Talantalana Foana sy Kibo Migororoana: Voazava Ny Tsy Fahampiana Ara-toekarena Ao Venezoela

 

Uno de los tantos memes que circulan en las redes sociales sobre la escasez en Venezuela.

Iray amin'ireo sariitatra betsaka mampihomehy momba ny tsy fahampiana ara-toekarena ao Venezoela, mivezivezy any anaty tambajotra sosialy.

Na teo aza ny teny fampanantenana hisian'ny taona vaovao, tsy tamin-kafaliana no nanombohan'ny Venezoeliana ny taona 2015, fa niaretany ny mangidy indrindra teo amin'ny tsy fahampiana ara-toekarena tato anatin'ny fahatsiarovany. Lasa endri-javatra fahita andavanandro ny filaharana lavabe hividy ireo filàna fototra toy ny foto-tsakafo, ny shampoo, ny tatin-jaza, sy ny maro hafa. Nanomboka tany amin'ny faritra ireo olana ireo, saingy tonga hatrao Caracas ankehitriny, toerana izay nahitàna sakafo nanana amby ampy tany aloha tany.

Satria ritra ny faharetan-dry zareo Venezoeliana, lasa zavatra mahazatra ny fifanasàna vangy sy fifandonana eny an'arabe.

Asongadin'ireo sary nakarina ho ao amin'ny tambajotra sosialy tamin'ny Janoary 2015 ireo talantalana foana sy ireo filaharana lava be maharitra ela, mandra-pivohan'ireo toeram-pivarotana goavana izay tampotampoka teo dia nanomboka nameno ny talantalany taminà vokatra mitovy (mba hitazonana ny fiheverana hoe ampy ny tahiry), sady koa mandràra ny fampiasàna fakantsary any anatin'ny faritr'izy ireo. Mandritra izany ny mpitondra tenin'ny governemanta dia nampitandrina ireo mpandranitra mikatsaka ny hamafy korontana, fantatra amin'ny hoe “zafikelin'i dada”

Na misy na tsia ny sary, toa midongizina eto ny tsy fahampiana:

Rehefa tsy misy famokarana na fahamarinan-toeran'ny vola…..tsy misy afa-tsy ny tsy fahampiana

Natolaky ny governemanta ilay tsy fahampiana ho any amin'ny “ady ara-toekarena tarihan'ny elatra farany havanana amin'ny fanafenana entana ho fitadiavana tombony aoriana kely, sy ny fanaovana varomaizina.” Nanome toky ny hiaro vahoaka ireo manampahefana, manoloana ny ady arangaranga amin'i Venezoaela ataon'ireo mpandraharaha goavana sy ny fanjakàna Amerikana. Mba ho vahaolana dia mikasa hametraka fanamarinana lavotondro any amin'ireo toeram-pivarotana lehibe ny sasany ao amin'ny governemanta.

Ambaran'ny @NicolasMaduro -ntsika ny fametrahana fitaovana mitetina 20K fanamarinana lavotondro any amin'ireo toeram-pivarotana lehibe, mba hanohizana ny tolona atao amin'ny ady ara-toekarena.

Tsy misy hafa amin'ny karatra famatsiana ny fametrahana fitaovana fanamarinana lavotondro ao anatinà vanim-potoana maha-henjana ny tsy fahampiana ara-toekarena, na natao ho amin'izany na tsia ilay izy.

Nametraka andianà fepetra ireo toeram-pivarotana lehibe manerana ny firenena mba hitantànana ny fitsinjarana ireo zavatra ilainà isanandro mandritra ny fotoanan'ny tsy fahampiana, isan'izany ny fametrahana ilay fitaovana fanamarinana lavotondro, ny fomba fivarotana amin'ny fandraisana ireo tarehimarika farany ao anaty karapanondron'ny tsirairay, na fitakiana ny kopia fahaterahana mba hahafahan'ireo reny mividy tàty ho an-janany. Tsy mitsahatra manontany teny ankehitriny ireo Venezoeliana, “Inona no azonao?” “Inona no ilainao?”

Manoratra i José Guerra mpahay toekarena hoe :

Miaraka amin'ny taham-pidinan'ny sandambola efa ho 11 isanjato isambolana tamin'ny Janoary, ny taha mandritry ny taona dia 81 isanjato. Noho io antony io, afenin'ny @BCV_ORG_VE ny tarehimarika.

Nisy varomazina goavana be nipoitra nandritry ny fotoanan'ny krizy mba hanazàrana ny olona, tsy ilàna fotoana na hiatrehana tsy misy tahotra ny fitakiana tombontsoa ela. Fantatra amin'ny hoe  “bachaqueros,” mividy vokatra aminà vidiny efa voafetra ireny olona ireny ary mivarotra izany indray avo 5 na 10 heny, maka tombony be, sy mahatonga ny olona tsotra ho sahirana mividy ny zavatra fampiàsany andavanandro.

GADRAO IREO BACHAQUEROS MPIVAROTRA TSY ARA-DALANA SY IREO POLISY MAMELA AZY HANAO IZANY!!

avy amin'i @_vivianalizet: Tsarà ny andro, Azafady, aiza aho no mety hahita tàty satria 550 sy 600 bolivars no takian'ireo bachaqueros ho an'ny fonosana iray. Mpanararaotra.

Raha 5,622.48 bolivars (eo amin'ny 885 dolara) isam-bolana eo ny karama farany ambany ao Venezoela, dia lasa mora ho an'ireo mahantra ny manao laharambe mandritry ny ora maro ka mahazo 3,000 bolivars anatin'ny andro iray (472 dolara), amin'ny fivarotany ny toerany eny ampilaharana.

Ny fandraharahàn'ny filaharana. Misanda 3,000 bolivars ny toerana iray eny ampilaharana hividy entana ao Daka.

Saingy ny olana manaraka izay, araka ny ambaran'ireo mpahay toekarena, tsy ireo mpanao varomaizina na ireo mpandraharaha, fa ny politikan'ny tahan'ny fanakalozana vola izay mihazona ampahany betsaka amin'ny tahirim-bola. Azo tsapain-tànana ny tsy fahampiana any amin'ny sehatra maro samihafa eo amin'ny toekarena. Vao haingana, ny indostrian'ny kojakojam-piarakodia sy ny sakafo no nitatitra fa tsy nahazo na dolara iray aza ry zareo tamin'ity taona ity, izay ilain-dry zareo hividianana ireo vokatra fanodina, ka mampihisatra ny famokarany.

Sariitatra EDO : namela lavaka be ho anay ianareo.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.