Mianatra Ao Amin'ilay Anjerimanontolo Niarahaban'ny Lefitry ny Zokiolona Ny Famonoana Nanjo Azy Ny Zanak'i Nemtsov

Tens of thousands demonstrate in memory of Boris Nemtsov, Moscow March 1, 2015, by Zurab Javakhadze. Demotix.

An'arivony maro ireo nanao fihetsiketsehana ho fahatsiarovana an'i Boris Nemtsov, Maosko
1 Martsa 2015, avy amin'i Zurab Javakhadze. Demotix.

“Mampihena iray indray ny faikam-boto izany.” Io no nentin'i Vladimir Talismanov, lefitry ny zokiolona ao amin'ny Ivontoerana momba ny Fizika sy ny Teknolojia ao Maosko (MFTI), namaly ny vaovao nilaza ny famonoana nanjo an'i Boris Nemtsov tamin'ny herinandro lasa.

Tao amin'ny pejiny ao amin'ny media sosialy Vkontakte, tsy nisy fitserana mihitsy i Talismanov ho an'ilay praiminisitra fahiny tao Rosia lasa olo-malazan'ny fanoherana, tamin'ny fiampangàna azy ho “faikam-boto” sy “mpivaro-tena” amin'i Etazonia:

Американцы сами мразь породили, финансировали ее, сами же и убрали. Такова судьба всех проституток. Вчера вечером на одну мразь стало меньше.

Ny Amerikana mihitsy no nanabe an'iny faikam-boto iny, ry zareo no namatsy vola azy, ary avy eo ry zareo ihany no nanilika azy. Izany no lahatra hiafaràn'ireo rehetra mivaro-tena. Iny alina iny no nampihena iray indray ny faikam-boto.

Ny tena tohina tamin'ity fanambaràna veta ity dia i Anton, zanak'i Boris Nemtsov, izay mpianatra ao amin'ny MFTI ihany aminì'izao fotoana izao.

 Nanameloka imasom-bahoaka ilay fanehoankevitr'i Talismanov ny mpitondra ilay anjerimanontolo, nolazainy ho “diso toerana tanteraka sy manafintohina”, ary nisy andianà mpianatra avy ao amin'ny MFTI, mpampianatra ary ireo mpianatra nahazo diplaoma avy ao namoaka taratasy voasonia mivaky hoe :

Мы, студенты, выпускники и преподаватели МФТИ, привыкли к тому, что Физтех — институт высоких стандартов. Стандартов не только образовательных, но и моральных и нравственных. Мы признаём право Владимира Сергеевича на выражение своего мнения, даже если чувство такта не заставляет его в такой момент держать это мнение при себе. Но мы считаем, что любую смерть можно воспринимать только как трагедию, и никак иначе. Мы приносим Антону свои искренние извинения за тех, кто не смог проявить себя достойно. Нам больно это видеть и слышать.

Антон, мы глубоко соболезнуем тебе в твоей утрате.

Izahay, mpianatra, mpianatra fahiny, ary mpampianatra ato amin'ny MFTI, dia niaina tamin'ny hoe ivontoerana iray manana fenitra avo lenta ny Fiztech [“Physics and Technology,” anaram-petaka ho an'ny MFTI]. Tsy hoe ny fenitry ny fanabeazana fotsiny, fa koa ny fitondrantena  (maoraly) sy ny fotokevitra ijoroana. Ekenay ny zon'i Dr. Talismanov haneho ny heviny, na dia tsy mahay mandanjalanja nitandrina aza izy mba hitazona izay fomba fijeriny izay ho azy samirery tamin'ny fotoana tahaka izany. Nefa inoanay fa na inona na inona fahafatesana dia tokony ho zava-doza no ijerena azy, fa tsy zavatra hafa velively. Manolotra ny fialantsiny amin'ny fonay manontolo ho an'i Anton izahay noho ny amin'ireo izay tsy afaka ny hitondra tena amim-pahamendrehana. Mampalahelo anay ny mahita sy mandre izany.

Anton, miara-ory tanteraka aminao amin'izao famoizana izao izahay.

Satria nahasarika ny fifantohan-tsain'ny media ilay tantara, nofafàn'i Talismanov ny fanehoankeviny tao amin'ny VKontatke, ary niala tsiny imasom-bahoaka noho ny “hetsika nentanin'ny fihetseham-po tafahoatra vitany”. Nilaza ho  “sadaikatra” izy

Ny 2 Martsa, nametra-pialàna tsy ho lefitry ny zokiolona ao amin'ny MFTI i Talismanov, na dia afaka ny hanohy hampiasa azy amin'ny sehatra hafa ihany aza ny anjerimanontolo.

Niresadresaka tamin'ny  “Echo of Moscow” (Akon'i Maosko) ny andron'iny nametrahany fialàna iny, namelabelatra i Talismanov fa :

Я расцениваю это в принципе изначально как высказывание на своей личной странице. У меня есть там даже пометка – что это исключительно личная страница. Никак это нельзя расценивать как высказывание должностного лица. И никто особо ее не посещал. Я не ожидал такой реакции. Целью была просто какая-то моя реакция. Не было цели обидеть кого-то и уж тем более расколоть общество. Я просто достаточно патриотично настроенный человек. И с некоторым негативом вспоминаю, что у нас было в стране в 90-е годы, ту форму правления, как все это происходило. Как-то со страхом все это вспоминаю. Сейчас патриотические силы – им в общем-то дали возможность высказываться. Говорить о родине, о том, что надо ее любить. Ну, как-то я воспрял духом. Но сказано это было, несомненно, в некорректной форме.

Tany amboalohany, toy ny fanambaràna ahy manokana tao amin'ny pejiko ihany no nahitàko azy iny. Manana naoty mihitsy aza aho any, hoe pejy natao ho ahy manokana io. Na amin'ny lafiny ahoana, na ahoana, dia tsy afaka raisina ho toy ny sehatra ofisialy mihitsy ny pejiko ao amin'ny Vkontakte. Ary tsy dia misy loatra olona mitsidika ny pejiko. Tsy niandrandra fitrangan-javatra tahaka izao mihitsy aho. Teboka natao fotsiny hanehoana ny fomba fijeriko io. Tsy nikendry hanafintohina olona velively no tanjona, na hoe hampizarazara ny olona. Olona tena tia tanindrazana tsotra fotsiny izao aho. Ary dia fahatsiarovana maloka ho ahy ny mahatsiaro ny niainan'ny firenentsika tany amin'ny 1990 tany, ny endriky ny governemanta, [sy] ny fomba fandehan'ny zavatra rehetra. Niharo tamin'ny tahotra indray ny fahatsiarovako ireo rehetra ireo. Ankehitriny, nomena ny fahafahana rehetra ahazoany maneho hevitra, amin'ny ankapobeny, ireo hery tia tanindrazana. Hiresaka momba ny Firenena, ary tokony hitia azy isika. Ka dia izay, niakatrakatra ny fanahiko. Nefa moa, mazava loatra, voalaza tamin'ny fomba tsy naha-nety azy ilay izy.

Ny fanaovana fanehoankevitra mahery setra tahaka izany avy amin'ny lefitry ny zokiolona ao aminà anjerimanontolo iray sangany ao Rosia, atao amin'ny toerana hoan'ny daholobe, na dia hoe virtoaly aza,  dia mariky ny toe-draharaha politika feno poizina sy mifanenjana tato ho ato ao Rosia. 

Asehon'ilay tantara indray koa, ao anatin'ny tontolo misy ankehitriny, ny fomba hanipazan'ny lahatsoratra iray ny mpanoratra azy ho eny afovoan'ny tantara ratsy ifanjevoan'ny daholobe ao anatin'ny alina iray monja.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.