Japana: Nodimandry i Kazuo Ohno, fanta-daza amin'ny Butoh

Kazuo Ohno, manan-talenta fanta-daza ary iray amin'ireo ray mpamorona ny Butoh, dia nodimandry tamin'ny 1 Jona teo amin'ny faha-103 taonany. Ampahany amin'ny tantaram-piainany nomen'ny Kazuo Ohno Dance Studio :

Rehefa mandihy izy dia mampitombo hery ny tenany ihany. Tonga olona mpanome hery ny hafa ilay lahiantitra iray toy ny olon-drehetra ihany. Izany no antony itiavan'ny olona mifanerasera amin'i Kazuo. Niaina  fotoana ela izy, ary nanohina mafy ny atifon'ny olona. Kazuo Ohno dia mpanakanto izay nampitombo ny fahefa-manaon'ny olombelona.

Ny Butoh dia dihy fiomanana niforona tany Japana taorian'ny Ady Lehibe Faharoa, miavaka amin'ny fandokoana ny vatana ho fotsy sy ireo fihetsika maneho hevitra sy fijaliana. 

Ity manaraka ity dia horonantsary avy amin'ny “Beauty and Power” antsoina hoe “Talanjona manoloana an'i La Argentina”. Notarihan'ilay lehilahy iray hafa namorona ny Butoh, Tatsumi Hijikata ary naseho voalohany tamin'ny 1977, ity tantara ity dia fanomezam-boninahitra an'ilay mpandihy Espaniola Antonia Mercé (fantatra amin'ny hoe “La Argentina”), izay nojeren'i Ohno an-tsehatra tamin'ny 1929 fony izy vao 22 taona.

Maro ireo nahatsiaro ny fotoana nahitany an'i Ohno mandihy sy ny nanamarika azy ireo tamin'izany. Michiko Murayama ao amin'ny blaogy True Colors, tamin'izy nahita voalohany an'i La Argentina, am-polontaonany maro lasa izay:

観客との見えないエネルギーの交換を、確信犯的に遊ぶがごとき完璧に自由な魂と肉体を目の当たりにして,痛快で笑いをこらえきれませんでした。深刻さなどとは縁遠く、果てしなく、宇宙へひろがり一体化する肉体と魂がとても自由に感じられたのでした。
美しくて、滑稽で、純で、潔くて、愛に溢れている、その存在。

当時新しいダンスの地平を求めて仲間と作品作りに日夜没頭していた日々…変化を求める時に、人はどうしても怖れや不安が出てきて当たり前なのですね。 そんな時この舞台に遭遇した私たちは、限りない勇気とエネルギーをもらい、意気揚々と劇場を後にしたのを覚えています。

Nalalaka ara-panahy sy ara-batana tanteraka izy hampiasainy hifanakalozana hery tsy hita maso amin'ireo mpanatrika azy, ary tsy tanako intsony fa dia nikakakaka aho. Tena nahafinaritra aoka izany ny nijery azy nanatanteraka tamim-pahaizana ireo  fifandridrana mendri-piderana. Toa niparitaka teny amin'ny habaka rehetra teny ny fiombonan'ny vatana sy ny fanahy ho iray, tsy voakitiky ny fahamatorana mihitsy, ary tsapa ho feno fahalalahana tokoa izany.
Tsara tarehy, mampihomehy, tsotra, feno herim-po sy fitiavana… izany no fiainany.

Nandritra izany fotoana izany, nikaon-doha andro aman'alina aho tamin'ny famoronana dihy miaraka amin'ireo mpandihy namako, niezaka ny hahita sehatra vaovao. Rehefa mangetaheta fanovàna ny olona iray, tsy mahagaga raha mipoitra ny tahotra sy ny fisalasalàna. Fotoana toy izany no nanatrehanay ny fampisehoany, ary tsaroako fa fatratra loatra ny hafaliako nony nandao ny teatra aho, nahazo herim-po sy fahavitrihana tsy manam-petra.

Mitanisa ireo zava-niainany koa i koyu, mpilalao fototra,  ary mamintina:

以前から何度も書いていますが、私にとって舞踏は自分の創作活動に指針となる芸術様式といっていいほど影響を受けております。

大野先生、長い間、ありがとうございました。

Araka izay efa nosoratako foana tany aloha, ny butoh dia endrika kanto izay aingam-panahy nanampy ahy tamin'ny asa famoronako manokana.Ohno Sensei, misaotra sy mankasitraka anao tamin'ireny taona maro ireny.

Ilay mpitoraka blaogy fujita244 dia niteny:

力強さではなく、魂の揺れる感じ、心が襞でできていることを肉体で表現していた。
晩年の皺くちゃな肉体が、繊細な魂そのもののように見える人だった。

70歳を過ぎて国際的な評価が高まり、80歳、90歳になっても踊った。
私が見るようになったのも、この頃だった。

Tsy tanjaka no nasehony tamin'ny vatany fa ny fanonjan'ny fanahy sy ny fo vita amin'ny felam-boninkazo. Ny fanahy malemy mihitsy no asehon'ny fahanterany sy ny vatany mikentrokentrona.
Taorian'ny nahatratrarany ny faha-70 taonany izay izy vao tena nalaza maneran-tany, ary mbola nandihy izy tamin'ny faha-80 sy 90 taonany. Nandritra izany fotoana izany no nahalasa ahy ho mpankafy.

Kengo Nakamura dia namoaka sary mahafinaritra vitsivitsy misy an'i Ohno nandritra ny filalaovana an-tsehatra ilay tantaran'i Yukio Nakagawa, “Hanagurui” (Hadalàn'ny voninkazo) tamin'ny 2003.

Tamin'ny fitsingerenan'ny faha-100 taonany, mpaka sary 47  izay  voasarika manokana sy voafaritra taminy mihitsy aza na ahoana na ahoana, no niara-niasa nanao fampirantiana sary mitondra ny lohateny hoe “Kazuo Ohno araka ny firaketana an-tsary nataon'ireo mpakasary”. Ny komity dia notarihan'i Eikoh Hosoe, andry iankinan'ny tontolon'ny fakàna sary maoderina Japoney.

Na dia taorian'ny nampalemy azy aza dia mbola nahita fomba hanehoany hevitra foana i Ohno amin'ny fampiasàna ireo tànany sy ny tratrany:

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.