Tsy Midina An-dalam-be Fotsiny Ihany Ireo Kroaty Mpiaro Ny Zon'ny Vehivavy Fa Manova Anarana Azy Ireny Ihany koa

Photo: a street sign renamed after Vesna Parun, a Croatian poet Credits: Marinella Matejcic

Takelaka mpanondro làlana nomena ny anaran'i Vesna Parun, Kroaty poety. Sary: Marinella Matejcic

Fitopolo taona aty aorian'ny nahafahan'ireo vehivavy Kroaty nifidy,  ankehitriny nifidy ny vehivavy Filoham-pireneny voalohany izy ireo. Indrisy anefa, sarotra ny hitady vehivavy Kroaty sahy hijoro hilaza amin'ny fahatokiana tanteraka fa ny Filoham-pirenena Kolinda Grabar-Kitarovic dia tena hanome lanja ny zon'ny vehivavy ao. Mifanohitra amin'izany aza, ny politikan'ny Filoha amin'ny antoko elatra havanana dia toa mifanipaka tanteraka amin'ny maro amin'ireo zo takian'ny vehivavy.

Nisy fiantraikany ratsy tamin'ny toekaren'i Kroasia ny krizy iraisam-pirenena, ka izany no mahatonga ny governemanta hampiroborobo ireo politikam-pitsitsiana vaovao isan-karazany. Politika izay misy fiantraikany tsy voafetra tokoa amin'ireo vehivavy satria ry zareo no tena betsaka amin'ireo mpitaky izany (indrindra fa ireo reny tsy manambady, noho ny fanomezan'ny fitsarana ny zaza ho azy ireo aorian'ny fisarahana). Ary satria nahenan'ny governemanta ny tombontsoa  ara-tsosialy, elingelenin'ireo mpandàla ny fomban-drazana ao Kroasia ihany koa ny fanafoanana ny zo fandrindrana fiterahana sy ny ara-pananahana.

Mazava izao fa maro ny zavatra mbola tokony hatao, ka izay no nahatonga ireo mafana fo hanao ny hetsika tamin'ny 8 Marsa, Andro Iraisam-pirenena ho an'ny Vehivavy. Tao Rijeka, vao nifoha ny mponina dia nahita fiovàna — nandritry ny alina, maro ireo mpiaro zon'ny vehivavy sy mafana fo avy ao amin'ny LGBT no nanao hetsika toy ny mpanao ady anaty akata ary nanome anarana vaovao ho an'ireo lalana tao ho lasa ny anaran'ireo vehivavy nanàna ny naha-izy teo amin'ny tantara. Teo ho eo amin'ny anarana lalàna 150 teo no nametahan'izy ireo taratasy A4 na A5 misy ny anaran'ireo vehivavy nahavita be teo amin'ny firenena, kanefa toa hadino ary tsy noresahana teny anivon'ny resaka na ny habaka natao ho an'ny daholobe.

10363696_10152646476461691_4234069840013650008_n

Sary avy amin'ilay hetsika natao ny 08 marsa tao Zagreb, Kroasia. Sora-baventy voalohany :”Ny vatako, ny fanapahan-kevitro.” Ny faharoa : “Andron'ny fanoherana ny 8 Marsa.” Ny fahatelo : “Lavina ireo  fepetra fitsitsiana hahavoa ny vehivavy.” Naka ny sary : Svjetlana Kneževic, nahazoana alalana ny famerenana mamoaka azy

Ny 7 Marsa, nanao hetsi-panoherana tao Zagreb renivohitra Kraoty ihany koa ireo fikambanana  mpiaro ny zon'ny vehivavy, teo ambanin'ny teny faneva hoe “Andron'ny fanoherana : Lavina ny Fepetra Fitsitsiana“. Ny tanjon'izy ireo dia ny hampibaribary fa mbola mitohy hatrany ny tolona hisian'ny fitoviana ara-tsosialy, politika ary toekarena eo amin'ny lahy sy vavy.

Ary tao Split, ny Cenzura Plus, fikambanana iray tsy miankina amin'ny fanjakana, dia niaraka taminà mafana fo folo nanao fihetsiketsehana nanoloana ny hopitaly hanasongadinana ny maha zava-dehibe ny safidy malalaka raha ny momba ny fandrindrana ny fiterahana eo amin'ny vehivavy . Nitondra sora-baventy maro nahitàna hafatra mavesatra izy ireo, toy ny hoe , “Ny herisetra lehibe indrindra eo amin'ny fiarahamonina dia ny tsy firaharahiana “, “Tsy hiverina intsony amin'ny fanalàn-jaza tsy ara-dalana izahay”, “Miady ho an'ny zo ananan'ny vehivavy tsirairay ireo  Mpiaro ny vehivavy”, ary “homany ny làlanay hahazo fandrindrana fiainam-pianakaviana, fanabeazana ary hiady hampitsahatra ny herisetra atao amin'ny vehivavy “.

‘ Tsy resaka voninkazo ‘

Ny Andro Iraisam-pirenena ho an'ny Vehivavy dia famantarana ny tolona ataon'ny vehivavy ho amin'ny fivoarana ara-toekarena sy ny maha olombelona. ilay andro izay ankalazaina maneran-tany sy anaty aterineto (jereo ilay tetikasa Web Women Want, izay mitanisa vehivavy efa ho 100 mpikirakira tranonkala mikasika ny fahitàn'izy ireo ny aterineto), zatra nanana firehana politika maro. Amin'izao fotoana izao, dia matetika lasa fotoana fanehoana fitiavana an'ireo vehivavy izy io.

Ana Maria Filipovic Grcic, Kroaty iray mpiaro ny vehivavy sady mpanao gazety no nampahatsiahy ireo mpamaky tao amin'ny lahatsorany momba iny fankalazàna ny Andro Iraisam-pirenena ho an'ny Vehivavy iny, hoe :

Osmi mart nije cvijeće i Kozmo sniženje parfema 40 posto, već obilježavanje dana kad su žene prosvjedovale zbog malih plaća i loših uvjeta. Što čine i dan danas. Između ostalog, da bi tebi bilo bolje. Učini i ti nešto za društvo – evoluiraj.

08 Marsa, tsy resaka voninkazo sy fihenam-bidy 40 isan-jato amin'ny ranomanitra, fa mahakasika kosa ny fahatsiarovana ny andro nidinan'ireo vehivavy nanao hetsi-panoherana teny an-dalàmbe satria kely ny karaman'izy ireo ary ratsy ny fepetra niasàny. Ary mbola manao izany ihany ry zareo. Ankoatry ny zavatra hafa, mikatsaka izay hahatsara ny tontolonao. Manaova zavatra ho an'ny fiarahamonina — meteza handroso.

My body, my decision.  Credits: Svjetlana Knezevic, reposted with permission

“Ny vatako, ny fanapahan-kevitro.” Sary: Svjetlana Knezevic, naverina navoaka rehefa nahazoana alàlana

Vehivavy ny 49.6% ny mponina ao Kroasia. Araka ny fanambaran'ny The World's Women 2010: Trends and Statistics Report, (Ny Tontolon'ny Vehivavy 2010: Tatitra momba ny Fironana sy ny Antontanisa) dia misy 57 tapitrisa mihoatra ny vehivavy ny lehilahy maneran-tany. Araka ny antontanisa, io fitongilanana io dia betsaka kokoa ao Eoropa. Maneho ny tatitra fa :

  • Ny vehivavy 25 ka hatramin'ny 54 taona dia manana tahana fandraisan'andraikitra  lehibe kokoa saika manerana ny faritra maro raha oharina tamin'ny taona 1990.
  • Ny tahan'ny karaman'ny vehivavy dia eo amin'ny 70 ka hatramin'ny 90 isan-jaton'ny karaman'ny lehilahy mitovy asa aminy.
  • Ny fiterahana no tena mbola loharanon'ny fanilikilihana arak'asa. Na eo aza ny lalàna misy mikasika ny fiterahana, dia mbola maro ireo vehivavy bevohoka no very asa, ary tsy zava-baovao ny fitarainana momba ny fandroahana mifandraika amin'ny fiterahana tonga any amin'ny fitsarana.

Saika ny vehivavy rehetra manerana an'i Eoropa no miatrika olana toy izany. Tsy fisian'asa, karama ambany, fefy tsy hitamaso, ary mazàna voahilika eo amin'ny fiainam-piarahamonina sy ny politika. Araka ny voalazan'ny Vohikalan'ny Andro Iraisam-pirenena ho an'ny Vehivavy, no lohahevitra amin'ity taona ity dia ny hoe “Ataovy izay hahatanterahana azy “. Eto dia iriana indrindra ny haneken'ny vehivavy manerantany io fanamby lehibe io ka, araky ny nolazain'i Mahatma Gandhi, ho ilay fiovàna tian-dry zareo ho hita manerana izao tontolo izao.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.