Chili: Manomboka any Californie hatrany Chili eny ambony “biodiesel”

Olona roa teratany Siliana, Carlos Herrera – Mpiara-miasa amin’ny tale mpanatanteraka ao amin'ny Education Without Borders International – sy Maria Jose Calderon – mpanao horonantsary fanadihadiana nahazo mari-pankasitrahana sady mpanao gazety – no niaraka nitety tany lavitra nandritry ny 6 volana niainga tany Californie hatrany Chili, tamin'ny  El Chaski, fiara “4×4 Chevy Suburban 6,5L Turbo Diesel tamin'ny 1995, izay namboarina handeha amin'ny “Angovon-java-maniry voaodina (WVO)” , sy “Angovon-java-maniry ranoray (SVO)” ary biodiesel sy ny diesel mahazatra”.

Carlos manatavana lasantsy tany Mexico eo akaikin’i El Chaski. Sarin'i Maria José sy Carlos.

Tanjona telo no hotratrarina amin'ny tetik'asa ambadik'ity dia ity:

1.  Mandeha miainga any California hatrany Chili ka mampiasa lasantsy biolojika azo avaozina amin'ny fiaran-dry zareo biodiesel, ‘El Chaski’, namboarina handeha amin'ny lasantsin-java-maniry voaodina.

[…]

2. Fanaovana rakitr'asa multimedia mahaliana mba hisintonana ny tanora manerana an’i Amerika adihevitra tsy mitsaha-mitombo momba ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra.

[…]

3. Fananganana tambazotra amin'ny aterineto ho an'ireo vondrom-piaraha-monina, tanora, mpanabe sy ny maro hafa koa – hiara-hiasa amin'ny fananganana hoavy azontsika iaraha-miaina maharitra min’izao tontolo izao.

Nanao fanadihadiana sy nizara ny zava-niainany i Carlos sy Maria Jose tamin’ny alalan’ny horonantsary, saripika ary fanoratana blaogy tao amin’ny fizaràna antsoina hoe “Diary” ao amin'ilay vohikala. Manazava ny mombamomba io diary io ny pejy fandraisana ao amin'ilay blaogy:

Tianay ho fantatra ny fomba fanaon’i Amerika Atsimo mba ahitàny vahaolana maharitra manoloana ireo olana atrehiny.

Amin’ny alalan’ny fitaovam-panaovana tatitra niomerika (sary, feo ary horonantsary) no hanasongadinanay ireo tantaran'ireo fikambanana tsy miankina, fiaraha-miasa, ary mafana fo miasa ho an'ny fampandrosoana maharitra, sy hamohazanay ny fifandraisana eo amin’ny kolontsaina, tolona ary ny fomba amam-panaontsika.

Tanora Goatemalana tany Paxtoca. Sarin’i Maria Jose sy Carlos.

Nomarihan-dry zareo tamin'ny alalan'ny Sarin-tany Google ny dia nataony mba ahafahan'ireo mpamaky mahita marina hoe aiza izao no misy azy ireo. Nanomboka tamin’ny  17 novambra 2009 ny dia ary iray volana latsaka taorian’izay, tamin’ny 11 desambra, dia efa nahavita 2.909 miles (4.681 kilometatra) sahady ry zareo.  Tamin’io andro io indrindra dia nanoratra izy ireo:

Tsy hanadala anareo amin’ny antsipirihan’ny fandaozana an’i California aho fa nandeha hatrany amin'ny farany atsimon'ny firenena izahay ary niampita soa aman-tsara ny sisin-tanin'i Tijuana.  Dingana voalohany: fanamarinana. Dingana faharoa: Oadray le! Hay tena hotanteraka tampoka ilay izy. Tonga daholo ireo tetik'asa, fanohanana, fanaovam-beloma, firariantsoa sy ny sisa.

Na dia tamin'ny 4 Jona 2010 aza ry zareo no tonga tao Chili, tamin'ny 6 Aprily kosa ny lahatsoratra farany tao amin'ny blaogy. Niaraka tamin'ny 9.832 miles (15.823 kilometatra), nanoratra i Carlos:

Impolo niampita sisin-tany ho any amina firenena vaovao izaho sy i Majo [Maria Jose] tao anatin’ny 5 volana. Fihetseham-po miavaka ny fiampitàna mankany amin'ny tany tsy fantatra. Mianatra miatrika ireo ilaina eo amin’ny fiainana ianao, na toy ny nitranga taminay, ireo zavatra ilain'ny fitetezana an’izao tontolo izao. Ohatra azo dinihana i Venezoela miaraka amina fanova mahaliana mety hamaha ny fimirànao amin'ny fotoana tsy ampoizina. Lafiny telo no tsy maintsy resahana: iza, inona ary aiza? Tsy ho fantatrao velively hoe iza no mety hifanena aminao eny an-dalana, inona no sakafo hohaninao na koa hoe aiza ianao no hatory.

[…]

Ny fizaràna manaraka ao amin'ny dia fitetezanay kontinanta: Brazily.

Ampahany iray lehibe amin'ity tetik'asa ity ny sehatra fanabeazana. Ao amina fizarana manokana antsoina hoe “Fanabeazana”, dia afaka mijery horonantsary sy fanazavàna ireo ray aman-dreny sy mpanabe mba hampianarana ireo ankizy momba ny tontolo iainana sy i Amerika Atsimo. Manazava i Maria Jose sy Carlos fa fanandramana ny fampiasàna “fitaovana azo entina” eo amin'ny sehatra fanabeazana koa io tetik’asa io:

Tsy vitan'ny hoe manome votoantin-kevitra mifono fanabeazana feno ampiasaina any an-tsekoly izahay, fa mamantatra ny zava-bitan’ny “fitaovana azo entina” eo amin’ny sehatry ny fampianarana koa. Amin'ny alalan'ireo finday vatsian'i Nokia sy ny Fikambanana Pearson no isarihanay ireo tanora manerana an'i Amerika Atsimo mba ahafahanay mamantatra ny hevitr’izy ireo amin'ireo olana ara-tontolo iainana sy ny maro hafa koa. Jereo ny Kilasy “Mobile”-nay ahafantaranao izay lazain'ny tanora.

Famelabelaran-kevitra tao amin’ny sekoly momba ny nahandro any Morelia, any Meksika. Sarin'i Maria Jose sy Carlos.

Ny ankamaroan’io fitaovanam-pampianarana io dia avy amina fizaràna ho an'ny firenena tsirairay izay notsidihan’izy roa nandritry ny diany. Mbola eo an-dàlam-pandrosoana ireo tranonkala isam-pirenena ireo – toy ny ambin'ilay vohikala, izay miha-mitombo noho izy ireo manampy lahatsoratra sy fanampim-baovao – fa izy rehetra dia hitàna ireo tranga lehibe any amin'ilay firenena, ary ny sasany amin'ireo vohikala dia efa manana horonatsary mirakitra ireo fepetra raisin'ny mponina hiarovana ny tontolo iainana. Ny famaritana ity fizarana ity dia azo raisina ho fanolorana tsara ilay tetik’asa manontolo sy ny vokatra antenaina ho azo:

Nanomboka tany avaratra hatrany atsimo, dia nitady ireo vondrom-piaraha-monina ireo izahay ary nanao izay farany herinay handraketana ny sasany amin'ireo tantara ary mamoaka izany amin'ny fomba mety ahafahana mizara azy, manome antsika vaovao mahaliana, manabe sy manome aingam-panahy ho antsika rehetra hitadiavana fomba handraisana anjara amin’ny fametrahana dian-tongotra tsaratsara eto an-tany.

Antenaina fa hifaly sy hijoro vavolombelona amin'ny hatsaràna sy ireo fanomezana nomen'ny tany antsika ireo zanatsika sy ny zafikelintsika.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.