Ireo Fanambin'ny Fiainana Any Ambanivohitra Atao Tahirinkevitra

School in Kanal Province courtesy of Uncle Thon.

Sekoly ao Amin'ny Faritany Kanal, sary avy amin'ny Uncle Thon.

Matetika tsy mba re ao anatin'ny tontolon'ny aterineto ireo feo avy any ambanivohitr'i Kambodza. Noho ny asan'ny Foibe Kambodziana ho an'ny Zon'Olombeldona (CCHR), mampiofana sy manohana ireo vehivavy bilaogera vaovao avy amin'ny fiarahamonina ambanivohitra manerana ny firenena ny tetikasa iray vaovao iray, izay ahafahan'izy ireo mianatra mitantara antserasera ny fiainan'izy ireo. Nitondra azy ireo ho any Phnom Penh renivohitra izany fianarana ambony ataon'ireo tanora ireo izany, mba ahafahan'izy ireo mitrandraka ity tetikasa ity ary hifandray amin'ny olon-kafa mitovy fijery sy traikefa.

Ny tetikasa antsoina hoe “Empowering Cloghers (Mampahery ireo Cloghers)” no nahavita vao haingana ny dingana voalohany rehefa nahazo vatsy avy amin'ny Rising Voices tamin'ny taona 2014. Ny voambolana hoe “clogher” ao Kambodza dia midika hoe vehivavy bilaogera. Ankoatra ny atrikasa mikasika ny fomba famoronana sy fandrindrana ny sehatra manokan'izy ireo ao amin'ny habaka amin'ny fampiasana ny WordPress, nandrisika ireo cloghers vaovao ihany koa ny mpampiofana mba hizaha momba ireo olana sy ny zava-tsarotra atrehin'ny ambanivohitr'i Kambodza, ary koa hanome ambangovangony mikasika ny fiainana andavanandro ao amin'izany faritra ambanivohitra izany.

Mba hamoahan'ireo cloghers vaovao ireo ny tsara indrindra, nikarakara fifaninanana hahitana izay lahatsoratra bilaogy mahaliana indrindra ny tetikasa, ka mpandresy telo no voafidy. Nandritra ny lanonana antsoina hoe “Cloghers Corner” notontosaina tamin'ny Novambra 2014, nomena fankasitrahana ireo telo mpandresy sy mpandray anjara rehetra tamin'ny tetikasa. Sombiny tamin'ireo lahatsoratra bilaogy nandresy ireto manaraka ireto:

Endriky ny Asan'ny Vehivavy eo amin'ny Sehatry ny Fanenoman-damba

Maro amin'ireo tambanivohitra Kambojiana no mila mifindra monina amin'ny toeran-kafa ao amin'ny firenena mba hahitana asa maharitra. Na izany aza, matetika tsy mba voamarika aty ivelany ny hamafin'ny tontolon'ny asa atrehin'izy ireo, indrindra eo amin'ny sehatry ny fanenoman-damba, araka ny tombana navoakan'ny Minisiteran'ny Varotra, fa vehivavy avokoa ny 90%n'ireo mpiasa amin'io sehatra io, izao mitotaly eo amin'ny 300 000 eo. Fanampin'izany ny karama ambany loatra izay tsy ampy hamelomana fianakaviana, miatrika zava-tsarotra hafa isan-karazany ihany koa ireo mpiasa ireo. Niresaka tamin'ny sasany tamin'ireo mpiasan'ny fanenoman-damba ireo i Sum Dany, ary ampitainay ndray ny sasany amin'ny endrikendriky ny asan-dry zareo.

ក្នុងនោះ ផង ដែរ មាន នារី ម្នាក់ ទៀត ដែល ធ្វើការ ក្នុង រោង ចក្រ ក្បែ គ្នា នោះ និយាយ ថា “សហជីព របស់ ខ្ញុំ មិន តឹង តែង ពេក ទេ តែ ពិបាក រឿង បន្ទប់ ទឹកឲ្យ តែ ចេញ ចូល លើស ពីរ បី ដង តែង តែ សួរ ឬ ស្តីឲ្យ ហើយ។ ហើយ អ្វី ដែល ពិបាក បំផុត គឺ គ្រូ ពេទ្យ សម្តី អាក្រក់ ណាស់ និង មិន មាន ថ្នាំ ប្រើប្រាស់ គ្រប់ គ្រាន់ នោះទេ ពេល មាន មនុស្ស ឈឺ ម្តងៗ ហើយ គ្រាន់ តែ យក អ្នក សន្លាប់ ទៅ ដាក់ លើ គ្រែ ពេទ្យ និង យក ព្រេង ក្រឡា មក កោស ខ្យល់ ឲ្យ គាត់ មិន ឲ្យ ដាក់ លើ គ្រែ ពេទ្យ នោះ ទេ ខ្លាច ស្អុយ ពិបាក ណាស់ ធ្វើ អី ក៏ ហាមៗ ក្រែងគ្រែពេទ្យនៅទីនេះទុកសំរាប់ដាក់មើលកម្មកររោងចក្រដែលឈឺហែ៎ ”។ ជា ការពិត រោងចក្រ មួយ ចំនួន មើល ពី សំបក ក្រៅ ហាក់ ដូច ជា គោរព ច្បាប់ ការងារ បាន ល្អណាស់ តែ នៅ ខាង ក្នុង វិញ មាន ការ រំលោភ បំពាន សិទ្ធិ ពលក ម្មយ៉ាង ធ្ងន់ ធ្ងរ លើ កម្មករ កម្ម ការណី ក្នុងពេលកំពុងធ្វើការ។

Ao anatin'izany toe-javatra izany, vehivavy iray miasa amina orinasa tsy dia lavitra nilaza hoe: “Tsy dia mihenjana loatra ny sendika misy ahy saingy ny manahirana ahy dia ny fotoana handehanana any amin'ny efi-pivoahana, tsy mahazo mivoaka mihoatra ny in-telo izahay raha tsy izany dia hadihadiana na mahazo tsiny. Ny tena mafy indrindra dia ny dokotera, masiaka loatra ny fitenin'izy ireo ary tsy ampy ny fanafody rehefa misy marary. Hoentin'izy ireo eo ambonin'ny fandriana ary horina fotsiny ireo izay torana. Tsy avelan'izy ireo hapetraka ao amin'ny fandrianan'ny hopitaly izay marary noho ny fofona, tena mafy izany. Manome tsiny anay hatrany ireo mpitsabo sy mpitsabo mpanampy. Manontany tena aho hoe natao hoan'iza ny fandriana, raha tsy hoan'ny mpiasa marary? “Eny tokoa, misy ireo orinasa sasany heverin'ny aty ivelany fa orinasa tsara manaja ny lalàna saingy feno fanitsakitsahana ny zon'ny mpiasa ao anatiny.

Mitolona Mafy ny Fianakaviana Ambanivohitra Mba Handefa Ny Zanany Any An-tsekoly

Raha miha-betsaka ireo mpianatra avy amin'ny faritra ambanivohitra no tonga mamonjy ireo tanàndehibe mba hanohy ny fianarana aorian'ny ambaratonga faharoa, dia tany amin'ny sekoly ambanivohitra no nahavitan'ny ankamaroan'ireo tanora ireo ny fianarana ambaratonga voialohany sy faharoa. Miatrika zava-tsarotra ireo fiarahamonina ireo rehefa ilaina hanao raharaha ao an-tokantrao ireo tanora ireo na asa mifandraika amin'izany. Manao ny ataony ihany koa ny fahantrana fa maro ny ray aman-dreny no tsy mahaloa vola ahafahan'ny zanak'izy ireo hanohy fianarana, indrindra rehefa fotoana handoavana fanampim-bola  mifandraika amin'izany.

Nanoratra momba ny rafi-pianarana ao amin'ny Faritany Kandal, ao atsimo-atsinanan'i Kambodza i Chroeng Sopheakvirya, sy ny fomba hahazoana tombotsoa hafa, mandoa vola fanampiny amin'ny fampianarana fanampiny ho an'ny mpampianatra ambanivohitra ny ray aman-dreny. Na dia izany aza, misy ireo ray aman-dreny sasany tsy afaka mandoa vola fanampiny, saingy mitohy araka ny mahazatra kosa ny fampianarana:

Parents sometimes owe the payment, but their children still come to class, and teachers still teach them as usual. This kind of situation occurs as a result of understanding. Teachers said they cannot send students back home while those children try very hard to come to class. Teachers further told that they have no choices beside waiting until students’ parents have money to pay or teachers often insist them to pay if there is no payment for 2 or 3 months. Some students comes from poor family, but they are outstanding, so teachers cannot leave them out.

Indraindray misy vola mbola tokony aloan'ny ray aman-dreny, saingy mbola tonga any am-pianarana hatrany ny zanak'izy ireo, ary mbola mampianatra azy ireo toy ny mahazatra ny mpampianatra. Miseho izany toe-javatra izany noho ny fahalalana ny zava-misy. Nilaza ireo mpampianatra fa tsy afaka handefa ireo mpianatra hody any an-tranony satria miezaka mafy ho tonga any am-pianarana ireo ankizy ireo. Nilaza ihay koa ireo mpampianatra fa tsy manan-tsafidy izy ireo ka tsy maintsy miandry mandra-paha-manambola ireo ray aman-drenin'ny mpianatra na matetika manantitrantitra azy ireo ny mpampianatra mba handoa vola raha toa ka mbola tsy voalòa ny 2 na 3 volana. Avy amin'ny fianakaviana mahantra ny sasany amin'ireo mpianatra, saingy matsilo izy ireo, ka tsy afaka handao azy ireo ny mpampianatra.

Fanadiovana Renirano ao Phnom Penh

Photo by  Cheng Sreymom.

Fanadiovana renirano ao Phnom Penh. Sary avy amin'i Cheng Sreymom.

Amin'ny ezaka hifandray sy hiditra an-tsehatra bebe kokoa ao amin'ny manodidina azy ireo, mpianatra maro no mandray anjara amin'ny hetsika ao an-toerana. Nandray anjara vao haingana tamin'ny fanadiovana renirano manamorona ny Renirano Tonlé Sap sy Mekong, izay anisan'ireo kitro ifaharan'ny zavaboary ao an-tanàna i Cheng Sreymom. Indrisy, niharan'ny loto tafahoatra ny renirano noho ireo fako atsipy ao anatiny. Ahitana fako ihany koa ny moron-drenirano, ka nanatevin-daharana ny ezaka fanangonana ireo fako izy mba hahatonga ity fiarahamoniny vaovao ity ho mahafinaritra kokoa, ary nanoratra ny antony nahatonga azy handray anjara.

ជាការ ពិត តាម ដងទន្លេជា តំបន់ ទេស ចរណ៍ យ៉ាង ទាក់ ទាញ នៅ ក្នុងទី ក្រុង ភ្នំពេញ យើង ទាំងភ្ញៀ វជាតិ និងភ្ញៀវ អន្តរ ជាតិ ដែល តែងតែ មកកំ សាន្តដើម្បីស្រូម យក ខ្យល់អា កាស បរិសុទ្ធ និង សំរាកលំ ហែជា លក្ខណះ គ្រូសារ ជា ដើម។ ប៉ុន្តែ វាគួរ អោយសោក ស្តាយ ដោយសារ ប្រជា ពល រដ្ឋ មួយ ចំនួនខ្វះ ការ យល់ដឹងពីបញ្ហា បរិស្ថាន ដែល ពួក គាត់បា នបោះ សំរាម ចោលពុំ បាន ត្រឹមត្រូវដែល ធ្វើអោយ កន្លែង ទេស ចរណ៍ពោ ពេញទៅ ដោយបរិ ស្ថាន កខ្វក់ សំរាម ស្អុយ រលួយ ធំខ្លិនមិ ន ល្អ ធ្វើអោយ ភ្ញៀ វទេ សច រណ៍វា យតំលៃ ដល់ សង្គម ជាតិ យើង ទាំ ងមូល។ នាងខ្ញុំ Apochcheng ជាពល រដ្ឋ ខ្មែរ មួយ រូប ដែល បាន ចូលរួម ជួយ ក្នុង យុទ្ធនា ការណ៍ សំអាត បរិ ស្ថាន នេះ។ ខ្ញុំ មាន អារ ម្មណ៍ ថា យើង ទាំង អស់ គ្នា ត្រូវ នាំ គ្នា ផ្លាស់ ប្តូរ ទំលាប់ មិន ល្អ ចេញ ដើម្បី អភិវឌ្ឍ ខ្លួន យើង អោយ ខ្លាយ ទៅ ជា ពល រដ្ឋល្អ ដែល មាន សិល ធម៌ ល្អ សំរាប់ យើង និង សង្គម ជាតិ ទាំង មូល មានតែ ខ្មែរ យើង ទាំង អស់ គ្នា ទេ ដែល ជួយប្រ ទេស យើង អោយ រីក ចំរើន បាន។

Iray amin'ireo toeram-pizahantany manintona ao Phnom Penh ny renirano, na mpizahantany ao amin'ny firenena izany na avy any ivelany ary matetika mitsidika eto ny fianakavian'izy ireo mba haka rivotra madio sy hiala sasatra. Na izany aza, tena mampalahelo satria misy amin'ireo olom-pirenentsika no tsy manana fahalalana momba ny tontolo iainana, ka manipy fako tsy am-piheverena ary mahatonga ny toeram-piizahantany ho maloto sy mamofona ary mitarika ireo mpizahantany ho diso fijery momba ny fiarahamonintsika  Izaho, Apochhceng dia iray amin'ireo olom-pirenena nandray anjara tamin'ny fanentanana hanadio ny tanàna. Tsapako fa mila manova ny fahazaran-dratsintsika isika rehetra mba hivoatra ka ho lasa olom-pirenena vanona manana fitondran-tena tsara ho an'ny tenantsika sy ny fiarahamonintsika manontolo.

Raha efa nifarana ny dingana voalohany amin'ny tetikasa, nandrisika ny CCHR hitady fomba vaovao ho fanohanana ireo feo vaovao ny traikefa fiarahamiasa tamin'ny cloghers vaovao manerana an'i Kambodza. Mitady fanangonam-bola antserasera hantontosàna ireo hetsika hoavy ny Tale Mpanatanteraka ao amin'ny CCHR, Sopheap Chak .

Misaotra an'i Ramana Sorn tamin'ny fandikana ny lahatsoratra Khmer ho amin'ny teny Anglisy

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.