Ireo Zazakely Mahazo Zazakely: Tsy Misy Sekoly Ho An'ireo Vady Tanora Any Nepal

Girls from Newar community wearing traditional wedding dresses take part in Bael Bibaha, a practice where a girl is wed to a bael fruit, representing one of the gods, before her marriage. Image by  Nabin Baral. Copyright Demotix (3/12/2011)

Ireo ankizivavin'ny vondrom-piarahamonina Newar, miakanjo nentim-paharazana fitondra amin'ny fanambadiana, mandray anjara amin'ny Bael Bibaha, fomba fanao izay hampanambadiana zazavavy kely amin'ny voankazo bael. Tsy fanambadiana zazakely akory io, fa kosa fomba fanao nentim-paharazana izay midika fa rehefa manambady izy ireo (sahala amin'ny olon-dehibe), tsy ho mananon-tena mihitsy izy ireo satria efa efa nampanambadiana tamin'ny endrik'andriamanitra (ilay voankazo) fony fahazaza. Fizakamànana Demotix (3/12/2011)

Zava-misy mahamenatra any Azia Atsimo ny ankizy-ray aman-dreny, izay mbola miparitaka tokoa ny fampanambadiana ankizy na dia eo aza ireo ezaka ataon'ny governemanta sy ny fiarahamonim-pirenena mba hiadiana aminy. Amin'izany toe-javatra izany, ireo ankizy vavy indrindra no tena miaritra izany, tratra ao anatin'ny fandriky ny fahantràna noho ny fampiatoana tampoka ny fampianarana azy ireo, ary mamandrika ireo zanany haterany aty aoriana, ao anatin'ny tranga mitovy amin'izany.

 

#FridayFact: Maneran-tany, eo ho eo amin'ny 1 amin'ny vehivavy 4 no nanambady mialoha ny faha 18 taonany, any Azia Atsimo ny tahan'isa ambony indrindra amin'ny #childmarriage (fanambadiana ankizy). @UNICEF 

‘Nepal no faha sivy manana taha ambony indrindra amin'ny fanambadiana ankizy eto an-tany, izay ahitàna ankizy vavy iray amin'ny mpanambady telo… 

Ny taona lasa teo, latsaky ny 15 taona ireo vinanto vavy miisa 4.000 tany Nepal, na dia eo aza ny taona ara-dalàna hanambadiana ho an'ireo vavy sy lahy ho 18 taona miaraka amin'ny fanomezan-dàlan'ireo ray aman-dreny ary tsy mila izany kosa ny 20 taona.

Miantefa matetika amin'ilay saranga ahilikilika indrindra ara-tantara, ireo “dalits”, (fantatra ihany koa amin'ny anarana hoe ‘ireo tsy azo kitihana’ noho ny toerana misy azy ao anatin'ny rafitra Hindu efa miha-maty mikasika ny fizarazaràn'ny foko), dia matetika no atao antsokosoko ny fanambadiana ankizy; noho ny filàna ny fombafomba amin'ny ampahany sy fivoaham-bola amin'ny ampahany ihany, any amin'ny lemaky ny atsimon'ny firenena, fantatra amin'ny hoe Terai. Mampiseho ny antontanisa ny taona 2012 fa avy any amin'ny faritra atsinanan'i Terai ny maherin'ny antsasak'ireo fanambadiana ahitàna ankizy vavy latsaky ny 12 taona

50 taona lasa izay, efa nofoanan'i #Nepal ny fanambadiana ankizy . Na izany aza, 4 amin'ireo vehivavy 10 no nanambady latsaky ny 18 taona. Fandàvana=Fakàna an-keriny. 

Fahazazàna very

Vao manambady ireo ankizy vady, tsy maintsy miandraikitra eo noho eo ireo andraikitry ny olon-dehibe, apetraky ny fiarahamoniny amin'izy ireo. Iray amin'ireo zavatra andrasana lehibe indrindra ny fiterahana — na hita aza fa mbola tsy vonona ara-batana sy ara-tsaina amin'izany izy ireo.

Araka ny Tahirmbolan'ny Firenena Mikambana Ho an'ny Mponina (UNFPA), rehefa bevohoka ny tanora iray tsy ampy taona, avo in-dimy heny amin'ny an'ny vehivavy eo amin'ny faha-roapolo taona ny tahan'ny mety hahafaty azy mandritra ny fotoana iterahana.

Aorian'ny fahaterahany, tena kely ny vintany hoe ahafahany manohy indray ny fianarany, mamela azy hianjadian'ny tsy fahaizany mamaky teny sy manoratra, fanararaotana ara-nofo sy ara-tsaina, ary ny fahantrana.

Araka ny tatitry ny Fiaraha-miasa Maneran-tany ho an'ny Fampianarana, ny taona 2014, 57% ihany ny tahan'ny fahaizan'ireo vehivavy mamaky teny any Nepal, oharina amin'ny taha 75% ho an'ireo lehilahy, noho ny taha ambonin'ny fialàna amin'ny fianarana ao amin'ny firenena. Fanampin'izay, asehon'ny fanadihadiana fa ireo ankizivavy manambady mialoha ny faha 15 taonany, dia manan-janaka telo na mihoatra raha oharina amin'ireo vehivavy 20 sy 24 taona.

Ny dôty – fanomezana raisina mandritry ny fampanambadiana azy no antony iray lehibe indrindra amin'ny fampanambadiana zazavavy kely mbola tanora, na ny vola tokony alohan'izy ireo amin'ny fianakavian-dralehilahy.

Raha miha mitombo sy mahazo fampianarana bebe kokoa ny ankizivavy iray, miha mitombo araka izany koa ny dôtiny. Hita tokoa, fa amin'ny vola aloa mitentina 200 dolara ka hatramin'ny 20.000 dolara amerikana, miankina amin'ny taonan'ny ravehivavy sy ireo traikefa ananany, tsy marisika ny handefa ireo zanany vavy any an-tsekoly ireo ray aman-dreny mahantra. Ireo rafozany, izay tsy mahay mamaky teny ihany koa, dia hanery azy amin'ny lafiny rehetra hiatrika bebe kokoa ny asa ao an-tokantrano. Izany no mahatonga ireo manam-pahaizana sasany nanamafy fa ny tsara indrindra entina hiadiana amin'io fomba io dia ny fanenjehana ireo fianakaviana, nefa mety sarotra ihany ny mampihatra lalàna any amin'ireo faritra izay voafetra ihany ny fahafahan'ny fanjakàna miditra.

Sarotra ny mitsoaka. Anefa mety afaka miverina an-tsekoly ihany ireo sasantsasany, sahala amin'ilay zaza dalit 13 taona nalaina an-keriny, izay sady natanja-tsaina no nanam-bitana.

Miaritra ihany koa ireo ankizilahy. Manazava i Shashank Bengali, mpisolo tena ny “Los Angeles Times” ao Azia Atsimo, fa any amin'ireo fianakaviana maro anaka dia fomba malaza entina handrindràna ny fananahan'ireo ankizilahy ary hialàna amin'izy ireo ny fampanambadiana ankizy.

Saingy eo amin'ny faha 13 taonany, maro ireo miampita sisintany mankany India mba hitady asa toy ny mpiasa madinika mpila ravinahitra, mamela ireo vadiny sy ireo zanany ao an-trano hiatrika samirery ny fiainany.

Manapaka ny tsingerina

Miaraka amin'ny vokatr'ilay fomba fanao vita fanadihadiana tsara, maro ireo manontany tena momba ny tsy fahampiana goavana amin'ny fivoaran'ny ady amin'ilay fomba fanao:

Izy no Sonakshi Malik, manambady, mihanaka ny fampanambadiana ankizy any Nepal, nahoana ny governemanta no tsy mahavita manajanona an'io??? 

Nanandrana niady tamin'ilay rafitra fampiharana ny dôty ny governemanta ao Nepal sy ireo olom-pirenena  mafana fo:

 

Mba Jereo Azafady Ary Raiso Ny Andraikitrao Amin'ny Tokony Ovàna eo amin'ny Fiarahamonina, Lahatsary Hamongorana Ny Fampanambadiana Ankizy & Dôty any Nepal

 

Hatramin'izao, miisa 146.000 NPR ireo fanomezan-tànana voaray amin'ny Hetsika Nasionaly ho  Famongorana ny Fampanambadiana Ankizy & ny Dôty, any Nepal. 

Voabahan'ireo zava-misy hafa anefa ireo ezaka ireo, toy ny zava-misy hoe feno ankizy loatra ireo sekoly, tsy lazaina intsony ny hoe matetika lavitra be miala ny tanàna izy ireny, izay mahatonga ny safidy handeha  an-tsekoly ho manahirana be.

Fa misy ny fanantenàna.

Hatry ny taona 2009, natao ho maimaimpoana ho an'ireo ankizivavy ny sekoly hatramin'ny taona faha-folo. Nahatonga ireo tantara tsy ampoizina toy ny hoe mahazo fahaleovan-tena ireo ankizivavy amin'ny filalaovana baolina kitra, na hoe tompon'ny fandaharana ny fanambadiany izy ireo raha ny marina.

Ny sasany mahita fa mihamitombo sy lasa afaka atao ny fotoana ‘fifankahafantarana’ noho ny fidiran'ny kolontsaina hindi Bollywood sy ny finday:

 

Mahatalanjona fa manambady mialoha ny faha 18 taonany ny 41% amin'ireo vehivavy any Nepal. Inona no ataonao raha safidy no nanaovana izany?

Manome sosokevitra ireo zatovo miasa ho mpisolovava any amin'ny faritra andrefan'i Nepal, fa ao anatin'ny fiarahamonina fanjakan-dehilahy toa an'i Nepal, tokony ho vaindohan-draharaha ankehitriny mihitsy ny fanomezana fahaleovan-tena ireo ankizivavy mba hampisy fiovàna:

Jereo ny lazain'ireo zatovovavy ao amin'ny distrika Kapilvatsu, Kavre sy Sindhupal ao #Nepal momba ny #fanambadianaankizy

Mitaky ezaka bebe kokoa ny fanatsaharana ny fomba fanao fampanambadiana ankizy:

 

Ilaina ny fidirana an-tsehatra avy amin'ireo sehatra maro, amin'ny ambaratonga rehetra mba hampiatoana ny #fampanambadianaankizy any Azia Atsimo, hoy @UNFPANepal Rep. 

Ny volana Novambra ny taona 2014, ireo governemanta ao anatin'ny Fikambanana Fiarahamiasam-Paritra ao Azia Atsimo (SAARC) dia nanohy ny fanaraha-maso ny fampiharana ny Tetikadim-Paritra ho Fampiatohana ny Fampanambadiana ankizy, ny volana Aogositra 2014, miaraka amin'ny Antso Kathmandu ho Fandrisana Andraikitra mba Hampiato ny Fanambadiana Ankizy any Azia.

Manohana ilay tanjona manokana hanatsaharana ny fampanambadiana ankizy ireo tetikady ireo, amin'ny alalan'ny fampiasàna ny fifehezan'ny lalàna sy ireo tetikady araka ny lalàna, izay mampiroborobo ny fandraisana andraikitra mba hampitsaharana ny fampanambadiana ankizy.

Antenaina fa hisy fiantraikany mafy ireo dingana vaovao ireo.

Mamelona fanantenàna ho antsika ito bitsika farany ito, hoe na na firy taona aza ny olona, mbola afaka manana fomba fijery vaovao foana:

” Rehefa vita ny fianarany, hanambady ireo zafikeliko vavikely.” Niresadresaka momba ny sekoly sy ny #fampanambadianaankizy ireo zokiolona sasany…nihaino izahay. #Nepal 

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.