Madrid : Firaisankina Teraka Avy Amin'ny Sisanà Korontam-Baton'ny Trano Iray Noravàna

Vecinos inician, en la calle Ofelia Nieto, la reconstrucción de la casa desahuciada en Madrid.

Nanomboka namerina nanangana indray ilay trano rava teo amin'ny làlan'i Ofelia Nieto tany Madrid ireo mpifanolo-bodirindrina. Sary avy amin'i Juan Carlos Mohr. Nahazoana alàlana.

Ny marainan'ny 1 Martsa, nifamory tao amin'ny làlana 29 Ofelia any Tetuan distrikan'i Madrid ny andian'olom-pirenena, mitàna fitaovam-piasàna, mba hanomboka hamerina ny fananganana indray trano iray izay nalàn'ny tanàna ny tompony ary noravàna. Niray hina tamin'ireo taranaka telon'ny fianakaviana iray izay voahilika izy ireo, nanangona sy nifantina ireo sisa tamin'ny korontam-bato mbola azo hananganana niaraka tamin'ny lapela sy ny fonon-tànana. 

Natoky ny fanohanan'ireo manodidina sy ireo fikambanana manohitra ny fanilihana ilay fianakaviana voahilika hatramin'ny nilazana tamin-dry zareo tamin'ny 2013 fa tokony hiala amin'ny tranony ry zareo noho ny fanapahan-kevitry ny Mpanolontsainan'ny tanànan'i Madrid. Iny asa famantarana matanjaka tamin'ny alahady iny no ohatry hita maso amin'ny hatsaram-panahy voarain-dry zareo.    

"De los escombros nace la solidaridad": el cartel de convocatoria para la reconstrucción de la vivienda derribad

“Teraka tamin'ny alàlan'ny sisa tamin'ny korotam-bato ny firaisankina “: peta-drindrina miantso ny fananganana indray ilay trano noravàna.

 Noforonina mba hialana amin'ny fanilihana ny bilaogy fanentanana Ofelia Nieto — nalaina tamin'ny anaran'ny làlana nisy ilay trano. Efa matetika no vitan'ireo mpikatroka mafàna fo ny nampihemotra ny fanilihana, tamin'ny alàlan'ny fitobiana teny an-toerana, ny fanaovana fanangonan-tsonia ary fikarakarana fivoriana. Manazava ny antony nandravana ny trano ilay bilaogy :

En virtud de un plan urbanístico aprobado en 2004, el Ayuntamiento (a través de la antigua Gerencia de Urbanismo) pretende derribar la casa. El pretexto: una superficie de 5,98 m2 que se interpone en el diseño de la acera contemplada por el plan.

Sin embargo, el verdadero motivo del derribo se adivina nada más observar la zona. Detrás de la casa hay un solar que, en caso de ejecutarse el derribo, dejaría una amplia parcela urbanizable junto a la calle Ofelia Nieto, una zona que en los últimos años ha sufrido un fuerte proceso de remodelación. Aunque el Ayuntamiento sea el responsable de la expropiación, la parcela está catalogada como zona residencial de vivienda privada, por lo que el único beneficiario será la inmobiliaria que la adquiera. Una oportunidad perfecta para la especulación, en la que las instituciones públicas ponen una alfombra roja al interés privado, pasando por encima de la vida de tres familias.

Araka ny drafi-pivoarana nankatoavina tamin'ny 2004 dia nanan-kevitra ny handrodana ilay trano ny  Mpanolotsaina monisipaly ( tamin'ny alàlan'ny sampan-draharahan'ny fampivoarana). Ny antony : tany manana habe 5,98 m² izay tafiditra ao anatin'ny fartra hanaovana ny làlan'ny mpandeha tongotra novinavina'ilay drafitra.

Nefa azonao fantarina amin'ny alàlan'ny fijerena ilay faritra ny antony marina nanaovana ilay fandravana. Misy tany malalaka ao ambadik'ilay trano ka raha tontosa ny fandravana azy dia hisy tany malalaka an-drenivohitra manakaiky ny làlana Ofelia Nieto, tany malalaka izay niaritra paika fanovàna goavana taona vitsy lasa izay. Na dia ny Mpanolotsainan'ny tanàna aza no tompon'antoka amin'ny fanalàna ny tompon-trano dia voasokajy ho tany malalaka azo asiana trano fonenan'olon-tsotra ilay tany, noho izany, ny orinasa misahana ny fananan-trano izay handray azy no hany hahazo tombony. Fotoana tena fanararaotra ho an'ny kajikajy, izay amelaran'ireo sampan-draharam-panjakana ny karipetra mena ho an'ny tombontsoa manokana. Tsy manao ho laharam-pahamehana ny fiainan'ireo fianakaviana telo.

Hatramin'izao dia nahasakana ny fandravàna ireo hetsika maro nataon-dry zareo , fa  nanaovan'ireo manam-pahefana be midina ilay trano ny farany ary narodany tanteraka, izay nahatonga adihevitra lalina tao amin'ny haino aman-jery sosialy amin'ny tenifototra #ON29. Olona am-polony maro no nanandrana nanakana ny fandrodanana ilay trano tamin'ny fitsanganana teo ambonin'ny fiara mpandrava fa farany nianjera ny varavaran'ilay trano ; ny sasany tao anaty trano ary ny hafa teny ivelany. Tsy nisy fampilazana izany, hoy ilay fianakaviana, ary fara-fahakeliny olona enina no voasambotra.  .

Tonga tsy nanana taratasy fandravana ny ON29 ny mpitandro ny filaminana. Mariky ny ady. ‘Ndehana mankany Tetuan ry Madrid !

Ankoatr'ireo fandaminana, dia nisy antoko politika sy mpanao politika maro toa an'i Alberto Garzón mpikambana ao amin'ny parlemantera avy amin'ny Izquierda Unida naneho hevitra tamin'ny Twitter momba ilay vaovao  :

Mampahery indrindra ireo rehetra any amin'ny #ON29 manakana ny fandrodanana, tsy rariny iray hafa.

Mbola mampametraka fanontaniana ny maha ara-dalàna ny fidirana an-tsehatra sy ny fisamborana. Nomelohin'ny Periodismo Humano, gazety iray azo fidina ao anaty aterineto, miaraka amin'ny Mpanao gazety tsy voafehin'ny sisintany (RSF) ny famelezana ny fahalalahan'ny fanehoan-kevitra izay nitarika ny fisamborana ny mpanao gazety Jaime Alekos, izay nanadihady nandritra ny taona maro ny fanilihana tao Espaina : 

#ESPAÑA | Tsikerain'ny mpanao gazety tsy voafetran'ny sisintany ny fisamborana ilay mpanao gazety mpanao lahatsary @JaimeAlekos tao anatinà fanilihana iray

Lahatsary roa, ny iray voalohany noraketin'ny olomn-tsotra mpanao gazety Juan Carlos Morh ny andron'ny fanilihana, ary ny faharoa nataon'ilay mpanao gazety voasambotra, samy maneho ny fidiran'ny mpitandro filaminana an-tsehatra tamin'ilay hetsika fanilihana ary ny fanohanan'ny mponina ireo fianakaviana voahilika :

 

Niverina tany Tetuan distrikan'i Madrid mba hiaro ireo mponina ao sy nanomboka nanangana indray ilay trano ireo mpanao fihetsiketsehana taorian'ny fandrodanana sy fisamborana. Saingy tsy maintsy nijanona zareo rehefa nahatsapa fa mety hisy ‘amiante’ ny korontam-bato. Nefa nitady fomba fanentanana hafa indray ry zareo.  

#Madrid Androany, mpiray monina sy olona mafana fo an-jatony no nanomboka ny #FamerenanaManorinaON29 #OfeliaNieto29

Manamoy ny asa fanorenana indray ny Ofelia Nieto izahay.

Mihevitra ry zareo fa nandresy fa ny tsy fantany dia vahoaka maro mahafatifaty no hanorina indray ny  #On29 #ReconstrucciON29

Vaovao nalaza tamin'ny fotoan'andro ny hetsika tahaka izany tany Barcelone sy Burgos tamin'ny taona lasa. Nisy vondronà olom-pirenena niaraka nanangana indray ny foibe sosialy mizakatenan'ny Can Vies taorian'ny andrana fandravana ilay tranobe tamin'ny volana Novambra 2014 tany amin'ny distrikan'i Sants tany Barcelone. Tany Burgos, tao amin'ny faritra manodidina an'i Gamonal, hetsi-panoherana mahery vaika nandritra ny 21 andro tamin'ny volana Janoary no nahasakanana ny fanorenana ilay làlam-be izay mitentina 8,5 tapitrisa Euros (9,1 dolara Amerikana eo ho eo )   

Na dia tsy nanana vintana tahaka izany aza ilay trano tao amin'ny làlana Ofelia Nieto tany Madrid dia nolazain'ireo mponina fa mbola hihetsika ihany ry zareo ho fiarovana ilay fianakaviana voahilika sy ireo faritra hafa voarahona tahaka izany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.