Voafandrik'ireo Mpanao Fihetsiketsehana Libaney-Armeniana Tao Amin'ny Sinema Iray Ny Ambasadaoro Tiorka Ao Libanona

Lebanese-Armenian Protesters outside the movie theater. Image from AztagDaily

Mpanao fihetsiketsehana Libaney-Armeniana tao ivelan'ny trano fandefasana sarimihetsika. Araka ny tatitra navoakan'ny Daily Star, niventy teny filamatra toy ny hoe “Handresy ny fahamarinana” sy ny “Tadidinay” izy ireo. Sary avy amin'ny AztagDaily

Nofandrihan'ireo mpikambana teo amin'ny 60 teo avy ao amin'ny antoko Tashnag Armeniana tao anaty trano fandefasana sarimihetsika ny ambasadaoro Tiorka ao Libanona tamin'ny Alarobia, ho fanoherana ny fanapahan-kevitra ofisialin'ny governemanta Tiorka mikasika ny Fandripaham-bahoaka Armeniana nataon'ny Fanjakana Ottoman tamin'ny 1915. Nanatrika ny fandefasana voalohany ny “Son Mektup”, horonantsary Tiorka notontosaina nandritra ny Ady tao Gallipoli (1915-1916) ny ambasadaoro Suleiman Inan Oz i Yildiz tamin'io fotoana io. Notaterina tao amin'ny Habaka Fahatsiarovana ny fahazato taona ofisialy ihany koa ny zava-nitranga.

Tsy noraisina ho fifanojoan-javatra ny fotoana nofidiana hampiroboroboana ny sarimihetsika notontosaina nandritra ny taona nitrangan'ny Fandripahana ny Armeniana ihany koa. Eny tokoa, tamin'ny fanambarana nivoaka antserasera tao amin'ny gazety Armeniana Libaney mpivoaka isan'andro “Aztag,” voampanga ho niezaka hanodina ny sain'izao tontolo izao tsy hitodika amin'ny Fahazato Taonan'ny Fandripahana Ny Armeniana ny governemanta Tiorka, izay hotsarovana manerantany amin'ny 24 Aprily amin'ity taona ity.

Nofintinin'ilay mpikatroka Libaney-Armeniana Yeghia Tashjian tao amin'ny Global Voices ny fanambarana, navoaka tamin'ny teny Armeniana sy Arabo:

“The main goal of the film was to shift the attention from the Armenian Genocide to the Battle of Gallipoli, despite the fact that the Turkish government has not commemorated the Battle in public events in the past. The Turkish government has recently decided to finance and promote events pertaining to the battle to distract the world's attention from the 100th Anniversary of the Armenian Genocide. Therefore the Tashnag Youth and Student Association (Tashnag) took the initiative to once again remind the world of the history and the sufferings of Armenians and Arabs under Turkish rule. As a result the Turkish Embassy's security guards clashed with peaceful protesters in front of the cinema. The guards started to shout “Erdogan, Erdogan” while the protesters responded “Genocidal, Genocidal”.

“Ny tena tanjon'ny horonantsary dia ny hanodina ny saina tsy hitodika amin'ny Fandripahana ny Armeniana fa hifantoka amin'ny Ady tao Gallipoli, na dia tsy notsarovan'ny governemanta Tiorka ankalamanjana aza izany taloha. Nanapa-kevitra ny governemanta tiorka vao haingana mba hamatsy vola sy hampiroborobo ireo hetsika mikasika ny ady mba hisarika ny sain'izao tontolo izao tsy hitodika any amin'ny fitsingeranan'ny faha-100 taonan'ny Fandripahana ny Armeniana. Noho izany, nanapa-kevitra ny Fikambanan'ny Tanora sy Mpianatra Tashnag mba hampahatsiahy indray amin'izao tontolo izao ny tantara sy ny fijalian'ny Armenianina sy ny Arabo teo ambanin'ny fitondrana Tiorka. Vokatr'izany, nifandona tamin'ireo mpanao fihetsiketsehana milamina teo anoloan'ny trano fijerena sinema ny mpiambina ny Masoivoho Tiorka. Nanomboka nihiaka ny mpiambina hoe “Erdogan, Erdogan” raha namaly kosa ireo mpanao fihetsiketsehana hoe “Mpandripak'olona, Mpandripak'olona”.

Zava-dehibe ao Libanona miaraka amin'ireo Armenianina Libaney manodidina ny 4 isan-jaton'ny mponina ao amin'ny firenena ny Fahatsiarovana ny Fahazato taonan'ny Fandripahana Armeniana. Maro ireo hetsika nomanina mandritra alohan'ny 24 Aprily nitsingeran'ny Fandripahanam-bahoaka, tahaka ny valandresaka avy amin'i Robert Fisk avy ao amin'ny The Independent mitondra ny lohateny hoe “One Hundred Years and a Day (Zato Taona sy Iray Andro)” izay nokarakarain'ny “Klioba momba ny Lovan'ny Armeniana-Libaney” avy ao amin'ny Oniversiten'i Beirut. Eo ihany koa ny Diabem-pirenena nokarakarainy tamin'io andro io ihany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.