Iraka : Ravain'ny ISIS Ireo Sary Vongana Rakitry Ny Ela 3.000 Taona Tao Amin'ny Tranombakok'i Mosul

ISIS militants are seen destroying sculptures dating back 3,000 years at a museum in Mosul, Iraq. Photograph shared by @Joyce_Karam on Twitter

Ireo mpikatroka ao amin'ny ISIS hita manimba ireo sary vongana efa maherin'ny 3.000 taona tao amin'ny tranombakok'i Mosul, Iraka. Sary nozarain'i  @Joyce_Karam tao amin'ny Twitter

Voarakitra an-dahatsary ireo mpikatroka mafana fo ao amin'ny ISIS eo am-pamotehana amin'ny maritoa lava taho, sy fitaovana fandavahana ary lapika ireo sary vongana rakitry ny ela ao amin'ny tranombakok'i Mosul any avaratr'i Iraka. Tao amin'ny tranombakok'i Ninive no voalaza ho nanatanterahana ilay lahatsary naharitra dimy minitra, ary ireo sary vongana rakitry ny ela efa 3.000 taona potika dia efa nisy hatramin'ny Fanjakana Asyriana.            

Ity ampaham-baovao farany avy any Mosul ity no manamafy fa ireo mpikatroka mafana fo, izay mifehy ny ampahan-tany lehibe any Iraka sy Syria, dia nandoro ireo boky an'arivony sy ireo sora-tànana tsy fahita tao amin'ny tranombokin'i Mosul sy ireo tranomboky hafa amin'ny faritra feheziny. Tamin'ny volana Jona 2014 no teo an-tànan'ireo mpikatroka mafana fo i Mosul, tanàna lehibe faharoa any Iraka, ary eo ambany fifehezan'ny vondrona nisintaka tamin'ilay vondrona malaza Al Qaïda, izay mbola miady ihany koa any Syria.            

http://youtu.be/9WMOyGVV_gc

Araka ny voalazan'ilay lahatsary mivezivezy amin'ireo haino aman-jery sosialy, dia amafisin'ilay vondrona fa nopotehana ireo sary vongana rakitry ny ela ireo satria sampy. 

Maneso i David Kenner, tonian-dahatsorary ny Foreign Policy Middle East (Politika Ivelany any Afovoany Atsinanana) mipetraka any Beyrouth :

Tsy zo lavina fa tsy faly amin'ny fampijaliana ny velona ny ISIS dia manandrana mamotika ny lasa amin'ny fandravana ny tranombakok'i Mosul.

Manontany ny nihavian'ilay famotehana ny mpanao gazety iray hafa, i Sheera Frenkel :

Eo am-pahitana ireo sary miverivezy misy ireo mpiadin'ny ISIS mamotika ireo rakitry ny ela ao amin'ny tranombakok'i Mosul. Misy mahalala ve ny fiandohany ?

Jameel, avy any Riyadh, Arabia Saodita dia manamarika :

Taorian'ny nandoroany ny tranomboky tany Mosul, enga ho voaheloka ry zareo, dia nopotehany ireo sary vongana rakitry ny ela lafo vidy tany amin'ny tranombakok'i Ninive.

Manandrana manazava ny hadalàna tsy hita fetra nataon'ny ISIS, miainga avy amin'ny zavatra hitan'ny maso mivaingana ilay Palestiniana  Yaser Al Zaatreh:

Fanontaniana : vaovao ve sa tranainy be ireo sary vongana rakitry ny ela izay nopotehan'ny ISIS, ireo izay efa niatrika fananiham-bohitra an-jato taonany maro, ireo Silamo mpitondra fivavahana ambony sy ireo mpahay siansa aza tsy nandrava azy ireny ? Fanontaniana ihany izany. 

Izao no valin-tenin'i Zainab amin'ireo izay miteny fa ambony kokoa noho ny zavatra manan-tantara ny ain'ny olona :

Raha mampahonena antsika ny zava-niseho tao amin'ny tranombakok'i Mosul, dia hahazo tsikera amin'ireo izay milaza fa ny olona no ambony indrindra isika, nahoana no tsy marary amin'izany ny fonareo ? Mianiana aho fa azontsika atao ny tonga dia mitazona ny fahalinana amin'ireo resaka roa ireo indray miaraka.

 Manontany i  Daoud Ibrahim, avy any Libanona :

Rahoviana ny fotokevitry ny ISIS no ho rava tahaka ny nandravany ny tranombakok'i Mosul ?

Zarain'i Tounsia Hourra ity lahatsarin'ny tranombakok'i Mosul tamin'ny 1950 ity, amin'ny filazana fa tranombakoka faharoa lehibe any Iraka izy ity :

Tranombakoka faharoa lehibe any Iraka ny tranombakok'i Mosul izay noravan'ny ISIS. Ity misy sary fanadihadiana fohy momba izany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.