Mila Fampianarana Ara-Pananahana Ve i Tajikistan?

Robert Blake, then US Assistant Secretary of State for South and Central Asian Affairs attends the first day of school in Tajikistan. Many Ozodi readers believe sex education is imported from the West. Wikipedia image.

Robert Blake, Sekreteram-panjakana lefitra Amerikana misahana ny Raharaha ao Azia Afovoany sy Atsimo nanatrika ny andro fidirana an-tsekoly tao Tajikistan. Mihevitra ny maro amin'ireo Tajik fa nohafarana avy any amin'ny Tandrefana ny fanabeazana ara-pananahana. Sary Wikipedia.

Iray amin'ireo asa farany tao amin'ny antenimeram-pirenena Tajikistan ny fandaniana ny lalàna ahitana lesona ara-pananahana ao anatin'ny fandaharam-pianaran'ny sekoly ambaratonga faharoa ao amin'ny firenena. Nanambara ireo mpikambana ao amin'ny antenimieram-pirenena fa hanentana ny zatovo mikasika ny aretina azo avy amin'ny firaisam-batana ireo lesona ary hisoroka ny vohoka tsy nirina ao amin'ny firenena Azia Afovoany mpandala ny nentim-paharazana.

Milaza ny lalàna izay nolaniana tamin'ny 25 Febroary 2015 fa tokony hampianarina lesona ara-pananahana ny Tajika mpianatra ao amin'ny sekoly ambaratonga ambony na amin'ny seminera ivelan'ny sekoly. Nanolotra ny hevitra ny Ministeran'ny Fahasalamana sy ny Fiarovana ara-tsosialy rehefa nanao fanovanana sy fanitsiana amin'ny Lalàna momba ny Fahasalamana Ara-pananahana sy ny Zo Ara-Pananahana. Ahitana fandraràna ny fanalan-jaza manomboka vao mitsaika ihany koa ny fanitsiana.

Na dia izany aza, niteraka adihevitra tao amin'ny firenena maro Miozolomana ny fampidirina ny fampianarana ara-pananahana ao amin'ny fandaharam-pianaran'ny sekoly ambaratonga faharoa. Tao amin'ny Ozodi, ao amin'ny RFE / RL amin'ny teny Tajik, niampanga izany lalàna izany ireo Miozolomana sy mpandala ny nentim-paharazana naneho hevitra.

Nilaza ny mpamaky maro fa hahatonga ireo tanora Tajik hanandrana izay nianarany tany an-tsekoly ny fampianarana ara-pananahana.

Ehsan nanoratra hoe:

Ин кори дуруст нест. У нишон медиҳад, ки чихел дуруст зино кунед, то ин ки духтар ҳомиладор нашавад. Яъне дар мактаб меомузан, чихел ба духтар бирасед, то ин ки вай ҳомила дор нашавад. О магар мо тоҷикон мусалмон нестем? Магар мо духтари хона намегирем !? Магар мо мехохем, ки ҷавонони мо ба ҳаминкорҳо даст занан!? Ин ҷомеаи моро хароб мекунад. Хонаҳоро вайрон мекунад. Дар ҳамин озоди хонда будам, ки ҷавоне хоҳари худро барои бероҳгарди бо табар зада куштааст. Ва гуфт пушаймон нестам аз кори кардаам. Баъди ин қонуни парлумон, шояд инхел кушторҳо зиёд шаван. Рости гап сахт дилам барои миллатам месузад. 

Tsy marina izany… [ny fanabeazana ara-pananahana] hilaza aminao ny fomba hijangajangana tsy hahatonga ny zazavavy ho bevohoka… Tajik tsy Miozolomana ve isika? Tsy manambady ankizivavy virijiny ve isika!? Tiantsika hitondra-tena tahaka izany ve ny tanorantsika? Hanimba ny fiarahamonintsika sy ny fianakaviantsika izany. Novakiko tao amin'ny Ozodi fa nokapain'ny lehilahy iray tamin'ny famaky ny anabaviny noho ny fitondrantena tsy mendrika ary nilaza izy fa tsy nanenina tamin'ny zava-nataony. Aorian'ity lalàna ity, mety hitombo ny isan'ireo mpamono olona. Tsy misorona aho fa malahelo ny fireneko. 

Zava-dehibe hoan'ny fianakaviana Tajik ny mahavirijiny ny zazavavy. Tamin'ny taon-dasa, nanao fandresen-dahatra lalàna manery ny hanaovana fizahana ny maha-virijiny ny tovovavy ny vondrona ‘manam-pahaizana ara-pitsaboana’ avy ao amin'ny faritra iray ao amin'ny firenena mba hiarovana ny firenena amin'ireo karazana aretina ara-tsosialy, indrindra ny fanambadiana miafara amin'ny fisarahana. Tsy nolanian'ny parlemanta ny lalàna.

Maro ireo mpamaky ny Ozodi no nilaza fa tsy ilaina any an-tsekoly Tajik ny fanabeazana ara-nofo satria hanaisotra amin'ny olona ny kolontsaina sy ny soatoavim-pirenena izany. Nilaza kosa ny sasany fa mandrakotra ny fahalalana ankapobeny amin'ny vatan'olombelona ny lesona biolojia [haiain'ny zavamananaina], ​​ary tompon'andraikitra amin'ny fampianarana ny ara-nofo hoan'ny tanora ny fianakaviana.

Mpamaky iray miantso ny tenany hoe Karsak, nilaza hoe:

Дар асл ин боз як кадаме пеш рафтани ноболигон ба ифротгарои мешавад, зеро бештари мавзуъхои ин фанни навтаъсис барои мардуми мусулмонтабори мо шарму нозукона аст. Ин боз идеалогияи мардуми гарбро таргиб намудан аст. То кунун фахмиши хонандагон дар ин масъалаи чинси аз фанни биологияи одам то микдори зарури пайдо мегардад. Агар ба ин фан ба пурра шомил шаванд аз ахлоки чинси бенасиб монда танхо пахлухои манфии чинсиро тахкик менамоянд, ки ин боиси пайдоиши проблемахои навин мегардад.

Raha ny marina, ho dingana hafa mankany amin'ny fihetsika mahery mamely ny tanora izany, satria mahamenatra hoan'ny mponina Miozolomana ao amin'ny firenentsika ny ankamaroan'ny lohahevitra tafiditra amin'io taranja io. Io no solovavan'ny firehan-kevitra tandrefana. Ankehitriny, mahazo ny ambangovangon-kevitra momba ny fampianarana ara-nofo avy amin'ny leson'ny biolojian'olombelona ny ankizy mpianatra. Raha mandray ity taranja ity izy ireo, dia hanaisotra amintsika ny fitondran-tena ara-nofo tsara efa ananantsika ary hiompana fotsiny amin'ny lafiny ratsy amin'izany fitondran-tena izany, ka mampisy olana hafa.

Nilaza ny sasany fa tsy avelan'izy ireo hanatrika ny lesona ny zanakavavin'izy ireo.

Saihuja Abdurahmon nanoratra hoe

… ин барой мардуми мусалмон мовофик нест баъд мегуян ки ешоно намемонан духтархояшона ба дарс бираван аз ин пас манхам на мегузорам хохарам ба дарс биравад ин сатри духтаронро мебардорад 

…tsy mety amin'ny vahoaka Miozolomana izany.. ary [ny governemanta] hanontany avy eo hoe nahoana no tsy mamela ny zanany vavy handeha any an-tsekoly ny mullah. Tsy avelako handeha any an-tsekoly ihany koa ny anabaviko. Mitondra henatra hoan'ny zazavavy izany.

Nisy indray avy eo ireo vondrona mpamaky izay nilaza fa voavidin'ny firenen-kafa ny parlemanta, nandray fanampiana ara-bola mba hitondra fanovana amin'ny lalàna ankehitriny. Nandresy lahatra izy ireo fa ny depiote dia tokony hiasa hampivelatra ny sehatry ny fampianarana ankapobeny — izay ratsy indrindra amin'ny Firaisana Sovietika teo aloha — ary hiezaka hamerina ireo mpiasa mpifindra monina hiala amin'ny fiankinan-doha amin'i Rosia.

Fanampin'izany, mino i Garib fa tokony hanao tahaka ny governemanta Tandrefana amin'ny fanajana ny hafa ny governemanta raha te hitondra ny soatoviana Tandrefana ao Tajikistan.

Hoy izy:

хукумати мо пеш аз он ки халки точикро ба гарбгарои таблиг мекунанд бояд авал худашон мисли давлатхои аврупо президентиро на зийод аз 5 сол кунанд ки ин ба манфиати халку давлат мебошад хандаовар аст ки давлати мо гами халкашро неву бисйортар гами курсиро мехуранд

Alohan'ny hanerena ny soatoavina Tandrefana amin'ny vahoaka Tajik, tokony hametra ny fe-potoam-piasan'ny filoham-pirenena ho dimy taona [fito taona amin'izao fotoana izao ary mihitatra amin'ny alalan'ny fifidianana mampiahiahy] ny governemanta ho fitsinjovana ny vahoaka. Mampihomehy fa mihevitra kokoa ny azy manokana fa tsy ny an'ny vahoaka ny governemantantsika.

Vitsy ireo manaiky ny hevitra fampianarana ara-pananahana hoan'ny mpianatry ny sekoly ambaratonga faharoa, milaza ny sasany fa tsy tokony miaraka ampianarina ny lesona ny ankizivavy sy ny ankizilahy.

Niantso ny vahoaka mba hanaiky ny lesona kosa i Rakhim Soliev, mpisera Facebook.

Hoy ny heviny:

На парламенте сидят люди имеющий диплома и голову. Вы слышали что ” Запретный плод сладок” так что молодежь должны знать что это. Это наша природа. Если парень или девушка имеет терпения и совесть то такими вещами заниматься не будут. Вы уже знаете что под полно все этим занимаются. Так что давайте смотреть на таки вещи нормально. Смените розовые очки.

Manana diplaoma sy atidoha ny olona ao amin'ny antenimiera. Efa nahare ianareo fa ‘mamy ny voankazo voarara’, ka mila mahalala izany ny tanora. Zavatra voajanahary amintsika izany. Raha manana faharetana sy fahatsapahan-tena ny lehilahy na vehivavy iray, dia tsy hiditra amin'ny [fijangajangana] izy ireo. Efa fantatrareo ihany fa manao izany miafina ny rehetra. Ka andao isika hijery ireo zavatra ireo amin'ny fomba tsotra. Atreho ny zavamisy. 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.