Tolo-dalàna Rosiana Handraràna Ny Vehivavy Latsaky Ny 40 Taona Tsy Hifoka Sigara

Images edited by Kevin Rothrock.

Sary avy amin'i Kevin Rothrock.

Nandroso tolo-dalàna ireo Rosiana mpanao lalàna mba hanaovana lalàna vaovao handraràna ny vehivavy rehetra latsaky ny 40 taona tsy hahazo hividy sigara sy izay karazana vokatra azo avy aminy. Ilay tolodalàna, izay solombavambahoaka roa ao amin'ny Doma avy amin'ny Antoko Kaominista no nanoratra azy, dia milaza fa loza mitatao ho an'ny filaminam-pirenena ao Rosia ny famelàna hifoka sigara ireo vehivavy efa ao anatin'ny taona tokony hiteraka. “Ny vehivavy mifoka sigara,” hoy ny naoty fanazavana miaraka amin'ilay tolodalàna, “dia manimba ny fanànana anaka, hiteraka fahasimbana tsy azo tsaboina amin'ny tahirin-tarazon'ny firenena.”

Ny tao an-tsain'ireo mpanohana ilay lalàna, izay efa miaraka aminà kaomity parlemantera iray hatramin'ny Jona 2014, hoe ny loza mitatao mahazo ny fahasalaman'ireo reny sy zaza noho ny fifohana sigara ataon'ny reny (toy ny fitomboan'ny fahafatesana ao am-pahaterahana, ny teraka tsy tonga volana, ny zaza sima, sy ny sisa) no nahazo lanja bebe kokoa noho izay mety ho zo sivily mikasika ny resaka sigara. Mety hihatra amin'ny vehivavy rehetra ilay lalàna, fa tsy hoe ireo mitondra vohoka ihany. “Matetika ireo vehivavy mifoka sigara no tsy mahatody hatramin'ny farany ny fitondrana vohoka, na tsy mety mahazo vohoka mihitsy aza amin'ny voalohany, satria ny fifohana sigara dia manakana ny atodinaina tsy hitsaika,” hoy ny filàzan'ilay lalàna azy. Mety hanakana ny fivarotana sigara amin'ny vehivavy tsy misy fanavahana taona ihany koa ilay lalàna, raha miaraka amin'ny zanany tsy ampy taona.

Mety hiharan'ny sazy 5.000 robla ($80) izay mpivarotra tsotra tratra mivarotra sigara amin'ny fomba tsy ara-dalàna amin'ny vehivavy, raha toa kosa ka mety ho tafakatra hatramin'ny 150.000 robla ($2,400) izany ho an'ireo toeram-pandraharahana lehibe.

Ireo mpanohana ilay tolodalàna dia milaza fa ilaina ny mandràra ireo vehivavy latsaky ny efapolo taona tsy hifoka sigara mba hampanajàna ny Andininy faha-38 amin'ny Lalàm-panorenana Rosiana, izay maniraka ny fanjakàna hiaro ny “fiterahana, ny fahazazàna ary ny fianakaviana.” Tanisain'ilay lalàna ihany koa ny andininy faha-25 ao amin'ny Fanambaràna Erantany momba ny Zon'Olombelona, izay manome zo manokana ny maha-reny sy ny fahazazàna mba hahazo “fiarovana sy fanohanana manokana”.

Hatreto, eso no nataon'ny ankamaroan'ireo Rosiana ety anaty serasera an'ilay lalàna, manaiky azy io amin'ny hanihany sady mamporisika ireo mpanoratra azy ihany.

Tsy ilaintsika ny fanohanana ny zon'ny vehivavy satria efa manana tetikasa iray isika handraràna ny fivarotana sigara amin'ny vehivavy latsaky ny 40 taona. Ary tena mety tanteraka izany. An'ny fanjakana mantsy ny tranonjaza ao amintsika!

Adihevitry ny Duma ny mety hisian'ny fandraràna ny fivarotana sigara amin'ireo vehivavy latsaky ny 40 taona. Tsy ho azoko atao intsony mihitsy ny hanao vazivazy momba io diky io. kidjtss.

Tany am-piandohan'ny Febroary, nanambara i Philip Morris fa nanao fifanarahana nitentina 9.2 isanjato ny tsenan'ny sigara tao Rosia tamin'ny 2014, ny ankamaroany dia noho ny fiakaran'ny hetra ambony kokoa sy ny toekarena anaty fahasahiranana. Na teo aza anefa ny fihenàna manerantany, notaterin'ireo mpivarotra fa tafakatra 1,350 isanjato ny famarotana ny papirosy—sigara Rosina moravidy, tsy misy fanatatavànana, izay nanana laza manokana tao amin'ny Firaisana Sovietika.

Satria miomana ny hiverina handinika ny fandraràna ny vehivavy tsy hahazo mifoka sigara ny Duma, dia lalàna iray hafa no hodinihan'ireo solombavambahoaka, lalàna izay mety hanome alàlana ireo tanàna madinika ho afaka amin'ilay fandraràna tsy hivarotra sigara na izay vokatra avy aminy ao anatin'ny faritry ny 100 metatra miala amin'ny sekoly.

Araka ny fitarainana iray nataon'ireo tomponà fandraharahana tao Kirov, tsy manampy amin'ny fampandrosoana ny toekarena eny ambanivohitra ny fandraràna ny fivarotana sigara eny akaikin'ny sekoly, toerana izay efa nahitàna hatramin'izay ireo toeram-pivarotana nifanila teny hatry ny fahiny. Tao Kirov, nilaza ireo toeram-pivarotana fa very 10 hatramin'ny 30 isanjato tamin'ny tombombarotr'izy ireo, matetika no tsy mahavita mandoa hofantrano, niafara tamin'ny fikatonan'ny 15 tamin'ireo toeram-pivarotana isan-karazany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.