Jamaika: ‘Dudus’ eo ambany fanaraha-maso

Nivoaka omaly ny vaovao fa voasambotra ihany ilay lehilahy nokarohina hatramin'ny tany Jamaika, Christopher ‘Dudus’ Coke – ny fandefasana azy any Etazonia izay mbola andrasana, hiatrika ny fiampangana azy amin'ny fivarotana rongony sy fitaovam-piadiana an-tsokosoko, dia nahatonga ny firenena handray fepetra vonjimaika dodona noho ny fifandonana teo amin'ireo voalaza ho mpanao asa ratsy sy ireo mpitandro filaminana nasionaly.

Misy ireo ady hevitra sasany momba ny hoe tena voasambotra marina ve i Coke, na izy mihitsy no nanolo-tena noho ny fanampian'ny Reverend Al Miller, voalaza ho “olona tena ifantohan'ny saina” amin'izao fotoana izao. Maneho hevitra i Jamaica Salt :

Araka izany dia ambany fanaraha-mason'ny polisy i Christopher Coke taorian'ny nahatratraran'ny polisy azy teny amin'ny arabe Nelson Mandela niaraka tamin'ny Rev Al Miller.

Vita tatitra tsara ireo fifanarahana amin'ny hanolorany tena, talohan'ny vono olona mahatsiravina tany Tivoli Gardens izay namoizana ain'olona 74 (Seaga dia miteny fa 150 no isan'izy ireo).

Ankehitriny dia tian'ny polisy hosamborina ihany koa i Rev Al Miller satria toa tezitra izy ireo fa saika votsotra avokoa izy roa. Toa tany Kingston sy ny manodidina  i Dudus nandritra izay fotoana rehetra izay –toy izany koa ny fianakaviany. Tsy nahita azy ireo mpitandero filaminana, na dia mitady hiteny aza izy ireo fa ny “fahakingan-tsaina” no nahatontosa ny fisamborana azy. Ny tena marina dia eo an-dalam-panoloran-tena izy no voasambotra. Tsy azo lazaina ho tena lehibe i Kingston.

Izao dia mitady an'i Rev Al Miller ny kômisera Ellington– kanefa navelan'ny mpitandro filaminana nandeha izy tamin'iny fotoana iny ary afaka nanararaotra tsara nanadihady azy taorian'ny fiaiken'ny rahalahiny sy ny anabaviny, koa maninona ary izy no tsy niresaka taminy?

Ny mpitoraka blaogy Jamaikana Mad Bull mipetraka any Cayman koa dia nanana fanotaniana:

Manontany tena aho raha nihazakazaka saika handeha hitsoaka hiafina any amina toeran-kafa indray izy, na natolon'ny Reverend tsara fanahy tany amin'ny Masiovoho Amerikana. Manontany tena aho hoe diarin'iza marina no tena tohanan'ny Révérend? Nahoana izy no toa mifankahazo loatra amin'ireo mpanao asa ratsy sy ireo mpanjakan'ny rongony sy ny sisa?

Satria tokoa izy niteny am-pahibemaso fa nisy fotoana nanolo-hevitra an'i Dudus mba hanolo-tena. Ahona ary no ahafahany miresaka amin'i Dudus amin-kamorana nefa tsy mety mahatratra azy ny governemanta Jamaikana? Nahoana izy no tsy niara-niasa tamin'ny governemanta mba hanolorana azy any amin'ny fitsaràna? Ny mahavariana dia, ity ihany ilay Reverend Al Miller izay nanamora ny fiaiken'ireo mpiray tampo amin'ny Coke taloha.

Labrish dia manamarika fa ny mpitandro filaminana dia “nampisondrotra ny hahavon'ny herisetra ataon'ireo mpanao asa ratsy amin'ireo mpitandro filaminana Jamaikana (JCF) ho avo dia avo, midika fa mananontanona ireo fanafihana”, raha etsy an-daniny kosa dia manome ny an-tsipiriany bebe kokoa ny Girl With a Purpose :

Nentina ho eo ambany fanaraha-mason'ny mpitandro filaminana izy tany Ferry akaikin'ny Fiombonan'ny Sekoly Hydel eo anelanelan'ny St. Catherine sy St. Andrew, iray ora latsaka izay nandritra ny fizahàna nataon'ny mpitandro filaminana teny amin'ny manodidina.

Raha ny fahitana azy dia teo am-pandehanana ho any amin'ny Masoivoho Amerikana any Liguanea, any St. Andrew i Atoa Coke, mba hikoy any amin'ireo manam-pahefana Amerikana any.

Hanao latsa-bato ny Parlemanta anio alina, ny amin'ny tokony na tsy tokony hanitarana ny fepetra vonjimaika hatramin'ny 22 Jolay 2010.

Efa nanome ny fanekeny hanalava izany ireo Mpanolo-tsaina. (Ny Parlemanta mpanohitra ihany koa dia naneho am-bava ny fanekeny an'ity fanalavàna ity… noho izany dia fomba fotsiny sisa ny latsa-bato).

Misy ihany koa ny fepetra vonjimaika notapahina ho an'ny paroasin'ny St. Catherine, noho ny fisavoritahana vokatr'ireo vono olona tany amin'izany paroasy izany.

Hihatra manomboka anio amin'ny misasak'alina ny fepetra vonjimaika any St. Catherine ary hifarana amin'ny 22 Jolay 2010 misasak'alina.

Mbola mitady izay zava-mahatsikaiky ihany i  Jamaica Salt ao anatina tranga matotra toy izao:

Ny somary mahatsikaiky kely ao anatin'izao rehetra izao, dia ny fitenenan'ireo mpitandro filaminana fa nanao “déguisement” izy tamin'ny tratran-dry zareo – solovolo sy solomaso hosoka. Toa mampihomehy raha lehilahy izay lazaina fa lehiben'ny olon-dratsy voavidy aman-tapitrisa maro no hifidy izany “déguisement” tsotra kely izany. Ny sasany mety nitsoaka tany Amerika Atsimo dia nodidiana mihitsy hanova tarehy, i Dudus kosa mipetraka any Kingston miankanjo tahaka ny lehilahy Soisy(suisse).

Kanefa i Salt, miaraka amin'ireo mpitoraka blaogy hafa, dia tsy afa-manoatra fa maminany izay ho tohiny fotsiny:

Miatrika ny fiainany any am-ponjan'i Etazonia i Dudus raha voaporofo fa izy no tompon'ireo rongony sy ireo fitaovam-piadina ireo. Hahaliana ny hahita izay hoteneniny rehefa tonga any izy – hanipy ny fahadisoana any amin'ny Praiminisitra Bruce Golding ve izy?

The Wickedest Time dia mametra-panontaniana maro noho ireo valin-teny:

Ny fanontaniana lehibe indrindra dia ny hoe inona indray no manaraka?? Hizaka ny anjarany tahaka ny rainy izay nodorana velona tao amin'ny fonja Jamaikana teo am-piandrasana ny famindrana azy tany Etazonia ve izy?? Iza no hahazo ny US$60,000/JA$5 Tapitrisa valisoa takalon'ny lohan'i Christopher ‘Dudus’ Coke?? Rahoviana izany no hivoaka??

Ny krizy iray volana izay nanery an'i Jamaika handray fepetra vonjimaika dia namoizana ny ain'ny miaramila iray sy olon-tsotra 73… koa satria eo ambany fanaraha-maso izy izao, hiverina araka ny tokony ho izy ve ny fiainan'ny mponina ?

Chez Hsia no tompon'ny teny farany:

Notaterina tany amin'ny Tobin'ny mpitandro filaminana Espaniola i Dudus, avy eo tany amin'ny fonjan'i Espana, ary avy eo nalefa fiaramanidina niverina tany Kingston, toerana iandrasany ny datin'ny fitsaràna azy izay lazaina fa ho avy tsy ho ela afaka andro vitsivitsy.

Ny vinavinako: ny fanjakana Jamaikana dia hampiasa ny fe-potoana mba hiezahana hiampangana azy amin'ny heloka izay mifototra amin'ireo vaovao azon'izy ireo nandritra ny fitazonana sy ny fanadihadiana azy, ary hihizingizina hitana azy tsy ho any Etazonia fa hoe enjehin-dry zareo ao amin'ny taniny aloha. Ho andro fohy mahaliana ny fijerena ny fivoaran'ity raharaha ity ho lasa lavitra hatrany…Raha haneritery ny Etazonia hakàna azy any amin'ny fanaraha-maso, na, ara-diplomatika dia tsy maintsy manaja ny fahalalahan'ny vahoaka Jamaikana hanenjika azy manokana ry zareo, na dia tetik'ady hampitandremana ireo mpitarika Jamaikana amin'ny mba tsy hahatafiditra azy ireo amin'ity asa ratsy ity ihany aza izany. Mbola hitohy…

Ny sary nampiasaina tamin'ity lahatsoratra ity, “Miteraka resa-be i Dudus, ilay kaidy malaza any Jamaika”, dia avy amin'ny bbcworldservice, nampiasaina teo ambanin'ny Creative Commons license. Mitsidiha ny rakitsary Flickr-n'ny bbcworldservice.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.