Sarin'Ankizy Filipino Miasa Amin'ny Fitrandrahana sy Fambolena Fary Hampilatsa-dranomaso Anao

Miharatsy ny fampiasana ankizy any Filipina. Nitatitra ny Biraon'ny Statistikam-pirenena Filipina tamin'ny 2011 fa nahatratra 5,5 tapitrisa ny ankizy miasa ao amin'ny firenena, ka ny 2,9 tapitrisa amin'izy ireo no miasa amin'ny indostria mampidi-doza tahaka ny fitrandrahana akora ambanin'ny tany sy ny toeram-pambolena. Nilaza ihany koa ny sampan-draharaha fa ankizy 900.000 no nijanona nianatra mba hiasa.                          

Manasongadina ny toe-javatra mampalahelo iainan'ny ankizy Filipino marobe, izay tsy mahazo fanampiana ara-tsosialy sy izay mahasoa ity tarehimarika manaitra ity.

Nanasonia Fifanekena momba ny Zon'ny Ankizy sy fifanekena iraisampirenena hafa izay mikendry hampiroborobo ny mahasoa ny ankizy i Filipina. Misy ihany koa ny fandraisana andraikitra malaza hanorenana governemanta akaiky ny ankizy, indrindra ao amin'ny isam-paritra. Saingy tsy nahavitra nanafoana ireo fihoara-pahefana amin'ny endriny maro isan-karazany, ny fahantrana ary ny tsy fanomezana izay sahaza ireo ankizy marobe ireo lalàna sy fandaharan'asa ireo.                                                                                                                                                                                                                                                                                                                                                                                                                                                                                                                                                                                                                                                                                                                                                                                                                                                                                                                                                                                               

Tamin'ny volana lasa teo, namoaka fanadihadiana mialoha nanamafy ny fihanaky ny fampiasana ankizy amin'ny toeram-pitrandrahana sy ny toeram-pambolena ao amin'ny faritra maro isan-karazany ao amin'ny firenena ny Ivontoerana Iraisampinoana ho an'ny Fikarohana ny Fanabeazana ny Mpiasa (EILER). Ao amin'ny fiarahamonina mivelona amin'ny fambolena, ahitana ankizy mpiasa ny 22,5 isan-jaton'ny tokantrano. Ao amin'ny tanàna ahitana toeram-pitrandrahana indray dia 14 isan-jato ny fampiasana ankizy.

Matetika miasa toy ny mpamboly voankazo, mpanjono, mpitondra entana ary mpitrandraka harena ankibon'ny tany ireo ankizy miasa amin'ny sehatry ny menaka voanio. Mandritra izany fotoana izany, miasa manongotra bozaka, minjinja sy mpanondraka amin'ny rano ireo ankizy miasa amin'ny toerana midadasika fambolena fary.

child labor hacienda

child labor plantation

child labor negros

Ao amin'ny toeram-pitrandrahana, matetika matsaka rano, milanja vato amin'ny lasaka, mibata ireo hazo matevina ampiasaina hanohanana ny tonelina ambanin'ny tany, na lasa irakiraka ho an'ny mpiasa ara-dalàna ireo ankizy mpiasa. Mpiasa atao vonjy rano vaky ihany koa izy ireo rehefa tsy afaka miasa ireo mpitrandraka  ara-dalàna. Ireo ankizivavy kosa dia miasa amin'ny fisivanam-bolamena na manampy ireo mpitrandraka amin'ny fanasana ny lamban'izy ireo sy ny fahandroana sakafo.

child labor mining

child labor bicol

child labor gold mining

Nahita ny EILER fa miaina toetr'andro ratsy, miasa ora maharitra ela sy miaina ao anaty tontolo manodidina mampidi-doza no sady mampiasa fitaovana tsy manara-penitra ireo ankizy miasa.

Ao amin'ny toeram-pambolena, misy kamiao maka any any an-tranony ireo ankizy ary mitondra azy ireo hipetraka vonjimaika any anaty tranolay miorina ao amin'ireo faritany manodidina mba hipetraka ao sy hiasa mandritra ny vanim-potoana maharitra roa herinandro hatramin'ny iray volana ary tsy miara-mipetraka amin'ny ray aman-drenin'izy ireo. Hatramin'ny nampiasàn'ny ankamaroan'ireo toeram-pambolena ny vokatra simika mampidi-doza, atahorana ny fahasalaman'ireo ankizy miasa amin'izany.

Ireo namany miasa amin'ny toeram-pitrandrahana kosa mandritra izany dia mikirakira fitaovana mampidi-doza ary ampiasaina mandritra ny fotoana maharitra ela tsy misy fitaovam-piarovana. Zava-misy mahazatra ao amin'ny toeram-pitrandrahana ao amin'ny firenena ihany koa ireo loza ara-tsosialy toy ny fampiasana zava-mahadomelina tsy ara-dalàna mba hahafahana mampifoha hatrany mandritra ny ora maro ireo ankizy ao anaty tonelina.

Pitang holding a placard which reads: "I am a child laborer". Photo from Facebook page of Jhona Ignilan Stokes

Pitang milanja takelaka iray mivaky hoe: “Ankizy miasa aho, arovy ny zoko”. Sary tao amin'ny pejy Facebook-n'i Jhona Ignilan Stokes

Mizara ny zava-iainany ao amin'ny toeram-pambolena nandritra ny fifanakalozan-kevitra natrehin'ny daholobe vao haingana izay nokarakarain'ny EILER ny ankizy mpiasa iray avy ao Mindanao, Pitang:

I was ten years old when I stopped going to school. I have lost hope that I might still go back to school, and I thought to myself that I would be a singer instead. I usually sing to endure and forget the feeling of pain and fatigue from working in plantation. It has been four years since I stopped schooling. I only reached the sixth grade level and then had to stop so I could work.

Folo taona aho no nijanona tsy nandia fianarana intsony. Very ny fanantenako ho afaka hiverina indray any an-tsekoly, ary nieritreritra ny tenako ho lasa mpihira aho. Matetika aho mihira hiaretana sy hanadinoana ny fangirifiriana sy ny harerahana avy miasa amin'ny toeram-pambolena. Efa efa-taona aho izao no tsy nianatra intsony. Kilasy fahenina ihany no mba vitako ary tsy maintsy nijanona aho ahafahako miasa.

Soa ihany fa misy ny vondrona toy ny EILER izay manao hetsika amin'ny famongorana ny endrika ratsy indrindra isehoan'ny fampiasana ankizy ao amin'ny firenena. Iray amin'ny fandaharan'asan'izy ireo ny Balik-Eskuwela (Miverina An-tsekoly) izay mikasa hitondra indray ireo ankizy mpiasa hiverina an-tsekoly. Iray amin'ireo mpiara-miombon'antoka ny EILER amin'ity tetikasa ity ny Vondrona Eoropeana.

Child workers return to school. Photo from Facebook page of Balik-eskuwela

Tafaverina an-tsekoly ireo ankizy mpiasa. Sary tao amihn'ny pejy Facebook-n'i Balik-eskuwela

*Avy amin'ny EILER avokoa ny sary rehetra, nahazoana alalana

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.