Tonga Any Amin'ny Rafi-Panabeazan'ny Sekolim-panjakana Ao Puerto Rico Ny Fomba Fijery Ny Mitovy Lenta

A recent march in Mayagüez, at the western end of Puerto Rico, in favor of gender equity organized by Paz para la Mujer. Taken from their Facebook page.

Diabe iray natao vao haingana tao Mayagüez, any amin'ny farany andrefan'i Puerto Rico, ho amin'ny miralenta, nokarakarain'ny Paz para la Mujer. Nalaina tao amin'ny pejin'ny Facebook-ndry zareo.

Ny fanambaràna tamin'ny 25 Febroary fa hoe nanao sonia Taratasy miampita Lah° 19-2014-2015 i Rafael Román Meléndez, sekreteram-panjakana miadidy ny fanabeazana ao Puerto Rico, taratasy izay mampiditra ny hijerena ny fampitoviana lenta ho ampahany feno ao amin'ny fandaharam-pianarana any amin'ny sekolim-panjakana, no vaovao goavana ho an'ireo olona sy fikambanana marobe izay manome lanja ny fitoviana lenta ao amin'ny firenena.

Ity ambany ity ny dika feno tamin'izany :

Ny Coordinadora Paz para la Mujer, vovonana iray misy ireo fikambanana samihafa manokan-tena hiady amin'ny herisetra manjo ny vehivavy, dia nankalaza koa ilay vaovao ary nanolotra fanampiana ho an'ny Sampan-draharahan'ny fanabeazana amin'ny asany fanatentarahana ireo fiovàna ilaina :

Reconocemos que la política pública acogida por el Departamento de Educación (DE) es el resultado de la lucha incansable de grupos de mujeres y organizaciones quienes por décadas han creído y defendido los derechos humanos para todas las personas. El endoso es además muy significativo para adelantar el trabajo de prevención de la violencia de género que depende en gran medida de la educación desde edades tempranas. Estamos en la disposición de colaborar con el DE y seguiremos educando a las comunidades y profesionales para sensibilizar sobre la perspectiva de género y sus beneficios.

Ekenay fa ny politikam-panjakana noraisin'ny Departemantan'ny Fanabeazana dia vokatry ny tolona tsy nitandroana hasasarana nataon'ireo vondrom-behivavy sy fikambanana izay nandritry ny ampolo taona maro no nino sy niaro ny zon'olombelona ananan'ny olona rehetra. Tena manampy ihany koa mba ho fampandrosona ny asa fiarovana amin'ny herisetra ateraky ny tsy fitovian'ny lahy sy ny vavy ilay fanaovana sonia, asa izay miankina be amin'ny fanabeazana dieny mbola kely. Faly izahay miaraka miasa amin'ny Departemantan'ny Fanabeazana ary dia hanohy hanabe ny vondrom-piarahamonina sy ireo matianina mba hisian'ny fahatongavan-tsaina momba ny vina ho fitoviana lenta sy ny tombontsoa azo avy aminy.

Ny bilaogy Mujeres en Puerto Rico (“Vehivavy ao Puerto Rico”), dia mahatsapa ny lanjan'ilay taratasy miampita avy amin'ny Departemantan'ny Fanabeazana, nomarihany fa vao manomboka ny tena asa :

Aunque la Carta no es un fin en sí mismo, y ahora comienza la fase más importante (la implementación) no es menos cierto que la misma constituye un tremendísimo instrumento a favor de los derechos humanos de las personas que habitamos Puerto Rico.

Na dia tsy ny tanjona farany aza iny taratasy [miampita] iny (sady vao miandoha mihitsy ny tena dingana manana lanja, dia ny fampiharana azy), tsy dia azo antoka loatra hoe ho fitaovana mahazendana hanome vàhana ny zon'olombelona ao Puerto Rico ity dingana ity.

Tsy azo mora foana akory io fandresena hisian'ny fitoviana zo eo amin'ny lahy sy vavy io. Ireo vondrona ara-pinoana fatra-mpandàla ny nentin-drazana dia manao tsindry mafy hanoherana ny fampidirana io fijery mampitovy lenta io tsy ho ao anatin'ny fandaharam-panabeazana any amin'ny sekolim-panjakana. Ny fijoroan-dry zareo manohitra ny drafitry ny Departemantan'ny Fanabeazana dia nifototra amin'ny ampahany tamin'ny tahotra hoe ilay fiovàna dia mety hanohintohina ny zon'ny olona amin'ny fampianarany ny zanaka naterany hifanaraka amin'ny finoana ara-panahy sy maoraly manokana. Lazain'ireo mpanohana ny fanavaozana fa tsy mitombina ireny ahiahy ireny. Ny vina hisian'ny fitoviana lenta any amin'ny fanabeazana, hoy ry zareo, dia tsy zavatra hafa fa fampianarana ny ankizy hoe tokony hitovy ny fitondràna sy ny fanajàna ny tsirairay, tsy ijerena ny maha-lahy na maha-vavy. Tsy ny olan'ny zon'olombelona ihany, hoy ireo mpampiroborobo azy ity, fa filàna maika io ho an'ny firenena iray izay betsaka ny vehivavy sy ny ankizivavy ao aminy no iharan'ny herisetra ateraky ny tsy fitoviana lenta, isan-taona.

Nisy fiantrakany nampiahiahy ny tsy fahampian'ny fanabeazana miresaka ny hisian'ny fitoviana lenta.  Amárilis Pagán, mpiaro zon'olombelona, dia manoratra ao amin'ny bilaoginy momba ny toetsaina hoe “tsinio-ny-voany” izay manenika ireo media mahazatra ao Puerto Rico, tamin'ny filazàny hoe vokatra mivantana avy amin'ny tsy fisian'ny fijery hisian'ny fitoviana lenta tany anatin'ny fanabeazana ny ankamaroan'ny olona io :

La demonización de las mujeres y nuestros cuerpos tiene consecuencias graves.  Implica, en primer lugar, ubicarnos en una situación de inferioridad moral que justifica la violencia que recibimos.  De ahí surgen las críticas en contra de las víctimas de violencia de género y la justificación de sus agresores. Nos violan porque provocamos, nos asesinan porque desobedecemos y nos discriminan porque no nos ajustamos a determinadas expectativas de comportamiento.

Nisy fiantraikany ratsy ny fampitoviana ny vehivavy sy ny tenantsika amin'ny devoly. Voalohany indrindra dia midika fametrahana antsika ho aminà toerana ambany eo amin'ny ara-maoraly, izay manamarina ny herisetra manjo antsika. Avy any no niavian'ny kiana manohitra ireo niharan'ny herisetra natosiky ny tsy fitovian'ny lahy sy ny vavy ary ny fanamarinana ireo nanao ilay herisetra taminy. Niharan'ny herisetra noho ny fihantsiana avy amintsika ihany isika, maty isika satria tsy nankatò, ary niharan'ny fanavakavahana satria tsy manaraka ny fitondrantena sasantsasany andrasana amintsika (Fanamarihan'ny mpandika: vehivavy ilay manoratra eo).

Tany ampiandohan'ity taona ity no nitranga ny ohatra iray diso fantatra momba ny tsy fitoviana amin'ny fomba fitondra vehivavy, rehefa injay i Zayas, vehivavy mpihira, maty nisy nanitsaka tamin'ny fiara tamin'ny andro vao mangiran-dratsy. Rehefa nampiresahana tao amin'ny fahitalavitra ilay lietnà nampiandraiketina ny raharaha momba azy dia nilaza hoe: “Ny iray amin'ireo zavatra izay tsy maintsy hohadihadianay fotsiny dia ny hoe inona no ataon'ny vehivavy iray hiampita arabe amin'ny ora tahàka izany eny an-dàlana hody any an-tranony.” Momba izay indrindra, ilay poeta sady bilaogera, Guillermo Rebollo-Gil, dia nanoratra kiana mivaivay momba ny teny nofidian'ilay lietnà :

Honestamente, las expresiones del teniente en la conferencia de prensa dejan entrever que la Policía de Puerto Rico tiene una afición particular por las cacerías de brujas. Por desperdiciar sus limitados recursos en función de sus prejuicios acerca de cuáles deberían ser los hábitos apropiados de “mujeres de bien”. Y aparentemente, según el teniente, las mujeres de bien no mueren atropelladas por un carro a la 1 de la mañana, pues las mujeres de bien están en sus casas a esa hora, o al menos debidamente acompañadas.

Amim-pahatsorana, ireo tenin'ilay lietnà tao amin'ilay resaka ho an'ny mpanao gazety dia midika fa ny polisy ao Puerto Rico dia manana fanao azy manokana amin'ny fihazàna mpamosavy/fikarohana ny mpanao ratsy—amin'ny fandaniany ny fitaovana voafetra ananany noho ireo fitsaràna an-tendrony amin'ny famaritana izay fahazàrana sahaza ho an'ireo “vehivavy mendrika”. Ary raha ny fahitàna azy, araka ny hevitr'ilay lietnà, ny vehivavy mendrika dia tsy maty voahitsaky ny fiara izany amn'ny iray ora maraina, satria amin'izany ora izany dia ny any an-tranony ny vehivavy mendrika, na farafaharatsiny, misy mpanaraka tsara.

Enga anie, miaraka amin'ity politika hisian'ny fitoviana lenta tafapetraka any amin'ny rafitry ny sekolim-bahoaka ao Puerto Rico ankehitriny ity, mba ho anganongano sisa ny fanehoankevitra tahàka io, ary ny fisainana fonosiny izay niteraka fahavoazana betsaka noho ny herisetra nateraky ny tsy fitoviana lenta eo amin'ny lahy sy vavy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.