Kisarisary Amin'ny Aterineto Maneho Ny Satan'ny Vehivavy Ao Shina Ankehitriny

Baidu's and Google's doodles on March 8. Screenshots.

Kisarisarin'ny Baidu sy Google tamin'ny 8 Martsa. Pikantsary CXQ.

«Hazonin'ny vehivavy ny atsasaky ny lanitra” hoy ny sary iray tamin'ny Revolisiona Komonista Shina tamin'ny taona 1949, mankalaza ny fanafahana ny vehivavy tamin'ny rafitra feodaly. Ary ahoana no fomba ikarakarana ny vehivavy ao Shina ankehitriny? Sarotra ny hamaly tsy hitanila, saingy ny fijerena ny kisarisary ao amin'ny Baidu [milina fikarohana goavana indrindra amin'ny aterineto ao amin'ny firenena] momba ny andro iraisam-pirenena ho an'ny vehivavy tamin'ny 8 Marsa no manome famantarana sasantsasany: saribakoly ao anatin'ny vata mozika.

Nifangarika tamin'ny kisarisarin'ny [Doodle] Google tamin'ny Andron'ny Vehivavy ny kisaritsarin'ny Baidu. Bilaogera Shinoa malaza iray, miantso ny tenany ho “Pretending in New York (mihevi-tena fa any New York),” niresaka izany fahasamihafana izany :

平心而论,谷歌的图也算不上有多优秀,只是刚好政治正确而已,但是这样原本没有什么好说的政治正确,一和百度的图比起来,就显得很可贵了。

Tsorina, tsy dia mamirapiratra ny kisarisarin'ny Google, fa mety ara-politika. Saingy tena sarobidy ity fahamarinana ara-politika mahazatra ity raha oharina amin'ny kisarisarin'ny Baidu.

Nanasongadina ny sasany tamin'ireo fanehoan-kevitra avy amin'ny Weibo sy WeChat tamina lahatsoratra bilaogy iray ihany koa izy, manazava ny antony iheverany fa mety mampiasa ny fahitsiana ara-politika bebe kokoa i Shina :

@鲸书

高下立判。
百度的图,把女性当成柔弱、可爱,需要被保护的小女孩;
谷歌的图,尊重女性职业、年龄、生活状态等的多样性。

Mora tokoa ny hilaza hoe iza no tsara kokoa.
Amin'ny kisarisarin'ny Baidu, tovovavy marefo sy mahafatifaty ny vehivavy ary mila arovana.
Amin'ny kisarisarin'ny Google, maneho fanajana ny vehivavy manana andraikitra, taona ary fomba fiainana samihafa.

@lilyzoo
百度的图是个装在漂亮盒子里的玩具,连人都不是。

@lilyzoo
Saribakoly ao anaty boaty tsara tarehy ny kisarisarin'ny Baidu, tsy olombelona akory aza izany.

@匿名用户
苹果给系统加了几百个各色人种、性向的表情;谷歌为所有职业、所有年龄的女人一起庆祝节日,百度还在把女孩装在盒子里,漂漂亮亮结婚生子,任人赏玩。

@anonymous user (mpisera tsy mitonona anarana)
Nanampy sary masina mampihetsi-po ho an'ny olona manana fitiavan-doko samihafa sy fironana ara-nofo isan-karazany ao anatin'ny rafitrany ny Apple; Mankalaza ny fetibe miaraka amin'ny vehivavy manana andraikitra sy taona samihafa kosa ny Google; ary mametraka ny tovovavy ao anaty boaty kosa ny Baidu. Mila mijanona ho mahafatifaty, manambady, miteraka sy hojeren'ny hafa fotsiny izy.

@acel rovsion

某些互联网商在性别观念上显得相当愚昧,所以在性别表现上倾向了父权社会的刻板印象,甚至是某种矮化,用消费主义论调包装了一个男性中心话语视角下的空壳形象[…]完全忽视了女性本身的主体性。当然,这么做的原因,是因为大量相关的电商广告和节日活动的消费。

@acel rovsion
Misy ireo orinasa Aterineto tena tratra aoriana amin'ny fomba fijeriny ny lahy sy ny vavy. Izany no mahatonga ny fanehoan'izy ireo ny lahy sy ny vavy ho feno ny fitsarana an-tendron'ny fiarahamonina anjakazakan'ny lahy (patriarika). Misy mihitsy aza ny sasany manambany ny vehivavy amin'ny fanaronana azy ao anaty sary babangoana ary jeren'ny lehilahy ho fanjifany. […] tsy raharahiana ny maha-vehivavy ny vehivavy. Mazava loatra, manao izany ry zareo hanomezana fahafaham-po ny filànan'ny varotra antserasera sy ny fanjifana amin'ny andro fety.

@金子

为什么我作为一个女性会感到反感呢?嗯,因为我并不想当一个“公主”啊。我对音乐盒、珠宝、儿童玩具通通没兴趣,我只想做个独立自主的普通女性罢了[…]百度已经不是第一次在伤我的心了。我记得在上初中时上网查找资料,才在搜索框中打出“怎样”两个字,下拉栏中自动显示出一些内容,其中排名第一(抑或是是第二)显示的是“怎样生儿子”。知道那时一个13、4岁的女孩子心中是怎样的心情吗?不开心,真的很不开心。

@Jingzi
Nahoana no mahatsiaro tafintohina aho amin'ny maha-vehivavy ahy? Satria tsy te-ho “andriambavy” aho.Tsy liana amin'ny boaty mozika, firavaka na kilalao aho. Fa te ho vehivavy olo-tsotra mahaleotena fotsiny. […] Tsy vao sambany ny Baidu no nanevateva ahy. Mbola tsaroako aho nampiasa ny habaka indray mandeha, fony aho mbola kely teny amin'ny lisea. Rehefa manendry ny teny hoe “ahoana no fomba” ao amin'ny milina fikarohana aho, ny sosokevitra tohiny miseho ho azy avy hatrany dia hoe “ahoana no fomba fiterahana”, mba fantatrao ve fa misy fiantraikany amin'ny ankizivavy 13 na 14 taona izany? Nahatsiaro nangoritsina kivy ratsy aho.

@Dora Chen

妇女节的意义应该告诉世界人人平等,不是女人需要特别的(尤其是金钱上的)关爱。百度准确地投影了中国社会对于女性“玩物性质”的定义,其实这也无形中增加了男性的负担,比如说“屌丝跪舔女神”,而“女神则倾心于高富帅”。所以说男人们,解放女性,也是解放你们自己啊!

@Dora Chen
Ny andro  Iraisam-pirenena hoan'ny vehivavy dia mba hilazana amin'izao tontolo izao fa nateraka mba hitovy ny olon-drehetra, fa tsy hoe mila fiahiana (ara-bola) manokana ny vehivavy. Mampiseho ny fomba famaritan'ny fiarahamonina Shinoa ny vehivavy  ho toy ny “kilalao” ny Baidu. Ankehitriny, mbola enta-mavesatra hoan'ny lehilahy izany famaritana izany. [Manamafy ny fandresen-dahatra efa ao anaty izany] tahaka ny hevitra hoe tsy maintsy mandohalika ary milelaka ny andriamanibaviny ny “Diaosi [mahantra, lehilahy tsy dia tsara tarehy],” ary ny lehilahy tsara indrindra, ny manja indrindra sy ny manankarena indrindra ihany no tian'ny andriamanibavy”. Manafaka ny lehilahy ihany koa ny fanafahana ny vehivavy.

Nanasongadina ny zava-iainana ao amin'ny toeram-piasan'i @LinaliHuang, izay nozarainy tao amin'ny Wechat i “Pretending in New York” [milaza tena ho any New York] :

和某數一數二的互聯網公司合作,畫婦女節主題圖。畫了各行各業高矮胖瘦的女性,大家都笑得很開心。文案大概是「做你喜歡的自己」。前期審稿團隊基本是女性,過得特別順利,最後關頭被大老板腰斬,換上一張小女人在花叢中喝荼的圖,文案是你值得呵護。右圖是剛看到的今日 Google,我覺得很悲哀。

Niasa niaraka tamina orinasa goavan'ny aterineto miresaka sary lohahevitra andron'ny vehivavy. Ahitana vehivavy manana haben'ny vatana samihafa amin'ny asa samihafa ny sary. Nankafy ny fanaovana izany ny ekipa ary faly tokoa tamin'ny vokatra. Ny fanazavan-tsary dia hoe “Mijoroa amin'ny maha-anao anao.” Vehivavy avokoa ny ankamaroan'ireo mpikambana ary nisosa tsara ny zava-drehetra tany am-boalohany. Saingy nolavin'ny patirao ny hevitra ary novaina ho vehivavy kely manangona ravindite ao anjaridaina. Milaza ny fanazavana an-tsary hoe: “Mendrika fiahiana manokana ianao.” Nahita ny Google aho androany, ary mahatsiaro malahelo.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.