Tarika Goatemalteka Mampiasa ny Tantara An-tsehatra Ho Fiatrehana Ny Herisetra Mihatra Amin'ny Vehivavy

Naciendo

“Naciendo” (Vao misondrotra) dia tantara an-tsehatra vaovao novokarin'ny Las Poderosas. Sary avy amin'ny vondrona, nahazoan-dalana. 

Amin'ireo fampisehoana izay sady manasitrana no mampahery, mandefa hafatra mahery vaika ho an'ny fitoavian'ny lahy sy ny vavy sy manohitra ny herisetra mihatra amin'ny vehivavy avy amin'ny seho ny vondrona teatraly Goatemalteka Las Poderosas (Vehivavy Mahery). Hatramin'ny 2008, nanenika ny media sosialy sy ny faritra ny asan'izy ireo. Hoan'ireo vehivavy ireo, ny teatra dia natao hanasitranana, hanameloka, hifandraisana sy hanentanana ao amin'ny firenena iray, izay araka ny vaovao avy amin'ny Vehivavin'ny Firenena Mikambana, “vehivavy roa isan'andro eo ho eo no maty misy mamono”.

Niforona ny vondrona taorian'ny fandraisany anjara tamin'ny traikefa momba ny tantara an-tsehatra tamin'ny horonantsarin'i Marco Canale “Hoy puedo ser” (Afaka aho Ankehitriny). Nitarika ireo vehivavy ireo mba hanokan-tena tanteraka aminn'ny fitrandrahana ny herin'ny fijoroana ho vavolombelona sy ny tenin'ny fihetseham-po izany traikefa izany . Ny fanoratana no tena hifantohan'izy ireo ary koa ny filalaovana tantara izay mampiseho ireo herisetra isan-karazany, miainga amin'ny miharihary indrindra hatramin'ny misoko mangina indrindra, izay tsy mba tazana eo amin'ny fiainana andavanandro, ka mba ho hitan'ny olona rehefa iaraha-mahita.

Mitanisa ny tantaran'ny Las Poderosas ny bilaogy Heroínas (Vehivavy Mahery fo):

El gusanito del teatro invadió las entrañas de estas siete mujeres y sus hijos, que decidieron continuar con el montaje escénico y hacer presentaciones a lo largo y ancho de Guatemala. […] De las vueltas del destino y de un sueño que tuvo Lesbia Téllez [una de las participantes] en el cual, estas supervivientes se veían sobre el escenario vestidas de luchadoras, nace “Las Poderosas”. Una compañía de teatro sin parangón que tiene como propósito, sanar a aquellas personas que han sido objeto de la violencia mediante la catarsis y el espacio creativo que ofrece el teatro. […] Cuando se les pregunta qué significa para ellas el teatro, esta “Liga de la Justicia” de siete heroínas […] no dudan en asegurar que ha sido su salvación y el motor de cambio de sus vidas.

Manome hevitra tsara kokoa amin'ny fomba fanoratra sy ny fomba fiasan'izy ireo ny sombin-tsehatra an-dahatsarin'ny vondrona. Mampiseho ireo mpikambana ao amin'ny Las Poderosas mizara ny traikefan'izy ireo manokana ity lahatsary ity:

Mi marido me mandó matar. Me dispararon al corazón. Perdí mi brazo, pero hice justicia.

Mandray anjara amin'ny asam-piarahamonina miaraka amin'ny vehivavy avy amin'ny faritra isan-karazany, na ao anatiny na ivelan'i Goatemala ny Las Poderosas. Mandrisika ny vehivavy izy ireo hizara ny traikefany ho fisarihana ny saina manoloana ny olan'ny herisetra ary hanome vahaolana amin'izany. Ohatra iray amin'ny ezak'izy ireo ny fandraisana anjara amin'ny Andro Iraisam-pirenena ho Fanafoanana ny Herisetra Mihatra amin'ny ny Vehivavy miaraka amin'ny “vehivavy teo amin'ny 60 teo avy amin'ny kaominina 8 ao anatin'ny Departemantan'i Sololá ao Goatemala; mpitarika sy nierem-pahafatesana tamin'ny herisetra ny sasany tamin'izy ireo”.

Miompana amin'ireo karazan'endriky ny herisetra ny fampisehoana vao haingana indrindra “Naciendo” (misandratra) nataon'izy ireo, anisan'izany ny fisiany ao amin'ny lova samihafa ao Goatemala sy ny ady an-trano mamirifiry ao amin'ny firenena izay nahafatesana olona maherin'ny 250.000. Lalindalina kokoa noho izany, manomboka miresaka ny vatana, ny firaisana ara-nofo ary ny tena zava-dehibe indrindra dia ny fikaroham-panahy ity karazam-pamokarana vaovao ity:

Naciendo Poderosas

Fampisehoana amin'ny Naciendo. Nahazoan-dalana. 

[“Naciendo”] nace de una investigación sobre nuestra sexualidad, nuestro origen y la guerra. Hablamos con nuestras madres, con nuestras hijas, con nuestras nietas y con mujeres sobrevivientes del conflicto armado, buscando las huellas de nuestra historia, de nuestro país, la historia de nuestros cuerpos.¿Qué es lo que vivimos? ¿Qué estamos por vivir?

Hacer esta obra, recordar, tratar de entender las sombras y la luz, nombrar, cantar o hablar sobre cómo hacemos el amor, fue una forma de mirar a los ojos ese camino tan ancho que cada una de nosotras guarda adentro.

Mirarlo como si fuera un río.

Es el lugar desde el que estamos naciendo.   

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.