Karaibiana Mpianatra Lalàna, Mirotsaka Miady Amin'ny Fanondranana Olona

This poster was displayed by the Trinidad and Tobago Ministry of Gender, Youth and Child Development in commemoration of  International Day for the Elimination of Violence against Women. The symposium was attended by students of the Hugh Wooding Law School and formed part of their research for the 'Join The Fight' campaign.

Afisy lehibe nahanton'ny Ministeran'ny Fampiroboroboana ny Miralenta, ny Tanora sy ny Ankizy ao Trinidad sy Tobago ity, ho fankalazàna ny Andro Erantany ho an'ny Fanafoanana ny Herisetra Atao ny Vehivavy. Mpianatra marobe avy amin'ny Toeram-pianarana ambony momba ny lalàna “Hugh Wooding Law School” ary tafiditra ao anatin'ny fikarohan-dry zareo momba ny fanentanana “Tongava Hiady’.

Mpianatra efatra avy amin'ny Hugh Wooding Law School no nandrisika ireo olona hanatevina laharana ny ady atao amin'ny fanondranana olona ao Trinidad sy Tobago.

Nandrafitra tetikasa iray i Anessa Anderson sy Sharla Weir avy ao Barbados, Stefan Knights avy any Guyana sy Nadia Scott avy ao Trinidad sy Tobago ho fanairana ny saina aminà olana iray  izay mazàna tsy dia raharahiana loatra ao Trinidad sy Tobago ary ny faritra Karaiba manontolo :

Ninoanay fa tsy dia nahazo loatra ny fahatakàrana tokony nomen'ny rehetra azy ny fandinihana ny olan'ny fanondranana olona, ary andraikitray ny misarika ny saina hifantoka amin'izy io.

Ilay tetikasa dia narafitra sy notanterahan'ireo mpianatra ho toy ny fandraisan'izy ireo anjara amin'ny Human Rights Law Clinic (Klinikan'ny Lalàna momba ny Zon'Olombelona) karakarain'ny sekoly; misy 16 amin'izy ireo no misolovava miaro ny resaka zon'olombelona isankarazany. 

Ny hetsika, izay nomena anarana hoe “Tohano ny Tolona”, ahitàna fanambaràna ho an'ny daholobe, lahatsary fohy momba ny fanondranana olona ao Trinidad sy Tobago, ary ny fanokanan-dry zareo fotoana ho an'ny hetsika iray karakarain'ny “Fiaraha-mientana Ho an'ny olan'ny Fanolanana ao Trinidad sy Tobago”, dia ao anatin'izany ilay vondrona no manampy amin'ny fitsinjaràna ireo fitaovana fampahafantarana sy ny fandraisana anjara amin'ny filalaovana an-tsehatra. Manome torohevitra mikasika ny lalàna momba fanondranana olona ao Trinidad sy Tobago ihany koa ry zareo ho an'ireo niharan'ny fanolanana sy ny herisetra an-tokantrano. Ny fango nampiasaina tamin'ilay fanentanana dia sanganasan'i Dane Elliott-Hamilton, mpianatra ao amin'ny “Hugh Wooding”, Sekoly Fianarana Lalàna.

Nofaritana hatrany i Trinidad sy Tobago ho toy ny toerana faleha, loharano, ary firenena fandalovana raha vao fanondranana olona no asiana resaka, indrindra fa ny fanerena hivaro-tena, ary ny fanerena ny ankizy sy ny lehilahy hanao asa an-terivozona. Ao anatin'ny fikarohana ataon-dry zareo ho an'ilay tetikasa dia miara-miasa amin'ilay fikambanana mpanao asa soa nosafidiany ireo mpianatra, ny Caribbean Umbrella Body for Restorative Behaviour (CURB) (fikambanana miezaka mamerina amin'ny laoniny ny fitondrantena), manome fitaovana fanentanana ho an'ilay fikambanana sady mamoaka ny fahaizamanaon'ny CURB ho toy ny fanohanana, na izany ho an'ireo mpanao heloka bevava, na ireo niharan'izany :

Eo amin'ny sehatra politika sy eny an-kianja dia ny CURB no hitanay ho fikambanana tsy miankina, malaza, tena miatrika ny resaka fanondranana olona.[…] nanolotra maimaimpoana ny fotoananay ho an'ny CURB izahay […] Fotoana iray tena nahavariana teo amin'ny fiainanay io iray io satria ireo mpikambana tao anatin'ilay vondrona dia afaka nampita fahalalàna momba ny toe-draharaha iray saropady miresaka ny fanondranana olona ao amin'ny firenena no sady nanabe olona maro izay tonga nanatrika tamin'izay andro izay.

Namorona fampahafanarana ho an'ny daholobe ihany koa ireo mpianatra, mba hozaraina ety anatin'ny tontolo dizitaly sy halefa amin'ireo fahitalavitra ao an-toerana.

Tao anatin'ny fanaovan'izy ireo tombana ho an'ilay klinika dia nitsidika sekoly ambaratonga voalohany sy faharoa ireo mpianatra, manao famelabelarana maro momba ny olan'ny fanondranana olona ary manaparitaka bokikely iray miresaka io olan'ny fanondranana olona io, mba hanairana ny saina momba ny hasarotr'ity endrika fanandevozan'ny andro maoderina ity.

Fanadihadiana fohy iray momba ny olan'ny fanondranana olona ao Trinidad sy Tobago no toy ny singa farany mameno ilay tetikasan'ireo mpianatra.

Rehefa vita ilay tetikasa dia nilaza ny zavatra niainany ireo mpianatra :

Nanokatra ny sainay taminà karazan-javatra marobe ity tetikasa ity, nahafahanay nitrandraka fahaiza-manao vaovao sy nanatsara ny efa nanananay.

Ity andian-taranaka vaovao miomana ny ho mpisolovava ity no nanavao ny dikan'ny antsointsika hoe mpiaro ny lalàna, izay mazàna no midika ho firotsahana ho feon'ireo tsy manan-kolazaina. Nisy fotoana ireo mpianatry ny High Wooding Law School no efa nisolovava niady tamin'ny fanaovana tsindry aloka, izay heverin-dry zareo ho ny olana saropady indrindra amin'ny resaka zon'olombelona. Ny tetikasa hafa nataon-dry zareo dia ahitàna ny firesahana momba ireo olana maika, tahàka ny herisetra an-tokantrano sy ny zon'ny pelaka. Hanasongadina ireny tetikasa ireny ho ao anatin'ity andiany ity ny tariky ny Global Voices ao Karaiba.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.