“Nosamborina Noho Ny Fividianana Sigara sy Ronono Izy” Hoy Ny Vadin'ilay Tompon-daka Manerantany Teo Aloha avy ao Bahrain

A man paints a picture in support of the detainees in Bahrain during a rally in Mogsha in April 2013. Photograph by bahrain14feb bilad. Copyright: Demotix

Lehilahy mandoko sary nandritra ny fihetsiketsehana tao Mogsha tamin'ny volana Aprily 2013 ho fanohanana ireo gadra ao Bahrain. Sary avy amin'ny bahrain14feb bilad. Zon'ny mpamorona: Demotix

Ho an'ny renim-pianakaviana tanora iray avy ao Bahrain, nofy ratsy lavabe tsy ahitana mangirana ny efa-taona farany. Indray andro, sahy nandeha nividy sigara sy ronono ny vadiny. Avy eo, nahazo sazy 15 taona an-tranomaizina izay nosokajiany ho fiampangana namboamboarina izy. Ary tsy irery izy miteny izany. Fianakaviana an-jatony manerana ny firenena no miaina izany nofiratsy mmbola tsy tapitra izany hatramin'ny nisian'ny fiihetsiketsehana manohana ny demokrasia, niainga avy amin'ilay antsoina hoe Lohataona Arabo nipoaka tao amin'ny firenena.

Nanatri-maso fitroarana malaza tamin'ny taona 2011 i Bahrain, izay narahana famoretana izay mbola mamely mafy ao amin'ity fanjakana kely ity. Efa-taona lasa izay, nanomboka ny famoretana ary nitohy ny fisamborana faobe.

Manao fanentanana hampitsaharana ny famoretana ireo Bahrainita mpikatroka, nahita ny Komity tsy miankina mpanao famotorana ao Bahrain (BCIC) izay nokaramain'ny ny Mpanjaka fa ny fampijaliana mahazatra sy ny fisamborana tsy amin'ny antony miaraka amin'ny fampiasana herisetra tafahoatra no fenitra mahazo ireo voasambotra faobe. Ary mbola mahazo fanakianana mazava sy mahery vaika avy amin'ireo fikambanana iraisam-pirenena ny rafi-pitsarana ao Bahrain.

Anisan'ireo voasambotra tamin'ny faha-16 Martsa 2011 ilay nahazo medaly volamena teo aloha tamin'ny jujitsu Breziliana, Mohamed Mirza. Tamin'ny nitsingeran'ny faha-efataona nisamborana azy, nisioka ny tantaran'ny vadiny any am-ponja, nandeha nividy sigadra sy ronono ary tsy niverina tao an-trano intsony ny vadin'i Mohamed, Masooma Mahdi.

Milaza ny tantarany ao anatin'ny sioka miisa 28 izy, tantara izay efa miverimberina ao amin'ny tokantrano maro manerana ny firenena. 4.000 ireo olona mbola migadra ao Bahrain taorian'ny famoretana, izay nanomboka tamin'ny faha-16 Martsa 2011, manamarika ny fanombohan'ny vanim-potoanan'ny Filaminam-pirenena [tsy fahazoana mivezivezy amin'ny alina], izay nahitana zava-doza tsy hay lazaina araka ny asehoan'ity tantara eto ambany ity.

Former gold medal holder in Brazilian jujitsu Mohamed Mirza holding his baby Jibrael before he was sentenced to 10 years in prison "for going out to be buy cigarettes and milk."

Ilay nahazo medaly volamena teo aloha tamin'ny jujitsu Breziliana, Mohamed Mirza mitrotro ny zanany Jibrael talohan'ny nahazoany sazy 10 taona an-tranomaizina noho ny “fivoahany nividy sigara sy ronono”

Iray amin'ireo atleta maro nokendren'ny fanjakana sy namoronana heloka, izay tafiditra ao anatin'ny famoretana ireo mpanao fanatanjahantena Shiita ity tompon-daka tamin'ny jujitsu Breziliana ity. Anisan'ireo atleta hafa nosamborina sy nampijaliana nandritra izany fotoana izany ilay mpiandry tsato-by malaza ao Bahrain Ala'a Hubail sy ny rahalahiny Mohamed Hubail.

Amin'ity lahatsary avy amin'ny Tompondaka Thailandy notontosaina tamin'ny taona 2008 ity, hita tamin'ny lalao manasa-dalana izay nahazoany ny anaram-boninahitra i Mirza:

Nanomboka tamin'ny 16 Martsa 2011 ny fijalian'i Mirza. Alina farany nahitan'ny vadiny azy. Hoy izy nisioka:

Ny tolakandro farany, 16 Marsa

Hoan'ny Ramatoa Mahdi, andro fahatsarovana :

Ny tolakandron'ny 16 Martsa 2011 no tolakandro farany niarahan'ilay atleta Mohamed Mirza tamin'ny fianakaviany, tolakandro farany nahafahany natory tao an-tranony, ny manaraka dia tantara sahaza ampidirina ao amin'ny tataran'ny alin'ny Arabiana.

Namadika ny fiainany ho ambony ambany ny ora maro taorian'izany. Hoy izy nisioka:

Andro nampiova tantara, nampalahelo sy nampisamboaravoara ny 16 Martsa. Tany ho any tamin'izany andro izany no hanomboka ny tantara izay mbola eo am-panoratana amin'izao fotoana izao, tantaran'ny fanaintainana sy ny fijaliana.

Tamin'ny 27 Novambra 2008, nanambady i Mohamed Mirza. Sivy ambin'ny folo volana taty aoriana, nahazo ny zanany lahy voalohany Jibrael izy. Midika izany fa roa taona sy efa-bolana ny fitambaran'ny fotoana niarahany tamin'ny vadiny, ary 8 volana monja niaraka tamin'ny zanany. Taorian'izany; niova ny zava-drehetra .

Tamin'io andro manahirana io, nandao ny tranony Andriamatoa Mirza mba hividy sigara, dia ronono ho an-janany.

Tamin'ny 16 Martsa, nivoaka ny tranony hividy fonosana sigara ho azy sy ronono hoan'i Jibrael i Mohamed. Tamin'ny toeram-pisavan'ny polisy, nijanona teo ny fotoana ho azy. Noesorina taminy ny fiainana niainany ary natsipy tao anatin'ny lavaka mangitsokitsoka  izy.

Nanao ahoana raha nanapa-kevitra tsy hivoaka ny trano hividy sigara sy ronono izy tamin'io andro mampalahelo io? Mety tsy ho tratry ny fisavana izay nahatonga azy ho lasibatry ny iray amin'ireo toe-javatra manjavozavo indrindra ve izy?

Mamaritra ny fahoriana toy izao avy eo Ramatoa Mahdi:

Tamin'ny 16 Martsa 2011, nanjavona i Mohamed. Tsy misy olona nahafantatra izay nitondrana azy taorian'izany fisavana izany. Nivoaka mba hanao hazakazaka fohy izy. Rehefa naharitra ela tsy toy ny mahazatra izany, dia raiki-tahotra ny fianakaviany. Niezaka nifandray tamin'izay rehetra mety hahazoana valin-teny izahay tamin'ny fanontaniana mangidy hoe: “Aiza i Mohamed Mirza”?

Nandritra ny andron'ny Fiarovam-pirenena [tsy fahazoana mivezivezy amin'ny alina?], zava-piseho mahazatra ao Bahrain ny fanjavonana tahaka izao. Hoy izy manohy:

Nandritra ireo andro ireo, dia tsy azo lazaina ho tsy nahazatra ny fanjavonan'olona. Raha niezaka nanontany izay manjo ny olona iray ianao, dia miatrika tsy firaharahiana feno avonavona. Niezaka nanao izay azo natao rehetra izahay. Nandeha tany amin'ny toerana mety hanampy anay ahafantatra hoe .. Aiza i Mohamed?

Nandritra izany, nafindrafindra fonja i Mohamed ary niovaova mpampijaly, izay mamela ny mariky ny vonon'izy ireo eo amin'ny vatany. Natao hitety ireo fonjabe i Mohamed, niala tao amin'ny fonjan'i Alkhamis ary nafindra tao amin'ny fonjan'i Nuaim ary avy eo indray fonjan'i Madinat Hamad hatrao Dry Dock, ary farany tao amin'ny fonjan'ny miaramila ao Qurain talohan'ny fitsarana ara-miaramila, azy izay nitarika azy hoany amin'ny fonjan'i Jaaw. Dia maharitra dia maharitra izany hoan'ny olona izay manana ny helony ho nividy sigara sy ronono amin'ny fotoana tsy mahamety izany!

Mamaritra ny didim-pitsarana mivadibadika izay niaretan'ny vadiny sy ny fianakaviany Ramatoa Mahdi avy eo:

Nahitana fitsarana miaramila sarimihetsika ny fehim-potoana tanelanelan'ny Martsa sy Mey 2011. Voampanga tamin'ny fandikan-dalàna mampihomehy i Mohamed sy ny hafa maro – maka mpikambana voaofana amin'ny fitam-piadiana ao amin'ny mpitandro ny filaminana ho takalon'aina. Tamin'ny fotoam-pitsarana miaramila sarimihetsika faharoa, dia nahazo sazy 20 taona an-tranomaizina avy i Mohamed sy ireo meloka hafa namany. Nahena ho 15 taona izany tany amin'ny fitsarana ambony. Kisendrasendra sy nisafotofoto ny didim-pitsarana ary niankina tamin'ny porofo iray: fiainken-keloka avy amin'ny fampijaliana.

Raha nanomboka ny asany ny BICI, dia naverina ny fitsarana. Nafindra tany amin'ny fitsarana ady sivily ny raharaha, saingy tsy nofoanana ny fomfafomban'ny fitsarana voalohany na dia hitan'ny vaomiera aza fa tsy nisy ny tsi-fitongilanana ilay fombafombam-pitsarana. Afaka madiodio avokoa ireo voampanga rehetra afa-tsy lehilahy iray, Mohamed Mirza izay voaheloka higadra 10 taona an-tranomaizina!

Nanaovan-dRtoa Mahdi fehinteny hoe:

Efa-taona izay no lasa, lava kokoa izany noho ny roa taona sy efa-bolana niarahany tamin'ny vadiny. Nitranga izany rehetra izany raha nandalo toeram-pisavana tsy maintsy izorany izy nitady boaty roa, ny iray fonosana sigara ary ny iray boatin-dronono.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.