Bilaogera Ao Singapore Nitsikera Ny Lalàna Momba Ny Firaisana Ara-nofon'ny Pelaka, Nasaina Nandoa Lamandy Fa ‘Nanala-baraka Ny Fitsarana ’

Photo of Alex Au from his blog

Sarin'i Alex Au tao amn'ny bilaoginy

Ny 5 Martsa 2015 teo, nosazian'ny Fitsarana Tampony ny bilaogera iray avy ao Singapore handoa lamandy  S$8,000 (US$5,843) noho ny lahatsoratra iray nosoratany tao amin'ny bilaoginy efa ho roa taona lasa izay nambara fa niampanga ny Lehiben'ny Fitsarana ho manodinkodina ny fizotry ny raharaham-pitsarana mifandray amin'ireo fanangonan-tsonia nanoherana ny Andalana 377A, amin'ilay lalàna manao ho heloka bevava ny firaisan'ny lahy samy lahy.

Alex Au Wai Pang, 62 taona, mpanoratra, dia mibilaogy ao amin'ny Yawning Bread. Mpikambana fanta-bahoaka avy ao amin'ny vondrompiarahamonin'ireo LGBT Singapore ihany koa izy. Nilaza hampakatra ilay didy any amin'ny fitsaràna ambony i Alex.

Lahatsoratra iray nosoratan'i Alex no fototry ny raharaha, izay nomeny lohateny hoe “kodiarana 377 miendaka avy amin'ny drafitra tsara indrindra napetraky ny Fitsarana Tampony”, izay niresaka ny “fanaovana tetiandro hafahafa” momba ilay fanangonan-tsonia manohitra ny Andalana 377A ao amin'ny Fitsarana Tampony. Nolazain'ny mpampanoa lalàna fa hoe “nanao fijery mitongila ailay lahatsoratra tamin'ny niheverany fa nijery tavan'olona ny Lehiben'ny Fitsarana tamin'ny fanatanterahany ny asany” ary noho izany “dia mety hikiky ny fitokisan'ny vahoaka ny fitantanana ao amin'ny fitsarana ao Singapore”.  Nitovy hevitra tamin'ny fampanoavana ny Fitsarana ary namoaka didy fa hoe “nihoatra ny valan'ny ara-dalàna ilay lahatsoratra ary mahafeno ny fepetran'ny fanaovana tsinontsinona sy fanalam-baraka”.

Nilaza i Alex sy ny mpisolo vava azy tao anatin'ny fehinteny an-tsoratra natolony ny fitsarana fa tsy manitsakitsaka ny lalàana ilay lahatsoratra na kely aza :

Tsy maintsy namoaka ny tenin'Ing. Au hivoaka ny sehatra tokony hisy azy ny governemanta ary  hamoaka hevitra hanameloka ankolaka amin'ny fametrahana izany ao anatin'ilay lahatsoratra, izay tsy nisy izany akory. Amin'ny fanaovana izany, manao fanahy iniana mody tsy mahita ireo fampitandremana ao anatin'ny lahatsoratr'Ing Au ry zareo izay mametraka mari-pamantarana mazava tsara ho an'ireo mpamaky azy hoe vinavinan-kevitra no ataony, fa tsy fanambaràna zava-misy..

Maro no nanakiana ny fapahankevitry ny Kabinetran'ny Lehiben'ny Fampanoavana “Attorney General’s Chambers (AGC)” hanenjika an'i Alex. Fanambaràna iray voasonian'ny olona 170 tamin'ny Desambra 2013 no nanoritsoritra ilay raharaha ho teoy nloza mitatao ho an'ny fahalalahana maneho hevitra :

Ny fihetsiky ny AGC, raha tokony hanamafy ny fitokisana ny rafi-pitsarana, dia mety hanimba ny fitokisan'ny vahoaka azy. Mitarikia ihany koa io amin'ny hoe tsy manana alàlana hanana fomba fijery momba ny zotram-pitsarana ny vahoaka.

Nampahatsiahy azy ireo anefa ny AGC fa tsy amin'ny lafiny rehetra akory ny fahalalahana miteny :

Na manan-danja toy inona aza ny zo halalaka amin'n fitenena sy fanehoana hevitra, dia ambaran'ny lalàm-panorenana fa ny fiarahamonintsika amin'ny maha-iray tsy mivaky azy dia tsy maintsy arovana amin'ireo fanambaràna tsy marim-pototra izay manimba ny hajan'ny olona ba manetry ny fitokisana ny fitantanana ny fitsaràna.

Tanisain'ireo vondrona politika isan-karazany ny raharaha  Alex, ho toy ny farany indrindra amin'ny faneana ny filam-baniny ara-drafitra iainan'ireo mpikatroka mafàna fo sy ireo mpanakiana ny governemanta. Tamin'ny fanehoany hevitra momba ilay fanapahankevitry ny fitsarana, ny Antoonnhy Fanavaozana dia niantso ny vahoaka mba ho mailo amin'ny zony:

Efa nambaran'i Alex Au sahady ny faniriany hanao fandravàna didy. Ry vahoaka, mila mitambatra isika ary mitolona hitahirizana ny zontsika, ireo kely efa sisa navela ho antsika, raha toa ka tsy tiantsika ny ho very azy rehetra mandrakizay.

Phil Robertson, tale lefitry ny Human Rights Watch any Azia, dia nanoro hevitra an'i Singapore hanafoana ilay lalàna tsy manaraka ny teotrandro momba ny “fanalàna baraka ny fitsarana.” Tsy iombonany hevitra ihany koa ny fanapahankevitry ny fitsarana hanameloka an'i Alex:

Nohamafisina ny fitsarana ao Singapore, tahaka ireo andrim-panjakana hafa rehetra, fa tsy hoe marefo, tamin'ny fanokafana adihevitra mikasika ireo olana ankapobeny. Ny fanenjehana an'i Alex Au noho ny nanandratany feo dia ohatra iray monja amin'ireo fanirian'i Singapore hampiasa amin'ny tsy tokony ho zy ny lalàna mba hanampenam-bava ireo mpanakiana azy.

Tokony vao mainka ity raharaha ity hahasahisahy sy handrisika ny olona ao Singapore hiroso hanao tsindry amin'ny hanafoanana ireo lalàna roa efa tamin'ny andron'ny fanjanahantany : Andalana 377A sy  ny heloka bevava momba ny “fanalàm-baraka ny fitsarana.” Tokony koa io ho fakàna aingam-panahy ho an'ireo mpikatroka mafàna fo sy ireo teratany hafa voakasik'izany mba hanitatra ny fanentanana hisian'ny fahalalahana bebe kokoa amin'ny asa fanaovana gazety sy ny fiarovana matanjaka kokoa ny zon'olombelona.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.