Iran Anie Mba Te-ho Naman'ny Google

Image remixed by author.

Sary namboarin'ny mpanoratra.

Matetika i Iran no mirona mankany amin'ny fanakanana, famahana ary fanakanana ny sehatra maro ao amin'ny Google ho tafiditra na tsia ao amin'ny firenena.

Tsy mikirakira fotodrafitrasa hitamaso ao Iran ny Google, ary tsy misy ny valan-tsehatra google.ir . Saingy nanambara androany ny Minisiteran'ny Teknolojia Vaovao ao Iran fa mazoto ry zareo ny hanokatra pejy vaovao ao anatin'ny fifandraisana misafotofoto ifanaovany amin'ilay goavan'ny aterineto ary hamela ny Google hiasa ao Iran, raha mbola manaja ny “fepetra ara-kolontsaina” ihany koa ry zareo. Tsy nanazava izay hoe inona avy ireo fepetra sy ny hoe inona avy ny azon'ny Google atao ao Iran ny fanambarana. 

Tamin'ity alahady ity ny Minisitra Lefitra misahana ny Fampahalalam-baovao sy ny teknolojian'ny Fifandraisana Nasrallah Jahangard nilaza tamin'ny Fars News Agency (“Sampam-panangonam-baovao mahaleotena” iray araka ny tranonkalan-dry zareo, saingy mahita ny olona fa mpanohana ny governemanta izy):

We don't oppose all those people who are in the international market and want to provide services in Iran, and we are ready to hold negotiations with them for their service providing in the Iranian market after accepting Iran's cultural conditions…Also, we are ready to provide Google or any other company with Iran's possibilities and facilities for service providing to the region.

Tsy manohitra ireo olona rehetra miasa ao amin'ny tsena iraisampirenena izahay ka maniry ny hanokatra servisy ato Iran, ary vonona izahay ny hifampiraharaha amin-dry zareo amin'ny serivy ataon-dry zareo ato amin'ny tsena iraniana aoriany ny fanekeny ny fepetra ara-kolontsain'i Iran… Vonona ihany koa izahay ny hanome ho an'ny Google na orinasa hafa fahafaha-manao sy fanamorana ny fanomezana servisy hoan'ny faritra.

Ankoatra ny tsy fidian'ny valan-tsehatra Iraniana, dia iharan'ny sivana nandritra ny taona maro ny Google sy ireo sehatra miankina aminy.

YouTube, izay habatranonkala fifampizarana lahatsary fehezin'ny Google manontolo no voasakana voalohany tamin'ny 2006 satria hoe nisy vontoaty mamoha fady raha nisongadina tao ny lahatsarin'ny mpanao tantara mitohy iraniana iray malaza. Noesorina io fanakanana io avy eo fa naverina indray taorian'ny fifidianana filoham-pirenena tamin'ny 2009, ary nosakanana indray dia napetraka indray taorian'ny namoahana ny indray mipi-mason'ny sarimihetsika Innocence of Muslims tamin'ny 2012.

Ny saritaka napetraky ny fivoahan'ny Innocence of Muslims ihany koa no nitarika ny governemanta hanakana vonnjimaika ny Gmail. Azo idirana ny Gmail ao Iran amin'izao fotoana izao, raha mbola voatampim-bava kosa ny YouTube.

Nanaiky ny fisian'ny fameperana ao amin'ny governemanta rehefa mifampiraharaha amin'ny orinasa vahiny noho ny sazy iraisampirenena, notohanan'i Etazonia, mihatra amin'ny firenena ny minisitra lefitra, saingy nanambara fa eo ampanaovana fifampiraharahana amin'ny orinasa tsy avy ao Etazonia “hanao raharaha ao Iran” ao anatin'ny fotoana fohy dia fohy ry zareo. Tamin'ny Mey 2013, nanaisotra ny fanasaziana ara-pifandraisana amin'i Iran i Etazonia, ahafahana mivarotra fitaovam-pifandraisana amerikana, rindrambaiko andoavam-bola ary tolotra fandefasan-kafatra voaray eo noho eo ao an-toerana. Vao tamin'ny Aogositra 2013 ihany koa ny Google vao namela ny Google Play store ho azo ampiasaina ao Iran. 

Tsy vahiny amin'ny fepetram-piasana ety dia ety ny Google. Tamin'ny voalohany ny orinasa dia nanaraka an-tsakany sy an-davany ny fepetram-panaovana sivana napetrak'i Shina, izay niteraka alahelo tokoa tamin'ireo mpisolovavan'ny Zo Nomerika, saingy niova famindra izy taorian'ny fisovohana goavana niainga avy tao Shina nahazo ny orinasa sy ny kaonty Gmail izay nandrava ny fifandraisana nisy teo amin'ny roa tonta tamin'ny 2010. 

Teo noho eo ihany taorian'ilay fisovohana dia nafindran'ny Google ho any Hong Kong avy amin'ny valan-tsehatra google.cn ho any amin'ny valan-tsehatra google.com.hk, izay tsy iharan'ny fanivanana sy ny fanarahamason'ny Shinoa, ny tolotra nataony hoan'ny Shinoa. 

Ny fanambarana avy amin'ny Orinasam-potodrafitrasam-pifandraisandavitra (TCI) ao Iran ihany koa dia manondro fa maniry i Iran ny hiditra amin'ny dingan'ny fifandraisana amin'ny fomba ofisialy tahaka ny taloha tamin'ny Oktobra 2013. Nanambara ny Tale Mpanatanteraky ny TCI fa vonona ry zareo ny hampiatrano foiben'ango-tahiry ahafahan'ny Google sy Yahoo mitahiry ny torohay avy amin'ireo mpanjifany mipetraka ao Iran, tahaka izay ataon-dry zareo ao amin'ny firenena tahaka an'i Torkia.

Tsy misy zava-baovao amin'ny fanehaon-kevitr'i Jahangard momba ny Google ao Iran, takian'ny TCI ny hitehirizana mihoatra ny herintaona ny ango-tahiry.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.