Mikarakara Atrikasa Momba Ny Asa Fanaovan-gazety Hoan'ny Tanora Shipibo i Chariboan Joi

Foto usada con permiso del proyecto.

Mpikambana ao amin'ny OJIRU sy Alianza Arkana manaramaso ny praograman'atrikasa. Sary nahazoan-dalana avy amin'ny tetikasa.

Faly ny ekipan'i Chariboan Joi mampahafantatra ny atrikasa momba ny asa fanaovan-gazety nomerika hoan'ireo tanora folo Shipibo izay notanterahana tamin'ny 9 Febroary hatramin'ny 20 Febroary 2015. Mpianatra ambaratonga ambony avy amin'ny fiarahamonina  Nueva Betania, Alva Castro, Nueva Palestina ary Puerto Betela avokoa ireo mpanatrika, izay nofantenana tamin'ireo zatovo 40  nandray anjara tamin'ny Fetibe Chariboan Joi natao tamin'ny 2 Desambra 2014 tany Nueva Betania. Nandritra ny atrikasa, namokatra ny fampiratian'izy ireo voalohany indrindra amin'ny fampiasana finday ho fitaovana fanaovan-gazety ireo mpitati-baovao vao misandratra. Amin'ny teny Shipibo avokoa ireo fanadihadiana rehetra ary ahitana angano, tantara, famakafakana, vazivazy, ary ny hira nentim-paharazana.

Fandinihana mahaliana tanteraka ny fandraisam-peo avy amin'ny Fetibe. Miguel Guimarães, mpikambana ao amin'ny OJIRU izay nanatevin-daharana ny ekipa tamin'ny Janoary lasa teo niaiky hoe:

A pesar de que hablo y escribo en shipibo, no llego a entender completamente algunas palabras o frases en los mashas (cantos tradicionales) grabados en el Festival. Hay una diferencia generacional en cuanto a vocabulario, los jóvenes han incorporado algunas palabras del idioma de la “sociedad mayor”, pero a la vez estarían perdiendo otras que sólo dominan los mayores.

Na dia mahay miteny sy manoratra Shipibo aza aho, mbola tsy dia mahazo tsara ireo voambolana na fehezanteny sasany amin'ny mashas (hira nentim-paharazana) narakitra nandritra ny Fetibe. Misy ny hantsana mampisaraka ny taranaka mikasika ny voambolana, nanampy voambolana sasany amin'ny tenin'ny “fiaraha-monina ntaolo” ny tanora, saingy ao anatin'izany, very voambolana hafa izy ireo izay ireo olona antitra ihany no mahafantatra.

Nandritra izany fotoana izany, Jamer Lopez, filohan'ny OJIRU nilaza hoe:

Traducir literalmente al español puede ser fácil, mas no así interpretar y además redactar de forma entendible.

Mety hoe mora ny mandika ara-bakiteny ny Espaniola, saingy mitovy amin'ny fandikana sy ny fanoratana ihany koa amin'ny fomba mora takarina izany.

Tamin'izany dingana izany dia teraka ny adihevitra amin'ny handikana ambava amin'ny teny espaniola eo noho eo, ambonin'izany rehetra izany dia tokony ny mpandika teny matihanina na ny tanoran'ny OJIRU no nitarika azy. Noraisina ny fanapahan-kevitra fa ny OJIRU no manao ny fandikan-teny, satria ao anatin'ny iray amin'ireo tanjona ny hanatsarana ny fahaiza-manaon'izy ireo izany. Ankilan'izany, hiteraka fampihenana ny vola ilaina amin'ny fikarakarana ny hetsika ihany koa izany.

Ny vola azo avy amin'ny fandikanteny dia nampiasaina ho amin'ny tombotsoan'ny fikambanana ihany, izay nanana andraikitra telo lehibe miandry : ny fikarakarana ny kongresy, ny fifidianan'ny fikambanana ary ny fandraisana anjara amin'ny Fifaninanana Baolina faha-XXIV Eo amin'ireo Fiarahamonina Teratany, fantatra amin'ny anarana hoe “Amboara Shipibo”. Saingy indrisy, resy nandritra ny fifaninanana ny fiarahamonina ary very torak'izany ihany ny koa ny nofy hahazoana ny loka, lelavola 12.000 soles (latsaka kelin'ny 4.000 dolara Amerikana),sy 100.000 (eo amin'ny 32.000 dolara Amerikana) hanaovana fotodrafitrasa.

Nandritra ny tapa-bolana farany, natsangana ireo efi-trano ho an'ny tanora, ary koa ireo efitranom-pianarana sy fifandraisana Wifi. Na dia izany aza, ny fanomanana ny asa lehibe indrindra dia ny fikarakarana ny fandaharam-potoanan'ny atrikasa, toy ny tanjon'ny atrikasa, ny fomba fananganana fototra miorina amin'ny fahalalan'ny tanora ankehitriny, ny torohay ara-pampianarana eo amin'ny kolontsaina samihafa hoan'ny zatovo, ny fifandanjana eo amin'ny teoria sy ny fampiharana, ny vinavinan'ny tsirairay mitati-baovao sy ny fikirakirana vaovao, ny etikan'ny fanaovan-gazety ary ny herin'ny haino aman-jery, sns.

Nahatonga anay hanofy sy hiandry ny vokatra nafafinay izany eritreritra izany fa hiteraka vokatra fohy ezaka hampivelatra kokoa ny fahefan'olo-tsotra hoan'ny taranaka vaovao zatra kokoa ny fampahalalam-baovao nomerika sy ny aterineto. Mampientana indrindra izany ho an'ny fiarahamonina vazimba teratany rahonan'ny tsy firaharahiana mahazatra sy ara-tantara avy amin'ny governemanta sy ireo vondrom-pahefana mikendry hahazo harena voajanahary misy ao amin'ny faritanin'izy ireo.

Niandry fatratra ny fahatongavan'ny tanora avy amin'ireo fiarahamonina izahay tamin'ny Alatsinainy 9 Febroary.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.