Tsy Voasazy Ny Fanitsakitsahana Ny Lalàna Momba Ny Bilaogera Ao Rosia

Images mixed by Tetyana Lokot.

Sary nafangaron'i Tetyana Lokot.

Tsy voasazy ny fanitsakitsahana ny Lalàna Rosiana momba ny bilaogera satria ny fampiharana ilay lalàna toa tsy dia miraharaha firy ny fampandoavana sazy an'ireo mampiasa teny manafintohina, na mamporisika ny fampiasana zava-mahadomelina, na maniratsira ny finoan'ny olona rehefa manoratra anaty bilaogy.

Hatramin'ny nampanan-kery tao Rosia ilay ‘lalàna ratsy laza momba ny bilaogera’, fito volana lasa izao, ny Roscomnadzor, ilay ‘alika mpiambina ny fifandraisan-davitra’ dia naharakitra fanitsakitsahana niisa 67 tany anaty bilaogy 53 tamin'ireo bilaogy vaovao vao nampiana tao anaty lisitry ny bilaogera. Mitatitra ny  TJournal  fa 40 amin'ireo no miresaka fanimbazimbàna any anaty bilaogy, 17 momba ny “fandrisihana hampiasa zava-mahadomelina.” Ny fanitsakitsahana hafa dia ahitàna antso ho amin'ny fihenjanam-pihetsika, fampielezankevitra manely ny marika Nazi, ary votoaty manafintohina ho an'ireo olon'ny finoana .

Nanazava i Vadim Ampelonsky, sekretera misahana ny fifandraisana amin'ny mpanao gazety ao amin'ny Roscomnadzor, fa ny mandrakitra ny fanitsakitsahana fotsiny no azon'ilay ‘alika mpiambina’ atao, fa tsy afaka mizara sazy izy, satria ilay lalàna dia mametraka fa ireo masoivoho samihafa ho fampiharana ny lalàna no tomponantoka amin'izay fidonany eo.

Само ведомство этого делать не может, так как «санкции» предусмотрены не законом о блогерах, а другими нормами права: например, ФСКН может заставить отвечать за пропаганду наркотиков, а Генпрокуратура — за экстремизм.

Tsy afaka manao izany ny antokon-draharaha misy anay, noho ny “sazy” tsy hoe miankina fotsiny amin'ny maha-lalàna ho an'ny bilaogera azy, fa miankina amin'ny fenitra hafa apetraky ny lalàna koa: ohatra, ny Sampan-draharaha Federaly Rosiana ho Fanaraha-maso Ny Zava-mahadomelina no afaka mitàna anao ho tomponandraikitra taminà famporisihana hampiasa zava-mahadomelina, ary ny Biraon'ny Fampanoavana no afaka mampihatra [sazy] mikasika ny fihenjanam-pihetsika

Ny zavatra iray sarotra hazavaina saingy mahaliana, araka ny lazain'ny Roscomnadzor, dia ny hoe tsy raisin'ny polisy Rosiana ho toy ny “habaka ho an'ny daholobe” ny aterineto, noho izany tsy hitany loatra izay antony hanenjehana ireo mpampiasa azy amin'ny resaka faniratsirana finoana na fanaovana teny henjana any anaty bilaogy. Ampelonsky nilaza fa eo ampiresahana amin'ny solontenan'ny polisy ry zareo amin'izao fotoana izao, momba ny fahafahana sy ny tokony hampiharana ny fenitra ara-pitantanana amin'ireo habaka ety anaty aterineto.

Nanomboka nanan-kery tamin'ny 1 Aogositra 2014 ilay lalàna momba ny bilaogera ary asa omeny ny Roscomnadzor ny fampidirana ireo Rosiana bilaogera rehetra manana mpitsidika maherin'ny 3000 fotsiny isanandro ho ao anaty lisitra iray manokana. Ireo bilaogera, izay ampitoviana laharana amin'ireo mpampita vaovao mahazatra, dia raràna tsy hizara vaovao tsy voamarina, tsy hanaparitaka antso ho amin'ny fihenjanam-pihetsika na teny manafintohina. Terena ihany koa ireo bilaogera malaza mba hamoaka ny tena maha-izy azy ireo ao amin'ny tranonkalany. Mety hahavoasazy ara-bola ny fanitsakitsahana ilay lalàna.

Tamin'ny 1 Aogositra, rehefa nahazo hery ilay lalàna, dia nanao hetsi-panoherana fanairana ny RuNet, niaraka taminà mpampiasa marobe izay nanao fanahy niniana nametraka tenifototra manafintohina, teny na sary tao anatin'ny bitsika nalefany mba hanehoany fa tsy manana fahefana amin'izy ireo ilay lalàna.

Ny 2 Febroary 2015, nanolotra vakiraoka iray ho lalàna hanaraha-maso ny hetsik'ireo bilaogera ny solombavam-bahoaka iray tao Okraina, soso-kevitra izay dika mitovy amin'ilay an'ny Rosiana. Taorian'ny tabataban'ireo mpanao gazety ren'ny rehetra, ireo mpisolovava ny fahalalahana miteny ary ny aterineto amin'ny ankapobeny, nosintonin'ilay solombavam-bahoaka ilay tolo-dalàna, tamin'ny nilazany fa nisy ny tsindry avy amin'ireo namany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.