Sariitatra Manameloka Ny Herisetra Nataon'ny Fanjakana Tao Myanmar Taorian'ny Nanafihan'ireo ‘Polisy Jiolahimboto’ Ny Famoriam-bahoaka Nataon'ny Mpianatra

Myanmar Cartoon 2

Mampaharefo ny rafi-pitsarana ao amin'ny firenena ny famoretana feno herisetra natao vao haingana tamin'ireo mpianatra nanao hetsi-panoherana tao Myanmar. Sariitatra nataon'i Kyaw Thu Rein. Zaraina be ao amin'ny media sosialy.

Zaraina betsaka ao amin'ny Facebook ireo sariitatra hanamelohana ireo fomba feno herisetran'ny fanjakana tamin'ny fandraisana an-tànana ny hetsi-panoheran'ny mpianatra tao Yangon renivohitra fahiny tao Myanmar.

Ny pejy Facebook Brainwave (Nyanhline) dia manangona ny sasany amin'ireny sariitatra ireny, izay vetivety foana dia nameno ny serasera rehefa notafihan'ny polisy ny mpianatra sy mpikatroka mafàna fo teo amin'ny 200 eo ho eo, ny 5 Martsa 2015.

Niandry ny fahatongavan'ireo mpianatra avy any Mandalay ireo tanora mpanao hetsi-panoherana, teo anoloan'ny lapan'ny tanàna tao Yangon, dia ireo mpianatra nanao diabe avy any Mandalay ho any amin'ny renivohitra hatramin'ny 20 Janoary mba hanao tsindry amin'ny tokony hitondràna fanovàna amin'ny fanabeazana.

Nahasarika ny sain'ny firenena manontolo mba hijery ny fitakian'ireo mpianatra ilay diabe mitontaly efa ho 640 km (400 miles) avy any Mandalay ho ao Yangon, fitakiana izay ahitàna ny fandàvan-dry zareo ilay Volavolan-Dalàna izay nampidirin'ny governemanta tamin'ny Septambra lasa teo. Ilay fepetra vaovao, hoy ireo mpianatra, dia mety hanohintohina ny zon'olombelona any amin'ny toeram-ponenan'ireo mpianatra.

Niha-goavana ilay diabe arakaraky ny nandalovany ireo tanàna sy tanàn-dehibe maro. Saingy mazàna izy io no nosakanana na nahazo ramatahora avy amin'ny polisy sy ireo hery hafa an'ny governemanta.

Ny 11 Febroary, nifampiraharaha tamin'ireo mpianatra ny governamanta, mpianatra izay nanamafy ny zony ho tonga any Yangon. Saingy nolavin'ny governemanta izany ary dia nanome baiko hanaovana sakana ry zareo hanakanana ilay diabe tsy ho tonga ao amin'ilay tanàna voalohany ao amin'ny firenena. Nitohy nioso hatrany anefa ilay diabe, mandra-panakaikiny an'i Yangon.

Ho fanohanana ireo mpanao diabe, nifamory teo anoloan'ny Lapan'ny tanàna ireo mpianatra tao Yangon hitaky ny fanesorana ny sakana.

Io no fotoana nahatongavan'ireo polisy manao fanamiana sivily fantatra amin'ny anarany hoe Swarn Ar Shin, izay midika ara-bakiteny hoe Tompon'ny fahefana, nanaparitaka ireo mpianatra.

Jiolahimboto tohanan'ny governemanta mba hiady sy hisambotra mpanao hetsi-panoherana no fahitàn'ireo mponina ireto Swam Ar Shin ireto. Lasa mari-pamantarana ny famoretana ataon'ny fanjakana ilay tapa-damba mena fitondran-dry zareo eny amin'ny sandriny. Lasa nalaza ratsy ny Swam Ar Shin noho ny famoretana feno habibiana sy herisetra nataony tamin'ireo mpanao hetsi-panoherana nandritry ny Saffron Revolution tamin'ny 2007.

Nantenaina fa ho ataon'ilay lazaina ho tetezamita demaokratika ao Myanmar ho lasa tsy misy ilàna azy ity vondrona ity. Indrisy, netsehina indray ry zareo mba hampiharana ny lalàna sy ny filaminana, izay nitarika tany amin'ny fanaparitahana an-kerisetra ilay hetsi-panoherana am-pilaminana notarihan'ny mpianatra.

Myanmar student protest

Mpikambana iray ao anatin'ilay andianà polisy sivily misambotra tovovavy mpianatra iray mafàna fo. Sary lasa nivezivezy be tao amin'ny Facebook.

Toherin'ny maro ny fampiasàna polisy sivily mba hamelezana famoriam-bahoaka. Isan'ireo nanakiana ny governemanta ireo mpanao sariitatra, tamin'ny nampiasàn-dry zareo herisetra tafahoatra tamin'ireo tanora mpianatra. Ny sariitatra nataon'izy ireo, nangonina ao amin'ny pejy Facebook-n'ny Brainwave (Nyanhline), dia ahitàna taratra ny hatezeran'ireo olom-pirenena marobe ary ny fitomboan'ny fanakianana ny fanavaozana politka izay voalaza fa apetrak'ilay governemanta sivily tohanan'ny tafika.

Ohatra, i Kyaw Thu Rain, mpanao sariitatra dia manondro ny Swam Arr Shin ho ny loza mitatao voalohany ho an'ny tetezamita demaokratika ao amin'ny firenena.

Myanmar Cartoon 8

Ny maribolana eo amin'ny sary dia miteny ny fiovàn'i Myanmar.
Ny tsipika marindrano X dia mampiseho ny taona 2010 hatramin'ny 2015. Sariitatra an'i Kyaw Thu Rein. Zaraina be ao amin'ny Facebook.

Inoan'i Saw Naing Htut, mpanao sariitatra iray hafa, fa ampiasaina amin'ny tsy tokony ho izy ny polisy.

Myanmar Cartoon 3

Hoy ny soratra “OK, ndeha hatomboka ny asantsika, raha toa izy ireo [ny polisy] mbola variana amin-javatra hafa”. Sariitatra an'i Saw Naing Htoo. Zaraina be ao amin'ny Facebook.

 AAW Taung Gyi  koa manontany tena momba ny fahadiovam-pon'ny governemanta amin'ny alàlan'ity tantara an-tsary fohy ity.

Myanmar Cartoon 7

Ankavia: Any amin'ny firenenay, ofaninay ny alika mba hiambina ny fihetsika mahery setra. Ankavanana: Any amin'ny firenenay, ofaninay hanao herisetra ny olona. Sariitatra an'i AAW Taung Gyi. Zaraina be ao amin'ny Facebook.

Myanmar Cartoon 4

Ery ambony: Ry vahoaka malàla, ho an'ireo te-hihemotra, tsy maintsy hilaozantsika any aoriana any ry zareo. Eo ambany: Hey, hey, andraso aho. Sariitatra an'i AAW Taung Gyi. Zaraina be ao amin'ny Facebook.

Ho an'i Kar Lu Pyi, dia inoany fa dingana lehibe ny fanavaozana ny fanabeazana mba hanofànana andianà mpitarika vaovao.

Myanmar Cartoon 11

Ery ambony: Mba hahafahana manatratra ny fenitra iraisampirenena, ilaintsika ny mampiakatra ny kalitaon'ny fanabeazana.
Eo afovoany: Misongadina fotsiny ny mpitarika mendrika rehefa nahazo fanabeazana ny olona.
Eo ambany: Rehefa tsy nahita fianarana, dia karazana mpitarika toy izao no ho azontsika.
Sariitatra an'i Kar Lu Pyi. Zaraina be ao amin'ny Facebook.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.