Afaka Hanavotra Ny Liona Ao Kenya Sy Tanzania Ve Ny Sarintsarinà Fihazàna?

Male Lion at Sunrise, Ol Pejeta Conservancy, Kenya, East Africa. Photo by Diana Robinson. CC-BY-NC-SA 2.0

Liona lahy tao Sunrise, Ol Pejeta Conservancy, Kenya, Afrika Atsinanana. Sary an'i Diana Robinson. CC-BY-NC-SA 2.0

Ity lahatsoratra ity, nosoratan'i Stephanie Dloniak, dia navoaka voalohany tao amin'ny Ensia.com, gazetiboky iray manasongadina ireo hetsika iraisampirenena ho vahaolana momba ny tontolo iainana, ary naverina navoaka etoana araka ny fifanarahana fifampizaràna votoaty.

Ao amin'ny lemaka iray eo ambanin'ny aloky ny Tendrombohitra Kilimanjaro indrindra, ao anaty tranolay mitafo vy miendrika toeram-panatobiana fiaramanidina i Philip Briggs no mikarakara liona telo nataony ho sary anaty karatra filalao.

“Samy niteraka daholo ireto vavy ireto tamin'ny 2010 tany ho any, taoriana kelin'ny nitrangan'ny haintany”, hoy izy. “Nanomboka namely matetika ireo “bomas” ry zareo [fefin'ny toerana fiompiana], ary voatifitry ny farango nandritry ny rodobe fihazàna ho famaliana faty i Narika.”

Ny Lion Guardians, fikambanana tsy mitady tombontsoa ao Kenya no namorona ireo karatra mba hanampiana hahafantatra ny liona tsirairay ireo mpikajy tontolo iainana ao an-toerana. Ny karatra tsirairay dia misy sary sy famaritana tsotsotra momba ny liona iray miaina ao amin'ny faritra manodidina ny Valan-javaboarim-Pirenena Amboseli ao Kenya. Amin'ny fandaminany ireo karatra hifanaraka amin'ny fizokiana ao anatin'ny fianakaviana sy ny fanakorisàny azy eo ambonin'ilay latabatra hazo fihinanana, toy ny hoe sakabe mitety ny tontolo fotsiny izy ireny, hazavain'i Briggs sy Stephanie Dolrenry, biolojista miaraka amin'ny Lion Guardians, ny tantaran'ireo liona mpamono biby fiompy tsy nitsahatra, ary ny nahatonga ny fahafatesan'i Narika ho nahafahana nanampy hamoronana fitaovana iray hitantanana ny olan'ny liona tahaka izany — ny saritsarinà fihazàna nentin-drazana.

Trading-card-like images and descriptions of lions help Lion Guardians distinguish among individual animals as they work to minimize human-lion conflict. Photo by Stephanie Dloniak

Sarin'ireo liona amin'ny karatra sy ny fampahafantarana azy, fanampiana ny “Lion Guardians” hanavaka ny biby tsirairay amin'ny asany hampihenàna ny fifandonan'ny olona sy ny liona. Sary an'i Stephanie Dloniak

Ry zareo Maasai, ireo indizena mpiompy any atsimon'i Kenya sy avaratr'i Tanzania, dia efa mpihaza liona hatrizay — ho valin'ny fanafihany ireo biby fiompy sy ho toy ny fankalazana fomba iray hiampitàna amin'ny fiainana maha-lehilahy lehibe. Mandritry ny fihazàna, misy andiany amin'ireo mpiady mandeha an-tongotra mihaza liona iray, miara-mamindra eo ampihiràna ny hira nentin-drazana sady mikiakiaka, ary farany manafika sy mitora-defona azy amin'ny korataba tsy ifandrenesana.

“Taorian'ny nahafatesan'i Narika, dia niala ilay faritra ireo rahavaviny, ny zanany, ary ny liona lahy iray antsoina hoe Lomunyak ary nitsahatra tsy namono biby fiompy intsony nandritry ny volana roa,” hoy i Dolrenry manazava. “Hitanay io fiovàna fitondrantena goavana io.”

“If they are reprimanded after attacking livestock, they can learn.” — Eric Ole Kesoi

“Raha faizina ry zareo taorian'ny nanafihany biby fiompy, dia afaka hahazo lesona.”

Nanontany tena ny tariky ny “Lion Guardians” raha toa ny sarintsarinà fihazàna — izay maka tàhaka ny endriky ny tena fihazàna, afa-tsy ny hoe tsy misy biby ho voalefona any amin'ny farany — ka afaka ny hahita vokatra tahàka izany amin'ny fitondrantena no sady manampy amin'ny fiarovana ireo sakabe ireo. 25% monja amin'ny toerana nisy azy ireo teo amin'ny tantaran'i Afrika sisa no misy ny liona, ary mihena be ny isan-dry zareo, ateraky ny fahaverezan'ny toeram-ponenany indrindra indrindra ary ny sakafony sy ny famonoana azy atosiky ny valifaty.

“[Ny Maasai] mino fa biby mahiratra ny liona, noho izany fantany rehefa nanaotao foana ry zareo,” hoy ny mpitantana ny vondrom-piarahamonina “Lion Guardians” sy ilay zokiolona Maasai, elder Eric Ole Kesoi, izay nandray anjara taminà sarintsarina fihazàna marobe.. “Raha faizina ry zareo taorian'ny nanafihany bby fiompy, dia afaka hahazo lesona.”

Kendren'ny “Lion Guardians” ny hitahiry ireo liona amin'ny alàlan'ny fanafangaroana ny fahalalàna nentin-drazana momba ny tontolo iainana sy ny soatoavin'ireo Maasai eo an-toerana amin'ny teknolojia maoderina sy ny fandalinana angon-drakitra. Ireo Maasai mpiady izay nofidiana ho lasa mpiambina dia nofanina ary nomena fitaovana, toy ny fanaraha-maso amin'ny alàlan'ny onjam-peo, GPS, karatra misy ny sary sy fampahafantarana ireo liona ary telefaona finday, ho fanampin'ireo antsy sy kibay fitondrany mahazatra azy. Manara-dia ireo liona ny tovolahy, mandrakitra izay olana eny am-piriariavana eny, mampandre ireo mpiompy raha misy liona na mahita biby fiompy very dia. Toa mahomby ny “Lion Guardians” hatreto ; nitombo maherin'ny avo roa heny ny isan'ireo liona ao an-toerana tato anatin'ny efatra taona farany ary vitsy dia vitsy no maty. Miampy iray indray ny fitaovana manan-danja eo an-tànan-dry zareo noho ny fisian'ilay sarintsarinà fihazàna.

Sarintsarinà fihazàna niisa enina no vitan'ny “Lion Guardians” hatreto ho an'ireo liona efa fantatra ny mombamomba azy izay fantatra koa amin'ny fihazàny miverimberina ireo biby fiompy ao anatin'ny “bomas” ka azo arahan-dia avy hatrany aorian'izay. Mahavelom-bolo ny vokatra savaranonando: nampitsahatra ny famonoana biby fiompy tato anatin'ny volana iray ka hatramin'ny roa ireo sarintsarinà fihazàna liona rehetra natao.

Lion Guardian Ng’ida takes a GPS point in front of Mt. Kilimanjaro. GPS data help Lion Guardians track animals and keep livestock out of harm’s way. Photo by Philip Briggs.

Ng’ida “Lion Guardian” mandray ny marika GPS eo anoloan'ny Tendrombohitra  Kilimanjaro. Manampy ny “Lion Guardians” ny GPS mba hanarahana ny dian'ireo biby ary manàla ny biby fiompy ho amin'ny làlana azo antoka. Sary an'i Philip Briggs.

Hitan'i Ole Kesoi ny lanjany, na izany ho an'ny liona, na ho an'ny Maasai. Ny fampiasàna ny sarintsarinà fihazàna ho karazana fitsaboana hanamaivanana hatezerana dia afaka mitondra mankany aminà fihenan'ny fifandonana sy famonoana liona. Mandritra izany fotoana izany, ilay fihazàna dia nanome fahafahana ny “Lion Guardians” hitàna andraikitra mavitrika amin'ny fiarovana ny vondrom-piarahamonin-dry zareo.

Tsy ny rehetra anefa no resy lahatra amin'ilay hevitra. Craig Packer, mpahay tontolo iainana ao amin'ny Anjerimanontolon'i Minnesota, dia nandalina ny amin'ireo liona ao Serengeti any amin'ny manodidina an'i Tanzania hatramin'ny 1978. “Na dia nahita hevitra vaovao sy sarobidy aza ny “Lion Guardians”, manahy aho mikasika ny haha-ela velona io fandaharanasa io,” hoy i Packer. “Ny fanambin'ny fiarovana mandritry ny fotoana maharitra ireo liona dia mila tetikady mandeha lavidavitra kokoa noho resaka fanalefahana ny fifandonana mifamatotra amin'ny ‘fampifanarahana ara-kolontsaina’”

Feno fanantenana kokoa i Susan Albertsl. Biolojista iray ao amin'ny Anjerimanontolon'i Duke i Alberts izay niasa tao amin'ilay tontolo efa ho maherin'ny 20 taona niaraka tamin'ny Tetikasa Fikarohana momba ny Baboon ao Amboseli. 

“Ny tena loza mitatao ho an'ny fiainana anaty àla ao Amboseli dia ny fitomboan'ny isan'ny olona. Fantatsika rehetra ny zavatra takiana mba hiatrehana izany — fanabeazana, fametrahana ireo mpirotsaka an-tsitrapo, ary mety ho azo sainina ny fanomezana tamby ara-bola. Tsy misy fahagagàna azo andrasana. Rehefa voateny izay, ny fampiharana ny fahalalàna mikasika ireo biby mpihaza, hatramin'ny fanaovana izay hahatsapan'ny vondrom-piarahamonina fa mila mijoro ry zareo hitahiry ny tontolo iainana tsy ho rava, no toa zavatra tena tsy maintsy ilaina mba hirosoana hatrany.”

Tsy vahaolana majika ho an'ny fitahirizana ao Afrika ny fampiasàna ny sarintsarinà fihazàna mba hanovàna ny fitondrantena amin'ny olan'ny liona. Saingy miaraka aminìireo fomba hafa — indrindra, ireo izay mijery ny fomban-drzana sy ny soatoavina eo an-toerana — mety hanampy izy ireny, ho an'ny fiainana anaty àla sy ireo olona izay miaina miaraka amin'ny biby mpiriaria, mba hahazo tombony amin'ny fiainana amin'ny alàlan'ireo karatra efa niasàn-dry zareo.

Fanamarihan'ny mpamoaka lahatsoratra: Amin'ny maha-mpandray anjara azy ao amin'ny Ensia Mentor Program no nanoratan'i Stephanie Dloniak ity lahatsoratra ity. Michelle Nijhuis, mpanao gazety momba ny siansa sy tontolo iainana ary efa nahazo loka tamin'ìzany, no mpiahy azy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.