Korea Atsimo: Nabaribarin'i Hyo-ri mpanjakan'ny K-pop ny olana momba ny fakan-tàhaka

Ny rakikira faha-efatra navoakan'ilay mpanjakavavin'ny pop Koreana Tatsimo Lee Hyo-ri dia namelona adihevitra tamin'ny aterineto momba ny fakàn-tahaka ao amin'ny firenena noho ny famborahan'i Hyo-ri fa ny hira enina amin'ny rakikirany faha-efatra ‘H-logic’ dia dika tsy ara-dalàna avokoa. Miady hevitra momba izay tena zava-nitranga ireo mpitoraka blaogy, momba ny hoe iza no hokianina ary nahoana ny fakan-tàhaka no manakorontana ny indostriam-pirenena momba nyhira.

sarin'i Lee Hyo-ri nalaina mpankafy iray.

Lee Hyo-ri dia fanta-daza amin'ny pop Koreana Tatsimo sy matihanina efa nahavita fampisehoana tanatin'ny 13 taona, izay mandray karama efa ho 10 arivo tapitrisa Won Koreana ( 8.1 tapitrisa dollars) isan-taona, araka ny tatitr'ireo fampahalalàm-baovao ao an-toerana. Manana mpankafy maro maneran-tany izy noho ny fisehoany matetika amina fampisehoana sy ireo hira sy dokambarotra maro mifangaro. Vao nivoaka ny rakikiran'i Hyori fahaefatra dia nalaza avy hatrany, nefa koa avy hatrany dia niteraka ahiahy fa toa mitovy loatra ireo hirany sasany ka mety tsy tena azy. Nandà izany ny orinasa mpiantoka an'i Hyori raha tsy izy mihitsy no nanazava tamin'ny volana Jona fa ireo hira enina izay azony tany amin'ilay tarika mpamoron-kira Bahnus Vacuum dia nalaina tahaka tamina hira vahiny. Tao amina fanambaràna ofisialy dia namoaka lahatsoratra i Hyori tao amin'ny sehatra fifandraisany amin'ireo mpankafy, naiky izy fa tena dika tsy ara-dalàna tokoa ireo hira niteraka disadisa ary miala tsiny amin'ireo izay nahatsapa ho tohina tamin'izany fihetsiny izany izy sady hiato kely  amin'ny sehatry ny mozika aloha izy. Bahnus izay nanome azy ireo hira kosa dia tsy mbola nanao fanambaràna ampahibemaso taorian'ireo fiakena ireo.

Na dia olana resahina matetika aza ny fakan-tàhaka any Korea, tsy fahita firy izany mpihira miaiky tanteraka izany. Ny ankamaroan'ireo mpitoraka blaogy dia nidera ny fiaiken'i Hyori ho fihetsika feno herim-po. Nilaza ny Nilaza ilay mpitoraka blaogy Eunkoung8072 fa toe-tsaina mahamenatra ny fakan-tàhaka ary fahafaham-baràka ny fihetsik'ireo mpihira hafa amin'izany, fa i Hyori kosa dia ohatra tsara ho azy ireo.

그래도 자신의 잘못을 인정하고 모든 것을 밝힌 이효리의 용기는 인정할 만 하다. 물론, 박수 받을 만한 사건은 아니다…다만 나는 많은 이들이 표절을 하고도, 이를 인정하지 않거나 잠적해 버리는 많은 이들에 비해 공식적으로 사과문을 발표한 이효리가 그래도 대단하다는 것이다.

Tokony ekena ny herim-po nasehon ‘i Hyori tamin'ny fiaikena ny fahadisoany sy ny fanazavany ny zava-drehetra.Na izany aza anefa dia tsy toe-javatra tokony deraina mihitsy izao zava-miseho izao. Tena mifanohitra tanteraka amin'izay fihetsik'ireo mpihira hafa izay tsy miaiky mihitsy ny zava-bitany ary tonga dia manjavona tampoka raha vao mivoaka ny marina. Zava-debibe ny nanaovan'i Hyori fifonana ampahibemaso.

Hafahafa loatra ny fitovian'ireo hirany nahabe resaka amin'ireo hira tena izy ka ampy niteraka ahiahy. Ireo hira voamarina fa nalain-tàhaka dia ‘Bring it Back’ (nadika tamin'ny hira ‘Boy Bring it Back’ an'ilay tarika vehivavy Kanadiana Cookie Couture), I'm Back (nadika tamin'ny hiran'ilay mpihira Kanadiana Lil Precious ‘So Insane’), ‘Memory’, ‘Feel the Same’, ‘How Did We Get,’ ‘Swing’ ary `Highlight’. Raha tianao hamarinina ireo hira dia tsindrio eto. Ireo hiran'i Hyori niteraka disadisa dia arahin'ireo hira tena izy mitovy aminy.

Ireo tsikera dia manameloka an'i Hyori sy ny orinasa mpiantoka azy, Mnet, iray amin'ireo fahitalavitra lehibe indrindra misahana ny mozika any amin'ny firenena, noho ny tsy firaharahiana ny ahiahy naterak'ity fitoviana tsy azo iadian-kevitra ity. Nanambara ilay mpitoraka blaogy Ourvillage fa tara loatra ny fandraisana fepetra sy ny fialàna tsiny taorian'ny nanararaotan'izy ireo tamin'ny tombombarotra azo tamin'ilay rakikira nandritra ny roa volana be izao.

4집 앨범이 발표되었을 때 이미 많은 사람들이 4집 앨범의 곡들을 표절이라고 비판했지만 이효리측과 엠넷 미디어는 곡들의 표절 여부를 철저하게 조사하지 않았다. 그야말로 안일한 대처였다. 이렇게 석연찮은 태도를 보여놓고 이제 와서 표절이라고 공식 언급을 하고 활동을 중단하겠다는 이효리 측이나 엠넷 미디어가 너무 무책임하게 느껴진다.

Fony vao nivoaka ilay rakikira fahaefatra, maro ireo olona niahiahy fa fakàn-tàhaka ireo hira, nefa ny avy amin'i Hyori sy Mnet kosa dia tsy nanadihady lalina momba izany fa nipetra-potsiny. Ankehitriny ry zareo manao fanambaràna am-pahibemaso ary manambara fisindàna, taorian'iny fandrindràna mamoafady tsy mandresy lahatra iny. Tena tsy mpandray andraikitra mihitsy ry zareo.

Efa ela no nanorisory ny tontolon'ny pop Korean ny fakàn-tàhaka, nanomboka tamin'ny 1960 ny hiran'i Lee Mi-ja ‘Island Teacher’ izay dika avy amina hira Japoney,  ka hatramin'ny tranga vao haingana indrindra momba ilay tarika “boys band” CNBLUE sy G-Dragon avy ao amin'ny Big Bang (tarika “idol” K-pop). Ny “single” an'i CNBLUE ‘I’m an Outcast’ dia nomelohina ho nandika ny hira ‘Blue Bird’ an'ny tarika Indie ary ny hiran'ny tarika manokan'ilay mpikambana ao amin'ny Big Bang, G-Dragon ‘Heartbreaker’ dia notsikeraina ho fakàn-tàhaka ny hiran'ilay mpanao rap Amerikana Flo Rida ‘Right Round’.

Miha-betsaka hatrany ny fiahiahiana ny fakàn-tahaka ankehitriny. Maro ny olona no mahita fa manome fomba maro ahafahan'ny olona mihaino ny hiran'ireo mpihira vahiny ny aterineto, ka miha-sarotra ho an'ireo mpamoron-kira ny hanao ny mpihaino ho toy ny adala. Niteny ny mpitoraka blaogy iray ao amin'ny Liveblog fa ireo mpampiasa aterineto dia afaka mahafantatra avy hatrany ny hira nalaina tahaka ary ho voasakana ny tetika fakàn-tàhaka.

최근 네티즌들의 안목이 높아지고 인터넷이 발전함에 따라 비슷한 노래를 베끼면 바로 비슷하다는 글이 올라온다…절대로 표절을 해서 잘 될 것이라고 보면 안된다.

Satria miha-matotra kokoa ny fitiavan'ireo mponin'ny aterineto [resaka hira] ary koa  satria mivoatra ny aterineto, raha vao misy maka tàhaka hira iray, mipoitra avy hatrany ny tsikera manondro ny fitoviana… Tsy misy mihitsy fomba hahazoanao tombony amin'ny fandikàna ny hiran'ny hafa.

Tsy misy fikambanana mitsangana ara-dàlana miaro amin'ny fakàn-tàhaka any Korea. Fa afaka kosa ireo tompon'ny zon'ny mpanomorona  manenjika izay manao izany any amin'ny Komisiona Koreana ho an'ny zon'ny mpanmorona na any amin'ny fitsaràna, saika ny disadisa momba ny fakàn-tàhaka rehetra dia milamina amin'ny fifampiraharahana tsy mazàva avokoa.

Namelabelatra ny mpitoraka blaogy Conte0303 fa tsy eo amin'ny sehatry ny indostrian'ny mozika ihany no ahitàna ny fakàn-tàhaka, fa sehatra maro eo amin'ny tontolon'ny orinasa Koreana no tratran'izany ary vao mainka manasarotra ny toe-javatra ny fanamorana sy ny tsy firaharahian'ny olona izany olana izany.

“왜 같은 문제가 반복되는가?”는 질문에 대처하는 아주 상식적인 답은 이거다. “발각 된들 손해날 것이 없기 때문에.”…이미 특허가 등록된 남의 기술을 무단으로 도용하다가 까무라칠 배상금을 물어낸 기업들이 있지만 그들조차 “재수가 없었다”라고 생각하지 발상부터 도덕적으로 옳지 않았음을 자인하지는 않는다. 대중 음악계의 상황도 비슷하다. 표절 논란에 휩싸였던 가수들 대부분이 별 타격 없이 활동하고 있다는 것이 문제의 근원이다. 즉 표절 여부가 인기의 등락과는 무관하다는 것이다. 표절 시비에…자존심 상하고 이미지 먹칠하고, 심지어 이미 받은 상까지 반납하란 여론에 시달려야 하는 서구의 문화와는 많이 다르다.

Ho valin'ny fanontaniana hoe “Fa maninona no mipoitra matetika ity olana ity?” ny valiny akaiky indrindra dia ny hoe: “tsy dia misy zava-dehibe hafoy na dia rehefa tratra aza.”…Ireo olona [mpandraharaha] izay nanery ny handoavana onitra be dia be hahazoana mampiasa ny asa famoronan'ny olona amin'ny fomba tsy ara-dalàna, dia mbola mieritreritra fa ‘vintan-dratsy iray iny’ fa tsy miaiky am-pahatsoram-po ry zareo hoe  diso làlana  (amin'ny fakàn-tàhaka). Tranga mitovy amin'izany no miseho any amin'ny sehatry ny mozika pop. Ireo mpihira voatondrotondro ho màka tàhaka dia miverina miasa, tsy mahatsiaro ho voa mafy tamin'izany akory. Tsy misy akony eo amin'ny làzan-dry zareo ny fakàn-tàhaka. Samihafa tanteraka amin'ny mitranga any Andrefana izany, voaratra ny hambom-pon'ny mpihira, voaloto ny maha-izy azy ary ampitahorin'ny haino-amanjery mihitsy aza izy hanerena azy hamerina ireo loka izay efa azony.

Mafàna aoka izany ny adihevitra momba ny fakàn-tàhaka amin'ny aterineto, ny ankabeazan'ireo dia manantena ny fitsaharan'ny fahazaran-dratsy màka tàhaka, izay fara-faharatsiny aloha nahariharin'ny lesona mavesa-danja voarain'i Hyo-ri.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.