Fifanakalozan-kevitra Momba Ny Fifandraisana — Fa Tsy Fiovàna Politika — Ao Iran

A cellphone charging station in Iran. Photo by Ben Piven via Flickr (CC BY-ND-SA 2.0)

Toerana famahanana finday ao Iran. Sary an'i Ben Piven tao amin'ny Flickr (CC BY-ND-SA 2.0)

Nandray anjara tamin'ìty tatitra ity i Jillian York, Mahsa Alimardani, ary Fred Petrossian .

Saika ny fandrakofana vaovao rehetra ataon'ireo media tandrefana no toa mifantoka amin'ny fiovàna politika sy fitondràna — na dia efa olana toy ny fahafahana mahazo vaovao aza no resahana. Tsy ny filoha ambony mitondra an'i Iran anefa no olan'ireo mpikatroka mafàna fo mpandàla ny fahalalahan'ny aterineto sy ireo mpikaroa — fa kosa, izahay te-hiresaka, momba ny fomba ataon'ny Iraniana miditra amin-kalalahana amin'ny teknolojian'ny fifandraisana sy ny fampahalalam-baovao izay mampifandray ny Iraniana samy Iraniana, ary amin'izao tontolo izao. Nanangana politika momba ny aterineto ny governemanta Iraniana izay azo itarafana ny fifamahofahoana sy fifanoheran-kevitra misy anay anatin'ireo andrim-panjakan'ity Repoblika Islamika ity — mendrika arahana mso akaiky izy ireny, tsy hoe fotsiny noho ny resaka rafitra fahefana ara-politkasy fiovàna, fa koa ny tontolo ara-toekarena, sosialy ary kolontsaina.

Tamin”ny herinandro lasa teo ireo manampahaziana sy mpikaroka ara-teknika miombon-kevitra amin'ity fomba firoso ity dia nifamory tao amin'ny Iran Cyber Dialogue (Fifanakalozana-dresaka momba ny Cyber ao Iran) tao Valencia, Espaina. Hita tao anatn'ireo mpandray anjara ny mpikambana avy amin'ny governemanta, toy ilay Persiana mpitondra teny ao amin'ny ao amin'ny Departemantam-panjakana ao Etazonia Alan Eyre; ireo solontenan'ny orinasa toa an'i Scott Carpenter avy amin'ny Google Idea; mpikambana avy amin'ny fiarahamonim-pirenena sivily , toa an'i Amir Rashidi avy amin'ny Fanentanana Iraisampirenena ho an'ny Zon'olombelona ao Iran; ary ireo manampahaizana manokana momba ny teknika, toa an'i Dan Meredith avy amin'ny Open Technology Fund.

Collin Anderson, mpikaroka iray momba ny aterineto, izay niteny nandritra ilay hetsika, dia namehy ny fifanakalozan-kevitra ho ao aminà olana ahitana teboka telo lehibe: ny fandrosoana ara-toekarena, ny filaminam-pirenena, ary ny fametrahana fepetra amin'ny fipaingorana. Ny fanehoankeviny nandritry fandraisana fitenenana nomena lohateny hoe “Ny Teknolojia ho Fanoitra” dia tena nanampyhiroso tany amin'ny resaka zon'olombelona ilay fifanakalozan-dresaka. Nanentana izy hoe “Ilainareo ny miasa loha amin'ireo zavatra somary tsy dia inona loatra, kanefa dia afaka adiko ho fahafahana manana fidirana midadasika be.” Nanome ohatra izy  momba ny tanjon'ny governemanta hanangana antokon-draharaha hanana fahefana hanome ny taratasy fanamarinana SSL ao an-toerana. Amin'izao fotoana aloha ireo  orinasa Iraniana, hatramin'ireo rantsan'ny governemanta, dia miantehitra amin'ireo manampahefana avy any ivelany mpanome taratasy fanamarinana ho an'ny fahazona antoka ny tranonkalan-dry zareo.  Nanindry i Anderson fa hetsika ara-drariny izany ho an'ny fanjakàna, satria mitondra olana ho an'ny fiandrianam-pirenena ny fianteherana amin'ireo fanamarinana avy any ivelany.

Golnaz Esfandiari, mpanao gazety sady mpamoaka lahatsoratry ny bilaogy malaza, Persian Letters, mitatitra momba ny ao Iran, dia nanazava ny tontolo ara-politikan'ilay politikan'ny aterineto ary nanoritsoritra ny fisian'ny fihenjanana ao anatiny ao hita eo amin'ny fitantanan'i Rouhani sy ireo andrim-panjakana ivelan'ny fifehezan'ny Filoha, toy ny fitsarana.

Jillian York, mpikambana ato amin'ny  Global Voices sady tale iraisampirenena ho an'ny fahalalahana maneho hevitra ao amin'ny Electronic Frontier Foundation, dia nitondra fomba fijery mivelatra kokoa avy any Afovoany Atsinanana. Nomarihan'i York fa manana tolona mitovy amin'izany fikatsahana fahalalahana amin'ny aterineto mitranga ao Iran izany ireo firenena hafa ao amin'ny faritra. Ohatra, Palestina dia voateriterin'i Israely amin'ny fidirana amin'ny 3G, izay mety hisy fiantraikany amin'ny firoboroboana ara-toekarena. Ankoatra izay, toa an'i Iran, i Syria sy Sodana dia samy voadonan'ireo sazy faneriterena amin'ny fanafarana sy fampiasàna ny sasantsasany amin'ireo teknolojia any amin'ireo firenena ireo.

Nafantoka tamin'ny fifanoheran'ireo orinasa manome tolotra aterineto ny fifanakalozan-dresaka hafa. Notondroin'ireo mpandray fitenenana ireo orinasa izay miaro ny politikan'ny fivezivezena malalaky ny vaovao sy ny fahalalahana maneho hevitra, sady mbola mihazona hatrany ireo politika mifanohitra amin'izany manoloana ireo Iraniana mpampiasa aterineto. Tao amin'ny resaka “Mandeha miroso: Manangana Valin-kafatra Mahomby,” nanamarika ny Talen'ny “Impact Iran”, Mani Mostofi, fa tsy avelan'ny Twitter hatao ireo dingana roa fanamarinana ho an'ireo mpampiasa ao Iran. Avo vavamihitsy ny Twitter momba ny tsy ahafahan'ireo Iraniana miditra sy mampiasa ny sehatr'izy ireo tsy mandalo sivana ao Iran.

Lazain'ny Twitter fa tokony hibitsika ny tsirairay ao Iran saingy tsy afaka manao ireo dingana roa fanamarinana ka noho izany dia tsy azo antoka: izany no zava-mifanohitra ao.

 Ny mpampakateny manokan'ny Firenena Mikambana momba ny olan'ny zon'olombelona ao Iran,  Ahmed Shaheed, dia niteny tamin'ireo mpanatrika hoe “rà mamelona ahy ny ICT.” Voabahana tsy afaka miditra aminy anefa ity mpampakateny ity ao Iran, ary tsy afaka mifandray amin'ireo Iraniana amin'ny alàlan'ireo sehatra toy ny Skype. Marietje Schaake, Nerlande iray mpikambana ao amin'ny Parlemanta Eoropeana, no nanazava fa ny fomba fampiasàna VPN no torohevitra voarainy voalohany indrindra tamin'ny nahatongavany tao Teheran. Ny fampiasàn'ny Iraniana ny Facebook ho toy ny fitaovana iray ilainy isanandro, ary ny fandraisan'izy ireo anjara amin'ireo zavatra tahàka ilay fakàna tàhaka ny lahatsarin'i Pharrel Williams’ “Happy” dia midika fa marobe ny Iraniana no manana fahatsapàna matanjaka be momba ny maha-ao anatin'ny tontolon'ny kolontsaina erantany azy ireo.

Schaake nanamarika hoe :

Mila mitsofoka aminà fahalalàna bebe kokoa isika mikasika ny teknolojia ho toy ny rivotra iainana ho an'ny vahoaka Iraniana hifandraisany amin'izao tontolo izao, no sady koa tonga saina amin'ny anjara toerana raisintsika mikasika ireo teknolojia ireo izay afaka ampiasaina ho famoretana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.