Politisiana Rosiana Mpanohitra: Maty Voatifitra Tao Maosko i Boris Nemtsov

Boris Nemtsov at a rally in support of prisoners of the Bolotnaya square case, 21 February 2014. Photo by Ilya Schurov. CC BY 2.0 via Wikimedia Commons

Boris Nemtsov tao amin'ilay famoriam-bahoaka ho fanohanana ireo gadra politika, tao amin'ny raharaha kianja Bolotnaya, 21 Febroary 2014. Sary an'i Ilya Schurov. CC BY 2.0 via Wikimedia Commons

Maty voatifitra tao Maosko i Boris Nemtsov, politisiana malaza amin'ny fanoherana, praiminisitra lefitra fahiny, ary iray amin'ireo tena mpanakiana an'i Vladimir Putin. Tao afovoan-tanànan'i Maosko no nitranga ilay famonoana, minitra vitsy monja miala eo amin'ny Kremlin, teo amin'ny tetezana iray ao atsimon'ny Kianja Mena.

Tao amin'ny Twitter, i Ilya Yashin, politisiana iray hafa mpanohitra, no voalohany nanamarina ny fahafatesan'i Nemtsov .

Nisy nitifitra i Nemtsov. Maty izy.

Ireo mpanao gazety sy mpikatroka mafàna fo no voalohany tonga teny an-toerana.

Saripika iray nalefan'ny mpanangona vaovaonay avy eny amin'ny tetezana Bolshoy Kamenny, toerana namonoana an'i Boris Nemtsov.

Ora maromaro talohan'ny nahafatesany, hita tao amin'ny foiben'ny fampielezampeo Ekho Mosvky i Nemtsov hampahafantatra ny amin'ilay diabe hatao ny Alahady 01 Martsa izay noheverina ho izy no hitarika azy miaraka amin'ireo mpikambana hafa avy ao amin'ny fanoherana mba hitsipahana ny fomba fitantanan'i Kremlin ny olana ara-toekarena ao Rosia sy ny fifandonana any Okraina.

Raha vao fantatry ny RuNet ny mikasika ilay vaovao ratsy, marobe no tohina sy nalahelo. Ireo mpiara-misehatra ara-politika, mpanao gazety, ary mpanolotra fandaharana dia samy naneho ny fiaraha-mioriny avokoa no sady nizara fahatsiarovana an'i Nemtsov. Namoaka izay mety ho antony nanosika ho amin'ilay famonoana ihany koa ny sasany.

Misy diaben'ny fanoherana hatao ny Alahady. Efa naiditra am-ponja i Navalny ka tsy ho afaka amin'izany. Ka dia naleon-dry zareo nandeha nitifitra an'i Nemtsov.

Tsy hoe fotsiny namono olona fantatra amin'ny fanoherana ry zareo, fa namono olona efa praiminisitra lefitra teo aloha.

Nizara fahatsiarovana an'i Nemtsov i Ksenia Sobchak, mpanao gazety sady mpikambana avy amin'ny mpanohitra.

Fantatro tsara sy olona tena tiako lery. Tia miaina, tena demaokraty, ary tena olo-mendrka.

Dmitry Gudkov, solombavambahoaka avy amin'ny mpanohitra ao amin'ny Duma, sy i Sergey Parkhomenko, mpanao gazety, dia nihevitra fa azo tsiniana ho tomponandraikitra amin'ny ampahany amin'izao raharaha mahatsiravina izao ny tsy fahaiza-mandefitry ny fampielezankevi-panjakàna.

Mivandravandra be fa famonoana ara-politika. Na dia tsy ho fifanarahana hamelezana azy aza, dia vokatry ny fampielezankevitra feno fankahalàna ataon'ny manampahefana eto amintsika io.

Nisy olona ve nisaina hoe ity fampielezankevitra mitratrevatreva ataon'ny fanjakana efa nihotrika an-taona maro ity anie ka hipoaka indray andro any ?

Garry Kasparov, mpitarika ny mpanohitra ary monina any ivelany, dia naneho ihany koa ny fiaraha-mioriny .

Ketraka nandre ny vono feno habibiana nahazo an'i Boris Nemtsov, mpiara-dia tamiko nandritry ny fotoana ela teo amin'ny sehatry ny fanoherana. Tifitra in-4, iray isaky ny zaza navelany.

Toy ny nilatsaham-baratra ihany koa ny masoivohon'i Etazonia ao Rosia, Michael McFaul, raha nandre ilay fahafatesana.

Tena olona tia tanindrazana i Nemtsov, izay nino ny hisian'ny fihalehibeazan'i Rosia. Mitomany aho ankehitriny ho an'ny fianakaviany & ny firenena izay maminy loatra

Voalaza ho niteny i Vladimir Putin fa hoe “ahitàna ny marika rehetra momba ny famonoana olona niniana natao” ny fahafatesan'i Nemtsov, ary toy ny ikendrena hamboly korontana na handotoana ny lazan'i Kremlin. Araka ny nolazain'ny sekreterany mpifandray amin'ny gazety, nanome baiko manokana i Putin ho an'ireo lehiben'ny Kaomity Mpanadihady, ny Sampana Federaly misahana ny Filaminana, ary ny Minisitry ny Atitany mba hanara-maso akaiky ny fanadihadiana ity vono-olona ity. Ireo hery politika hafa ihany koa, ka isan'ireny ireo mpikambana ao amin'ny Antoko Kaomionista Rosiana sy ny LDPR, dia niantso ilay famonoana ho “fihantsiana iray” ikendrena ny hanozongozonana ny toe-draharaha politika sy hanamafisana ny “toe-po mankahàla Rosiana.”

Roa herinandro eo ho eo izao, tao anaty tafatafa iray niarahana tamin'ny Sobesednik.ru, niteny i Nemtsov fa natahotra ny amin'ny ainy ny reniny, matahotra ny mety hamonoan'i Putin azy. (Nilaza i Nemtsov fa tsy dia niasa saina loatra raha miohatra amin'ny reniny.) Araka ny voalazan'i Ilya Yashin mpiara-dia aminy, niasa nanao tatitra iray mikasika ny maha-tafiditra ny tafika Rosiana amin'ny ady ao Okraina i Nemtsov. Ny mpisolovava an'i Nemtsov, Vadim Prokhorov, niteny fa vao haingana ity politisiana ity no naharay fandrahonana ho faty marobe tao amin'ny media sosialy.

Taorian'ny nakàn'ny polisy ny razana teo amin'ny toerana nisehoan'ny famonoana, nanomboka nanatitra voninkazo teo amin'ilay tetezana ny  Maoskovita.

ireto no voninkazo voalohany, ary ny rà nihandrona teo amin'ny làlan'ny mpandeha an-tongotra.

Teto dia efa niteny sahady ireo mpikarakara ny diabe tokony hatao ny Alahady 1 Martsa fa ho foanan-dry zareo ilay famoriam-bahoaka kasain'ny mpanohitra hatao ary hosoloina fahatsiarovana an'i Nemtsov hatao ao afovoan-tanànan'i Maosko. Efa misy sahady ny drafitra hiantsoana ireo manampahefana ao an-tanàna hanome alàlana, na dia tsy nankasitraka izany loatra aza tany aloha tany ny ao amin'ny biraon'ny ben'ny tanàna.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.