toy ny hoe tia ahy koa izy ireo…

…Arakaraky ny nanohizako ny fahazarana nitsidika ireny vohikala ireny, matetika  ny rohin-dry zareo no mitondra ahy mankany amin'ny vohikala hafa izay ahitako teny misoritra fanavakavaham-bolonkoditra miantefa amin'i Shina sy Korea. Nanomboka teo dia lasa nihamafy hatrany ny finoako ny amin'ny hoe “Tena matanjaka i Japana!” ary izay no nahatonga ahy mora resy lahatra fa marina avokoa ireo fanehoankevitra manaratsy rehetra nolazaina momba ireo firenena roa ireo.

Soa ihany fa afaka nanam-pahafahana ny ho tonga saina irery i  @New-OC-MAN fa tsy marina ireo voalaza rehetra ireo.

Ny nahatonga ahy nanomboka nanana ahiahy mikasika ireo voalaza ireo dia satria tsapako fa tsy manana famindram-po ho an'ny vehivavy mihitsy izy ireo. Menatra aho ny hilaza hoe tsy nanana olana mihitsy aho mahita ireo teny fanavakavaham-bolonkoditra ireo rehefa mitifitra ireo vahiny sy ny firenena avy any ivelany, kanefa raha vao miantefa amin'ny vehivavy toa ahy izany, dia tsapako ihany nony farany fa tsy mitombina velively ireo fanohanan-kevitra ireo ary tena mahatsiravina…

Raha araky ny hevitr'i Tsukushi Kawai izay nanoratra tao amin'ny bilaoginy, ankoatran'ny fialàny amin'ny fahanginany, dia ny fahafinaretana mizara vaovao izay tsy ananan'ny hafa no nahatonga azy tafiditra lalina tamin'ny fanaovana teny misoritra fanavakavaham-bolonkoditra.

さみしかったわけだ。暇だったのもある。だからネットに熱中した。当時はやり始めていたまとめサイト。あれを読むとね、学校やテレビでは「得られない情報」に触れることができたんだと当時は思った。そしてそういう情報を見知らぬ「誰か」だったとしても、共有できるのはうれしかったな。しかも天下国家を論じる話ばかりだ。自分が偉くなった気がしたね。 [中略] あの当時の自分は、韓国の人を馬鹿にした、あるいはもっと酷い言葉でののしられた文章を見てもなんとも思わなかった。単に罵られている側の人を知らなかったからかもしれんが…自分と違う世界に住む人が何を言われようが、正直どうでもよかったんだと思う。

Nahatsiaro ho nangina irery aho ary tsy nahita zavatra hatao tamin'ireny fotoana ireny. Ka izany indrindra no nahatonga ahy nandany fotoana betsaka teo amin'ny aterineto. Azo ampitahaina amin'ireo fanangonana vohikala mahatsikaiky “matome” ihany izy io izay nanomboka nihanalaza tao Japana. Taorian'ny namakiako ireo vohikala izay nifantoka manokana tamin'ny fanavakavahana, nahatsapa aho hoe goavana satria nihevitra fa nahazo fahalalàna tsy nampianarina tany an-tsekoly na afaka hitanao tamin'ny fijerena fahitalavitra.

Lehibe ihany koa ny hafaliako satria nizara io fahalalàko io aho tamin'ny “olon-kafa” na dia tsy hitako maso mivantana aza izy ireo. Ny lohahevitra notafatafainay matetika dia  nikasika ny fomba hamerenana an'izao tontolo izao ho toy ny teo aloha. Ka dia mba nahatsapa aho fa olona manan-danja…

Tsy manelingelina ahy akory na kely aza ny nahita teny mananihany ireo Koreana na  zavatra hafa mbola ratsy noho izany. Anisan'ny anton'izany angamba ny tsy fahafantarako na inona na inona mikasika an'i Korea sy ny vahoaka Koreana…

Amin'ny lafiny rehetra, miavaka tanteraka amin'ny fomba fiainako mihitsy ny azy ireo ary am-pahatsorana no hilazako fa tsy nampaninona ahy mihitsy izany.

Nilaza i Tsukushi fa ny fifanenàny tamin'ny olon-kafa sy ny fahafantarany ny fisian'ny olona tso-po sy mahafinaritra tamin'ny alalan'ny famakiana boky no anisan'ny nanampy azy hiala tamin'ny fananana fomba mijery manavakava-bolonkoditra.

俺がネトウヨを辞めた理由は、3つある。 一つは、一応大学に入れてもらって…今度こそ友達を作ろうとして、いろいろと自分なりに努力したから。 [中略] 見知らぬ人と情報を共有してさみしさを紛らわせる必要もなかった。 二つ目は、たくさん本を読んだからネトウヨ的な考え方がばかばかしく思えるようになったこと。 ネトウヨ時代に見聞きした、愛国サイト、いかがわしい書き込み、そして「保守本」(日本は素晴らしいからこの国を愛そうみたいな)とは違う種類の本を読んだ。自分が特に熱中したのは、昭和維新の生き残りの人の本とプロレタリア文学の人の本だ。詳しくは触れないけど…あの人たちの本には「なぜ自分がこの国を愛そうとおもったのか」とか「なぜ自分が貧しい人々を救いたいのか」が明確に書かれた。昭和維新の生き残りの方でいうならば、軍人として戦場で戦った経験、貧しい部下の新兵の家庭の事情を知ったこと…とかかな。プロレタリア文学ならば、自分が労働者として実際に働いた経験、そこで見聞きした経験なんかが克明に描いてあった。そういう経験を踏んだうえで、今の世の中は間違っている、だから正さなきゃならないんだ…とちゃんと書いてあった。

Misy antony telo nahatonga ahy niala tamin'ny netto-uyo.

Ny voalohany indrindra amin'izany dia ny fidirako nianatra tamin'ny anjerimanontolo iray ary tamin'io fotoana io aho no tena nanao ezaka mafy mihitsy mba hanana namana marobe…avy eo, tsy nilaiko intsony ny nanamaivana ny fahanginako tamin'ny alalan'ny fizaràna ny fomba fijeriko tamin'ny olona tsy fantatro tao amin'ny aterineto.

Ny antony faharoa dia ny boky. Nanomboka hitako ho hafahafa ny fijerin'ireo netto-uyo taorian'ny namakiako boky maro be. Namaky boky karazany maro aho fa tsy ilay iray nahazatra ahy teo aloha izay nandrisika ny fanehoana ny fitiavan-tanindrazana amin'ny alalan'ny fanohanan-kevitra faran'izay tsotra sy tsy mitombina izay efa nahazatra ahy loatra fony aho mbola netto-uyo.

Tao anatin'ireo boky novakiako matetika dia nisy ny tantaran'ireo velon'aina tamin'ny Showa Ishin sy ny tantaran'ny literatioran'ireo mpitrongy vao homana. Tsy hiditra amin'ny antsipirihany aho, fa hitako teny amin'izy ireo ny fanehoana mazava tsara ny antony hitiavany ity fireneny ity na koa ny antony mahatonga azy ireo te-hanampy ny mahantra.

Ohatra amin'izany, ireo velon'aina tamin'ny Showa Ishin dia nitantara ny tranga niainany nandritra ny ady nataony tamin'ny naha-miaramila azy sy ny fahantrana faratampony izay tsy maintsy niainan'ny fianakavian'ireo miaramila zazavao voatery miaritra ny baikon'izy ireo.

Tamin'ny alalan'ny literatioran'ireo mpitrongy vao homana no nahafantarako tamin'ny antsipirihany momba ny fepetraniasàn'ireny mpanoratra ireny sy ny zavatra hitany sy henony tany. Niainga tamin'ny zavatra niainany no nametrahany fanohanan-kevitra mazava tsara sy marim-pototra izay milaza fa ny tontolo niainany dia tsy nandeha tamin'ny lalana tokony ho izy ary nila naverina amin'ny laoniny.

Mitatitra ihany koa i Tsukushi fa niaina karazana fanafahana ara-panahy izany izy:

[中略] そしてもう一つ…。それは俺が障害者施設にかかわり始めたこと。 [中略] 見た目は、涎を垂らしているような人でも、何度も話すうちにこの人にも趣味があるんだなーとか、家族がいるんだよなーとか…そういうことを思うようになった。結局ね、見た目は違っても、あるいはできることが違っても、人間ってのはどこかしら似たようなものなのだと…なんとなくだけど気づけた。

Ary ny antony farany dia nandray anjara tamin'ny andro natokana ho an'ireo kilemaina teny amin'ny toby misy azy ireo aho…

Tany no nahatsapako, ohatra, taorian'ny nitafatafako tamin'ny olona iray somary be rarakivy matetika, fa nanana ny fanalàn'androny izy ireo ary nanana fianakaviana nolalaina ihany koa. Tonga saina aho nony farany, fa mitovy daholo isika rehetra na dia samy manana ny endriny ivelany sy ny zava-bitany ary ny kilemany aza.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.