Takian'ny Italiana Sasany Amin'ireo Mpitarika Azy Miteny Anglisy Ny Hoe ‘Lazao Amin'ny Teny Italiana’

The Italian Navy has launched a recruitment campaign not in Italian, but in English. From Marina Militare's Facebook page.

Nanao doka fanentanana ny olona hirotsaka ao aminy ny Tafika An-dRanomasina Italiana, tsy tamin'ny teny Italana fa tamin'ny teny Anglisy. Avy ao amin'ny pejy Facebook-n'ny Marina Militare.

Nivoaka voalohany tao amn'ny PRI.org ny 2 Martsa ity lahatsoratra sy tatitra tamin'ny fampielezampeo nataon'i David Leveille ho an'ny The World ity, ary naverina navoaka etoana noho ny fifanarahana fifampizarana votoaty.

Nitaty kiana mavesatra i Matteo Renzi, ilay praiminisitra tanora indrindra ao Italia — saingy tsy noho ny “filàny maika” fanovàna politika sy toekarena. Fa, tezitra tamin'ny fampiasàny tsy nihambahamba ny teny Anglisy ry zareo Italiana.

Nampiditra “lalàna momba ny asa” i Renzi, ary nampiasa ny teny Anglisy toy ny hoe “benchmark” sy  “hashtag” tamin'ny fanolorana nataony. Nanindry mafy mihitsy aza izy ny hampiasàn'ny kabinetran'ireo ministerany ny teny Anglisy, sambany teo amin'ny sehatra politika Italiana. Ary mety nihitatra ilay fironana: nandefa fanentanana handraisana olona vaovao ny tafika an-dranomasina ao Italia ka nampiasa ny teny Anglisy ho teny faneva “Milamìna fotsiny dia Midira ho tafika an-dranomasina.”

Tsy dia handeha lavitra ity teny Anglisy ity noho ny fitomboan'ny isan'ireo Italiana mitaky amin'ireo politisiana hoe  “lazao amin'ny teny Italiana.”

“Misy fanavaozana goavana ataontsika ny sehatry ny asa,” hoy i Beppe Severgnini, mpandalina lohahevitra ao amin'ny gazety Italiana mpiseho isanandro Corriere della Sera. “Amin'ny teny Italiana io dia ‘riforma del lavoro’. Fa dia inona loatra teto amin'ity tany ity no nahatonga an-dry zareo hiantso azy io hoe Jobs Act?”

Lazain'i Severgnini fa toy ny fiverenana any afovoan'ny andro fahagola ny fampiasàna ny teny Anglisy, rehefa te-hanafina amin'ny olom-pirenena tsotra ny tena fandehan'ny zava-misy ireo politisiana dia miteny Latina. “Toy ny “saccharine” fa tsy siramamy ny teny Anglisy, ny saccharine izay arotsakao ao anatin'ny kafe politika Italiana ho an'ny daholobe,” hoy izy manamafy. “zavatra mamy be iray mba tsy hahatakaran'ny olona tsara kokoa ny tena zava-misy.”

Adihevitra iray hafa miainga izao ny momba ny fandaniam-bola be ataon'ny governemanta. “Araka izany dia te-hiroso amin'ny famerenana mandinika ny fandaniana isika, saingy nahoana no tsy lazainareo amin'ny teny Italiana io, ho an'ireo Italiana mpifidy, ‘la revisione della spesa?'” hoy i Severgnini manontany. “Tsotra, mazava— saingy tsia, ‘spending review’ no ilazan-dry zareo azy, izay etsy andaniny dia marobe amin'ireo Italiana no tsy mahay akory ny fomba fanònona azy.”

“Fa azon-doza inona loatra no dia manao toy izany ianareo?” no fanontaniana napetrak'i Severgnini tamin'ireo politisiana nàmany. Ambarany fa matetika ry zareo ireo no mamaly hoe io no fomba tsara indrindra ifandraisana amin'ny samy Eoropeana, na ny hoe takatry ny ankamaroan'ny Italiana ireo teny Anglisy tsotra toy ny hoe “jobs” sy “act.”

Ny valintenin'i Severgnini? “Tsy miditra amin'izany aho,” hoy izy. “Tiako ny Italiana. … Ny manafangaroharo teny no tsy tiako, ary ny fanafangaroharoana dia midika fiheveran-tena ho ambany, tsy firaharahiana sy hakamoana. … Teneniko ny hoe voalavokely rehefa mampiasa ny solosaina aho, fa ny zavatra hafa, lazaiko fa manana teny manana ny maha-izy azy isika, noho izany, mba ampiasao ny saina, ampiasao ny Italiana.”

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.