Ankoatra Ny Ady Amin'ny Boko Haram, Fantaro Miaraka Amin'Ireo Bilaogera Nizeriana Sy Petit Prince Koa i Ténéré

Arbre du Ténéré in 1961.CC-BY-SA 2.0

Hazon'i Ténéré tamin'ny taona 1961.CC-BY-SA 2.0

Ny ady amin'ny Boko Haram ao antsimo-andrefan'ny firenena ankehitriny no vaovao misongadina ao Nizera. Tamin'ny 3 Martsa lasa teo, olo-tsotra 19 no namoy ny ainy nandritra ny fanafihana nataon'ny Boko Haram tamin'ireo tanàna kely roa Kiu Keleha sy Toubu Buka miorina amoron'ny Farihy Tchad Nizeriana. Miara-mientana amin'ireo mpifanolo-bodirindrina ny firenena mba hanohitra ireo fanafihan'ny vondrona mpampihorohoro. Saingy matetika mitoka-monina ao anatin'izany ady ao atsimo-andrefana izany i Nizera, [ao amin'ny faritra] tsy mba fantatra ao amin'ny firenena. Nanampy tamin'ny fahafantarana ny faritra rehetra ao amin'ny firenena ny tetikasan'ireo bilaogera Nizeriana mandrakitra an-tsarintany ho an'i Nizera amin'ny alalan'ny fametrahana ny sarintanin'ireo tanàna ao amin'ny firenena.

Andeha ampahafantatra anao Nizera hafa amin'ny alalan'ireo bilaogera izahay.

 Ny ao andrefana, faritra mitoka-monina izay nanasa ny Petit Prince

Tahaka ny hazon'i Ténéré, hazo mitoka-monina indrindra hatry ny ela manerantany ary simban'ny mpamily iray tsy nitandrina, ampijalian'ny fitokana-monina ampahany ny andrefan'i Nizera raha oharina amin'ny faritra sisa ao amin'ny firenena. Mananosarotra ny fandrindrana ny ady amin'ny Boko Haram izany fitokana-monina izany, ka mahatonga ireo vondrona mpioko mitam-piadiana handroso malalaka hatrany. Na dia izany aza, miavaka kokoa ny tantaran'ny faritra, tokana ary mendrika hampahafantarina indray ny hazon'i Ténéré:

Akasia ny hazo malazan'i Ténéré, mitoka-monina ao afovoan'ny tany efitra, ary tsy ahitana hazo hafa maherin'ny 400 kilaometatra manodidina azy. Hazo tokana manirery eo amin'izao tontolo izao, famantarana hoan'ireo lalan'ny mpanao diabe (karavana) miampita an'i Sahel izy ary koa aingam-panahy hoan'ireo mpanao tononkalo, mpankafy ny tany efitra, tahaka ny ao anatin'ireto lahatsarin'i A. Décotte ireto:

sy i B. Hofmans:

Ao amin'ny Google Maps sy ny Google Earth, voamariky ny sary mahafinaritra miaraka amin'ny fehezan-tenin'i Petit Prince (nozarain'i Pierre Destruel) ny toerana sy ny hazon'i Ténéré.

Le Petit Prince est de Retour - Photo mixé par Pierre Destruel

“Tafaverina i Petit Prince: Izay mandravaka ny tany hay, izay manafina lava-drano fatsakana any ho any”  – Sary namboarin'i Pierre Destruel

Nanampy ity andinin-tsoratra manaraka ity i P.Destruel mba hanazava ny fifandraisana misy eo amin'ny hazo sy i Petit Prince tamin'ny alalan'ny fanononana teny tamin'ny boky ho fanomezam-boninahitra ny hazo sy ny boky:

Look at it carefully so that you will be sure to recognise it in case you travel some day to the African desert. And, if you should come upon this spot, please do not hurry on. Wait for a time, exactly under the star. Then, if a little man appears who laughs, who has golden hair and who refuses to answer questions, you will know who he is. If this should happen, please comfort me. Send me word that he has come back.

Jereo tsara ity zavaboahary ity mba ahafantarana azy, raha hitsidika an'i Afrika ianao indray andro hany, any an-tany efitra. Ary raha sendra mandalo amin'io ianao, mangataka aminao aho, aza maika, miandrasa kely fotsiny eo ambanin'ny kintana! Ka raha misy ankizy iray manatona anao, raha mihomehy izy, raha manana lokom-bolom-bolamena, tsy mamaly rehefa anontaniana, azonao an-tsainao tsara hoe iza izy. Araka izany, mba tsara fanahy! Aza avela alahelo mafy aho: hanoraty aho fa niverina izy

Ny Tetikasa – Mandrakitra An-tsarintany an'i Nizera

 Ny tetikasa Sarintany ho an'i Nizera, izay tohanan'ny vatsy avy amin'ny Rising voices dia manana tanjona hanabe voho ny torohain'ny sarintany ahafahana mamantatra ireo toerana sy lalana lehibe ao anatin'ny tangoron-tanàna ao amin'ny firenena. Ny  tetikasa dia niarahana niasa tamin'ny sampana jeografian'ny Oniversiten'i Abdou Moumouni ao Niamey, ny mpianany, ny Open Street Map ary ny Rising Voices. Amin'ny alalan'ny tetikasa no andratoan'ny mpianatra sy ny ekipa iray manontolo ny fahaiza-manao ilaina amin'ny fandraisana anjara amin'ny tetikasa ifarimbonana open-source momba ny tao-sarintany hahafantarana bebe kokoa ireo faritra mitoka-monina ao amin'ny firenena. Rehefa voafehy izany fahaizana momba ny tao-sarintany sy ny asa fampitam-baovaon'olo-tsotra izany, dia nandeha tao amin'ireo tanàna ambanivohitra manodidina ireo mpandray anjara mba handrakitra an-tsarintany ireo toerana lehibe tahaka ny sekoly, lalana ary hopitaly. Nampiasa ny fahaizany ihany koa izy ireo mba hampifandray  mivantana ireo sarintany hifanaraka amin'ny filàn'ny fiarahamonina ao an-toerana. Nandritra ny andro iraisam-pirenena hoan'ny vehivavy, nankasitrahana sy nankalazaina nandritra ny atrikasa fiofanana niarahana tamin'ireo fikambanana, ITECH CENTER, Fada Tech et Femmes et Tech Niger (fikambanana natsangan'i Fatima Alher, mpikambana amin'ny tetikasa Mapping for Niger) ny fandraisana anjaran'ireo vehivavy tamin'ny tetikasa:

'atelier sur la Cartographie OpenStreetMap avec Femmes & TIC Niger via Mapping for Niger sur Facebook

Atrikasa momba ny Fandraketana An-tsarintany OpenStreetMap miaraka amin'ireo Vehivavy & TIC Nizera (natsangan'i Fatima Alher) tamin'ny alalan'ny Sarintany ho an'i Nizera ao amin'ny Facebook

Hatramin'izao, nahafahana nanatsara ny sarintanin'i Madaoua, Niamey, Dosso, Zinder, Kolmane ary Guidan Toudo ny tetikasa. Hiitatra miandalana ho an'ireo faritra hafa ao Nizera ny tetikasa. Hiara-hiasa amin'izany tetikasa izany ireo fikambanana hafa toy ny Search for Common Ground mba hanamafisana ireo fiarahamonina ao amin'ireo faritra marefo. Na dia mbola tsy ofisialy aza izany fiarahamiasa izany, miasa amina tetikasa maromaro ny Search for Common Ground, anisan'izany ny fanamafisana ny firaisankina ara-tsosialy sy ny fametrahana ny fandriam-pahalemana indrindra eo amin'ny tanoran'i Zinder:

We succeeded in training 172 youth, including more than 40 young women. Participants came from various socioeconomic backgrounds, ranging from university students to illiterate gang members, and were of different ethnicities, ages, and institutional affiliations. Another 806 young people, 10% of them women, shared their thoughts on new concepts and discovered how to apply them in their own context. After our training, a reformed gang leader requested an extra restitution session for the students of a vocational school in Zinder.

Nahahofana tanora 172 izahay, anisan'izany ny vehivavy tanora maherin'ny 40. Avy amin'ireo saranga ara-tsosialy sy ara-toekarena samihafa ireo mpandray anjara, manomboka amin'ny mpianatry ny anjerimanontolo hatramin'ireo andian-tanora tsy mahay mamaky teny ao an-toerana, ary koa avy amin'ny foko, taona sy fikambanana isan-karazany. Raha atambatra, tanora 806 izay vehivavy ny 10% no nifanakalo hevitra momba amin'ny petra-kevitra ara-piarahamonina vaovao ary nahita ny fomba hampiharana izany ao anatin'ny fiarahamonin'izy ireo. Taorian'ny fiofanana nataonay, nangataka fiofanana fanampiny hoan'ireo mpianatry ny sekoly arak'asa iray ao Zinder ny lehibena andian-jiolahy iray niova fo.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.