Maneran-tany: Tsy matoan-dahatsoratry ny fampahalalam-baovao ny fiparitahan'ny solitany

Misarika ny fifantohan-tsain'izao tontolo izao ilay fiparitahan'ny solitany tany amin'ny Elodranon'i Meksika, vokatr'izay fanapotehana noho ny tsy fahaiza-mitantana ny fitrandrahana solitany. Na izany aza, any amin'ireo toerana sasany maneran-tany, miaina miaraka amin'ny fandrarahana poizina toy itony ny olona, ary amin'ny alalan'ny horonantsary no hiezahan'ny vahoaka hisintonana ny sain'izao tontolo izao amin'ny fijalian'izy ireo.

Nizeria:

Ny mponina any Nizeria dia tsy maintsy niaina niaraka tamin'ny fandotoana avy amin'ny solitany ao amin'ny Delta-n'i Niger efa am-polo taonany maro izao, nefa ho fanampin'izay, efa niainan-dry zareo ihany koa ny fanaovana zinona ny zon'olombelona izay namoizana ny ain'ireo mafa fo manohitra ny fandotoana ateraky ny solitany.  Nanenjika an'i Shell ny vahoaka (izay mitantana ny fitrandrahana solitany any amin'ilay faritra) ary vao haingana tamin'ity volana ity no nanaiky handoa $15,5 tapitrisa ny Shell talohan'ny fitsaràna. Ho ampiasaina hanonerana ireo mafana fo mpiaro ny zon'olombelona io vola io ary hananganana tahirim-bola azo antoka. Nefa dia tsy mbola ahazoam-bokatra ny fitsaràna ny fanimbàna ara-tontolo iainana satria raha ny ambaran'ny fikambanana, ny dikan'ny hoe “fanadiovana” dia ny fanodinana ny tany mba tsy hahitàna soritra intsony ny solitany , fa dia mbola ao izy e, mandoto ny ambanin'ny tany sy mahatonga ny vahoaka harary, ary tsy mbola misy ny fepetra noraisina momba ireo jiro arehitra tsy an-kiato amin'ny solitany . 

Indro ny horonantsary fijoroana vavolombelona avy amin'ireo olona any amin'ny Deltan'i Niger izay simban'ny fiparitahan'ny solitany ny anto-piveloman-dry zareo :

Egipta:

Ireo moron-dranomasin'i Hurghada any amin'ny Ranomasina Mena dia rakotry ny solitany andro vitsivitsy lasa izay, ary nanomboka nitaraina ireo mpizahatany sy ireo tompona trano fivahinianana. Ireny fitarainana ireny dia niteraka fanapahan-kevitra ary avy hatrany dia tonga ireo ekipa hamantatra ny anton'ilay fiparitahana, hampitsahatra izany ary hanadio ireo moron-dranomasina araka ny notaterin'ny Fikambanana Miaro ny Tontolo iainana any Hurghada (HEPCA).


Singapore

Iray volana lasa izay isika no nitatitra momba ilay fiparitahana solitany any Singapore, vokatry ny fifandonan'ny “tankers” roa [Avy amin'ny mpandika: ny “tanker” dia  sambo natao manokana hitaterana solika] ary niteraka ny fiparitahan'ny solitany tsy voadio am-barikany maro nanapoizina ny rano. Ity manaraka ity dia horonantsarin'ny olon-tsotra iray mampiseho ny moron-dranomasina rakotry ny solitany:

Peru

Ny reniranon'i Marañon any amin'ny Ala Mikitrok'i Amazonia no hany loharanon-drano ho ana vondrom-piarahamonina maherin'ny 28 manamorona azy, ary taorian'ny fandrarahana solitany nataon'ny Pluspetrol vao haingana tamin'ity volana ity dia tsy misy manana rano madio intsony ireo vondrom-piarahamonina ireo ho an'ny filàny rehetra no sady tsy afaka manjono koa ry zareo, satria solitany tsy voadio maherin'ny 300 barika no niraraka tao. Ao amin'ny blaogy Globalizado, Juan Arellano dia manoratra lahatsoratra mamelabelatra sy manakatra ny endrika samihafan'ny akon'ny fiparitahana toy izao eo amin'ny zavaboarin'i Amazona sy ireo tompontany mifandray amin'ireo sakelidrano sy renirano. Ity misy horonantsarin'ny olon-tsotra iray mampiseho ny solitany mitsikafona eo ambony rano.

Tsy vaovao izany any Peru. Any Loreto, ilay orinasa PlusPetrol ihany dia  manana tantara noho ny fanaparitahana ary ts mazava mihitsy ny ezaka fanadiovana ataony araka izany. Araka ny lazain'ny iray amin'ireo mpiasa ato amin'ity horonantsary manaraka ity, dia asaina mamadika ny tany fotsiny ry zareo, ary rehefa tonga ireo manampahefàna dia tenenin-dry zareo fa “efa voafehy ny fiparitahana”, nefa tsy afaka milaza izy ireo fa mbola ao ambany ao ny solitany izay mbola manapoizina rano, zava-maniry ary biby. Mpikambna iray ao amin'ilay vondrom-piarahamonina no mitantara ny nahafatesan'ireo namany noho ny fisotroana solitany tsy voadio sy ny fahazaran'izy ireo manana zokiolona maherin'ny 90 na 100 taona, nefa ankehitriny dia maty tanora ny vahoaka noho ny fitelemana solitany.

Venezoela:

Na dia eo aza ireo sary sy horonantsary mampiseho ny solitany mainty toy ny godorao eny amin'ny moron'ny farihy Maracaibo, ny Ministeran'ny Tontolo Iainana dia mitsipaka izay mety ho olana na fiparitahana solitany ary miantso ny korontana sy ny fako mandoto ireo moron-drano hatramin'ny taona 2009 ho “mahazatra”, araka ny tatitra ataon'i Código Venezuela.

Etazonia:

Ankoatra ny fiparitahana any amin'ny Elodranon'i Meksika, eo ihany koa ny fiparitahana solitany any Utah, noho ny fahasimbàn'ny fantson'ny orinasa Chevron ary namoaka solitany 33 000 galôna any amin'ireo sakelidrano. Raha manomboka miasa ireo andian'olona mpanadio ka manala ny solitany hita eny amin'ireo kamory, farihy sy lakan-drano, ny vondrom-piarahamonina kosa hizaka izay mety ho vokatry ny fanapoizinana. Ity manaraka ity dia horonantsary fohy mampiseho lakan-drano miaraka amin'ny solitany mandrakotra ny sisiny.

Toeran-kafa, Loza hafa:

Toa izao ny haino aman-jery vao mifantoka amin'ny fiparitahana solitany, ary raha hiverenana ny tamin'ny 2005 dia nahatonga ilay Taiwanais mpitoraka blaogy  Munch hamporisika ireo mpamaky azy hiantso any amin'ireo biraon'ny hainoamanjery mba hijery ny fiparitahana solitany any akaikin'ny nosy Lanyu any Taiwan. Ity sary manaraka ity dia mampiseho ireo moron-drano feno solitany izay nodiovina.

Eo am-panadiovana ny Fiparitahana Solitany any Taiwan, sarin'i Munch

Nefa tsy ny solitany ihany no manapoizina ny tontolon'ny an-dranomasina. Tamin'ny 2009, nisy sambo nitatitra “phosphate” nilentika tany amin'ny morotsirak'i Madagascar ary nisy fiatraikany teo amin'ny zavaboary ny fanapoizinana, anisan'izany ireo trozona mpifindra monina sy ireo mpanjono marary noho ny rano voapoizina eny amin'ny moron-drano.

Toa na firy na firy taona lany amin'ny asa fitrandrahana solitany,  tsy mitombo manaraka ny filàna mampiasa sy mandany solitany ny fandraisana fepetra hahazoana toky fa tsy mandoto tontolo iainana manodidina ny toerana fitrandrahana na fantsona ny solika avy amin'ny toeram-pitrandrahana. Angamba tokony hamerina handinika tsara ny fampiasantsika solitany isika ary mangataka fanomezan-toky avy amin'ireo orinasa mitrandraka izany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.