Nahazo Fanohanana Manerantany Ireo Mpianatra Mpanao Fihetsiketsehana Ao Myanmar Notafihan'ny Polisy

A young person from Nepal holds a placard expressing support to Myanmar student protesters

Tanora avy ao Nepal milanja sora-baventy maneho fanohanana ireo mpianatr'i Myanmar mpanao fihetsiketsehana

Naneho ny fanohanany amin'ireo mpianatr'i Myanmar mpanao fihetsiketsehana izay notafihan'ny tafi-panjakana tamin-kerisetra tamin'ny herinandro lasa ireo mpianatra sy mpikatroka avy amin'ny faritra maro manerana izao tontolo izao.

Mandrisika ny tsirairay mba haneho firaisankina amin'ireo mpianatra Myanmar amin'ny alalan'ny fandefasana sary na amin'ny alalan'ny fikarakarana hetsi-panohanana ny pejy Facebook ‘We Support Myanmar Students (Manohana ny Mpianatra Myanmar Izahay). Hatramin'izao, olona maherin'ny 20 000 no nanao “tiako” ny pejy.

Niharan'ny herisetra sy voadaroky ny polisy tamin'ny 5 Martsa ireo mpianatra mpanao fihetsiketsehana tao amin'ny renivohitra Yangon teo aloha. Dimy andro taty aoriana, naparitaky ny polisy ihany koa ny diaben'ny mpianatra tao an-tanànan'i Letpadan. Mihoatra ny 100 ireo mpandray anjara tamin'ny diabe nogadraina, anisan'izany ny moanina sy mpanao gazety sasany, efa navotsotra ny maro tamin'izy ireo.

Nanao hetsika ho fanoherana ny lalàna momba ny Fanabeazam-pirenena izay nampidirin'ny governemanta tamin'ny taon-dasa ireo mpianatra Myanmar avy amin'ny faritra samihafa ao amin'ny firenena. Araka ny hevitr'izy ireo, hanafoana ny fahalalahana akademika ny lalàna satria hamondrona fahefana bebe kokoa eo am-pelatanan'ny governemanta sivily tohanan'ny miaramila.

Nokarakaraina tamin'ny volana Janoary lasa teo ny diabe 400 kilaometatra niainga tao Mandalay nankany Yangon ary nantenaina hahatody ny toerana voalohany tamin'ity volana ity saingy nosakanan'ny tafi-panjakana. Raha tokony hamela ireo mpianatra hahavita ny diabe ao anatin'ny filaminana ny mpitandro filaminana dia nanapa-kevitra handrava ny diabe. Maro ireo nanameloka avy hatrany ny fampiasan-kerin'ny polisy ho fanakanana ny diabe.

Nisy ihany koa ny fanohanana ireo mpianatra manao fihetsiketsehana avy amin'ny firenen-kafa. Tao amin'ny Facebook sy Twitter ohatra, mampiasa ny diezy #‎wearemmstudents (mpianatra Myanmaro izahay) ireo mpianatra sy mpikatroka mba haneho firaisankina amin'ireo mpianatra mpanao fihetsiketsehana, indrindra ireo izay mbola any am-ponja. Ireto ambany ireto ny sasany amin'ireo sary nasongadina tao amin'ny pejy Facebook pejy “Manohana ny mpianatra Myanmar izahay’.

Support from Palestine

Fanohanana avy ao Palestina

Support from China

Fanohanana avy ao Shina

Support from Bangladesh. Facebook page of Anik Rahman

Fanohanana avy ao Bangladesh. Pejy Facebook-n'i Anik Rahman

Support from Thailand

Fanohanana avy ao Thailandy

Support from the United States of America

Fanohanana avy ao Etazonia

Support from Zambia

Fanohanana avy ao Zambia

Support from Vietnam

Fanohanana avy ao Vietnam

Support from Brazil

Fanohanana avy ao Brezila

Support from Canada. Facebook page of University for Peace

Fanohanana avy ao Canada. Pejy Facebook-n'ny Oniversiten'ny Filaminana

Support from Malaysia

Fanohanana avy ao Malezia

Nanomboka nampiroborobo ny marika voninkazo fotsy tao amin'ny Facebook sy tambajotra sosialy hafa ny vondrona Panzagar, izay nanangana ny hetsika flower speech (resa-boninkazo) fanoherana ny resa-pankahalana antserasera mba hanameloka ny herisetra eo anivon'ny fiarahamonina.

Image from Panzagar

Sary avy amin'ny Panzagar

Nandritra izany fotoana izany, naneho ny ahiahiny momba ny fampiasan-kery “tafahoatra sy ” atao amin'ireo mpanao fihetsiketsehana ny Vaomiera Ambonin'ny Firenena Mikambana misahana ny Zon'olombelona. Ho setrin'izany, nampanentana hanadihady ny zava-nitranga ny governemanta.

Notrohana tao amin'ny pejy Facebookn'ny  ‘Manohana ny Mpianatra Myanmar izahay’ ny sary rehetra, raha tsy misy ny fiovana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.