Balafomanga Mandeha Amin'ny Vatomamy? Nekena ny Fanamby!

Nametraka fanamby hoan'ny fiarahamonina siantifika sy ny injeniera ny mpanamboatra vatomamy Japoney UHA Mikakuto (UHA 味覚糖): famoronana sy fandefasana balafomanga safiotra mandeha amin'ny vatomamy.

Nisy namaly ny fanamby. Nandray anjara tamin'ny Tetikasa Balafomanga Vatomamy (Candy Rocket) , miditra an-tsehatra amin'ny fandefasana balafomanga iray, ireo mpahay siansa sy mpikaroka manerana an'i Japana.

Nandrakitra an-tantara ny vokatra azo tao amin'ny lahatsary Youtube ny UHA Mikakuto:

Ao amin'ny lahatsary, mamariparitra ny fomba nanairan'ny tetikasa ny fifantohan'izy ireo ny mpijery, raha nanazava ny fanamboarana ny balafomanga mandeha amin'ny vatomamy ho asa mahafinaritra kosa ireo mpampianatra ambony eny amin'ny oniversite sy siantifika isan-karazany.

Tamin'ny 7 Martsa, taorian'ny andrana anankiroa, nahavita nandefa balafomba 1.8 metatra, milanja 10 kilao amin'ny haavony 248 metatra ny ekipa.

rocketmotor

Fanehoana an-tsary ny milina Balafomanga Vatomamy. Sary nindramina tamin'i Mikakuto.

Nalefa tamin'ny alalan'ny vatomamy malefaka Puccho miisa 20 ny balafomanga. Araka ny filazan'ireo mpahay siansa nanaovana antsafa tao amin'ny habaka Fifaninanana Candy Rocket, [Balafomanga Vatomamy] hitan'ny manampahaizana nandray anjara ny fomba handevonana haingana ireo vatomamy Puccho ho lasa etona fandrehitra, izay mampandeha ny balafomanga avy eo.

Ity misy dokambarotra iray momba ny vatomamy Puccho, mampiseho ireo mpikamban'ny vondrona malaza AKB48:

Mankasitraka an'i Kevin Rothrock nanoro hevitra ny tokony hanoratana ny lahatsoratra

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.